Avotsory i Bassel: Mpampiasa Aterineto Tandindonin-doza

Nahafeno 9 volana an-tranomaizina i Bassel Khartabil Safadi, mpamokatra rindrambaiko azo tovozina malalaka sady mpikatroka mafàna fo mpandàla demokrasia.

Namoaka fanambaràna an-gazety [ar] tao amin'ny pejy Facebook fanohanana azy ny fianakaviany sy ny namany tamin'ny voalohandohan'iny herinandro lasa  iny, mamerina mitantara ny sedra natrehan'i Bassel:

Voasambotra ny 15 Martsa tany amin'ny faritr'i Mazeh i Bassel, taorian'ny fandrika tsy nampoizina nataon'ny mpitandro filaminana Syriana. Taorian'ny nijanonany 8 volana tany aminà fonja tsara aro, nafindra tany amin'ny foiben-toeran'ny Polisin'ny tafika tany Kaboun i Bassel. Ny 13 Nov, nafindra tany amin'ny fonjan'i Adra indray izy, talohan'ny nitondrana azy ny 6 Desambra, tany aminà lapam-pitsarana miaramila iray: Mahkama Midaniyah (المحكمة الميدانية).

Voafetra tamin'ireo hetsi-panoherana milamina foana ny hetsika ara-politikan'i Bassel hatrizay.

“Fitsaràna manokana” io namindràna azy io, izay miasa eo ambonin'ny lalàna. Natao manokana hitsarana ireo mpikambana ao amin'ny tafika mita-piadiana izany [, fa tsy sivily].

Amim-panesoana, namoaka lalàna nanaisotra ireo lalàna fanao amin'ny tany miady efa naharitra am-polotaona maro tao amin'ny firenana ny governamanta Syriana ny Aprily 2011. Araka io lalàna vaovao io, tokony hofoana ireo fitsaràna manokana.

Tsy mahazo maka mpisolovava i Bassel. Tsy afaka hamoahana fampakarana fitsarana izay fanapahan-kevitra na didin'ny lapam-pitsarana –ary fantatra tsara fa henjana izany.

Nolavina ny fangatahan'ny mpisolovava an'i Bassel, izay sady fofombadiny, hahazo fampahalalana mikasika ny misy azy sy ny toe-pahasalamany.

Araka ny voalazan'i Oussama Refai [ar], havan'i Bassel, maherin'ny gadra 100 hafa ihany koa no nakarina fitsarana tao amin'io lapam-pitsarana io ihany.

Sary an'i Joi Ito, ao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Bebe kokoa mikasika an'i Bassel

I Bassel dia mpamokatra rindrambaiko azo tovozina malalaka. Fanta-daza eran-tany izy noho ny firotsahany mafy hisian'ny aterineto mivelatra sy malalaka. Nitàna ny laharana faha-19 izy tamin'ny lisitry ny Politika Vahiny amin'ireo mpandinika 100 voalohany eran-tany tamin'ity taona ity. Mpisava làlana amin'ny fisoloana vava ho an'ny fampiasàna midadasika kokoa ny fahazoan-dàlana Creative Commons [ar] any amin'ny tontolo Arabo izy. Iray amin'ireo olona ao ambadiky ny orinasa mpamorona rindrambaiko Fabricatorz ny tenany, izay hanaovan'ireo mpiara-miasa aminy fanentanana hangatahana ny famoahana azy.
Ny Aiki Lab no nifantohan'i Bassel farany, habaka iray fanaovana hacking natsangany tamin'ny lohataonan'ny 2010 tany Damaskosy. Nakaton'ny governemanta Syriana izany taorian'ilay fitroarana.

Lahy tokana i Bassel, ary tokony nanambady tamin'ny Aprily lasa teo. Nanova ny lamina napetrany sy nanapaka ny fiainany ny fisamborana azy.

Namana akaiky an'ity mpanoratra ity izy, izay matahotra ny amin'ny ainy sy mangataka ny famoahana azy izao dieny izao.

Ny azo atao ho an'i Bassel

Manao ilay fanentanana #FastForBassel ao amin'ny Twitter ireo naman'i Bassel sy ny fianakaviany. Ny hevitra amin'izany dia ny hifady hanina mandritra ny iray andro, hitoraka bilaogy sy hitoraka bitsika mikasika izany ho fomba iray hanehoana ny fanohanana an'i Bassel sy ireo gadra politika hafa any Syria ary hitakiana ny hamoahana azy ireo avy hatrany.

Afaka mitsidika ny vohikalan'ilay fanentanana Free Bassel ianao ary manao sonia ity fanangonan-tsonia hangatahana ny famoahana azy avy hatrany ity.

Afaka mitoraka bitsika eo ambanin'ny tenifototra #FreeBassel ary maneho ny fanohananao ianao .

Afaka “mitia” ny pejy Facebook fanohanana azy ianao ary mizara ny ao anatiny.

Afaka mandòna ny media sy ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona ihany koa ianao ary mitantara ny tantaran'i Bassel amin'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.