Mpikatroka Kiorda Roa Miatrika Sazy Fanamelohana Ho Faty Ao Iran

Tanora mpikatroka Kiorda Iraniana roa, Zaniar (na Zanyar) sy i Loghman Moradi no fantatra fa ho alefa hahatona araka ny filazan'ireo tranokalam-baovao Iraniana marobe sy ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona. Voampanga ho namono ny zanaka lahinà mpitondra fivavahana Imam Sonita ao an-toerana ao tanànan'i Malayer izy ireo ary hovonoina ho faty rehefa notànana sivy volana tsy nahazoan-dalana sy tsy nahazo zo hotsidihana. Nanambara izy roa lahy fa nanao fiaikena noho ny fanerena sy ny fampijaliana, anisan'izany ny fandrahonana hanolana azy ireo nataon'ilay mpanao famotorana.

Nandritra izany, nisy ny taratsy misokatra navoaka amin'ny anaran'i Zaniar Moradi nataon'ireo “tanora” manerantany ho fiarovana ny ainy, manazava ny taratasy fa tsy meloka izy sy ny rahalahiny ka noho izany “tsy mendrika ny ho faty” izy ireo.

Fanentanana ao amin'ny Facebook 

Vondrona Facebook mitondra ny lohateny hoe ‘Vonjeo i Zaniar sy Loghman no natsangana mba hanohanana azy roa lahy.

Nangataka ny mpiara-belona i Jamal mba hitsangana ary hanampy tamin'ny alalan'ity fanehoan-kevitra amin'ny Facebook ity:

Ianareo olombelona! Misy zavatra tsy maintsy atao. Ajanony ny filalaovana heloka fanaon'ny adala, ny mpihinana olona, ny lian-drà sy ny fitondrana jadona Islamika. Tokony hiray hina izao tontolo izao mba hanohitra izao heloka nomanina izao. Tohano azafady. Raisinay am-pitiavana izay fitaovana azo ampiasaina amin'ity tanjona ity. Ampio amin'ny fanentanana izahay azafady ary ampahafantaro ny hafa ity pejy ity.

Indro sariitatra manohana ny hetsika amin'ny Facebook: Tsy mankatò ny “famonoana ho faty” avokoa ny “Mankafy (J'aime) rehetra”:

Tsy mankatò ny “famonoana ho faty” ny “Mankafy (J'aime)” rehetra – Hetsika amin'ny Facebook ho fiarovana ireo Iraniana Kiorda roa,  sarin'ilay mpanao sariitatra Mana Neyestani, Mardomak

Hafatr'i Dada

Nampiasa Youtube ny rain'i Zaniar mba hangataka amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena hanery ny fitondrana Iraniana ampiato ny famonoana ho faty ny zanany lahy sy ireo gadra politika hafa. Nolazainy tao amin'ny lahatsary fa nampijaliana i Zaniar.

 “Noterena hiaiky”

Mino tanteraka ilay bilaogera Iraniana, Mohammad Ali fa namboamborina sy fanerena avy amin'ireo mpiasan'ny Repoblika Islamika ny fiaikena nataon'i Zaniar sy Loghman voalohany.  ‘Faryaad-e Alborz‘ [Fieron'ny Tendrombohitry Alborz] no anaran'ny bilaogin'i Mohammad Ali]:

Tsy eo am-pelantanan'ireo olona namany ny fiainana sy ny fahafatesan'ny olona. Araka ny vaovao renay avy ao amin'ny fitondrana jadona eo amin'ny fahefana ao Iran, tsy vitsy ireo gadra tsy manan-tsiny nogadraina. Noterena tahaka izany tamin'ny alalan'ny hery sy herisetra ara-batana ireo gadra hany ka miaiky heloka tsy natao akory.

Tsy isalasalana, noterena hiaiky fa namono olona i Loghman sy Zaniar Moradi noho ny fampijaliana, fanararaotana sy fandrahonana fanolanana nandritra ny sivy volana.

Tamin'ny farany, nanontany ity mpanoratra ao amin'ny Faryad-e Alborz ity hoe:

Tsy fantatro raha misy fikambanana mpiaro ny zon'olombelona eto amin'izao tontolo izao na tsia? Hatramin'izay dia resaka, resaka ary resaka ihany no nisy. Inona no mba nataon'izy ireo tao Iran? Ianareo mpikambana ao amin'ny vaomieran'ny zon'olombelona, iza no gadra efa voavonjy tamin'ny famonoana sy ratra ary fanapahan-doha tamin'ny alalan'ny herinareo ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.