Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fitsidihan'ny Mpanjaka Telo An'i New York

Tonga ireo mpanjaka telo ary lasa, saingy tsy maintsy nandalo ny tanànan'i New York hiara-hankalaza amin'ny kilonga an-jatony izay tonga hijery ny matso izay nokarakarain'ny an'i Museo del Barrio tamin'ny 4 Janoary, Zoma nibaliaka masoandro tsy mahazatra ho an'ny volana. Anisan'ny kolontsaina nentin-drazana hatramin'ny taonjato maro ity fomba fankalazana krismasy, izay sarotsarotra azo (tahaka ny kristianisma ihany), ny fototra ara-tantarany sy ara-pivavahany ity.

Any Porto Rico, ohatra, ny takarivan'ny fitsidihan'ny Mpanjaka (Magy) Telo, mamela mololo ao amin'ny fitoera-kiraro ny ankizy ho an'ny soavalin'i Melchor, Gaspar ary Baltasar, ho fisaorana azy ireo amin'ny fanomezana izay ho azon'izy ieo ny andro manaraka. Ny marina, niova araka ny fomban'ny famoronana nandritra ny taona maro io fomba io. Tahaka izany ny fahatongavan'ny mpanjaka mitaingi-tsoavaly, fa tsy mitaingin-drameva, , ary ankalazaina miaraka amin'ny voady [es] voasokitry ny santeros (mpanao asa-tanan'ny sary masina) izay loharanom-pifaliana sy aingam-panahy.

Tsy isalasalana fa ny fiaraha-monina Porto Rikana sy Amerikana Latina izay velona sy mihetsiketsika eto amin'ny tanàna goavana antsoina hoe New York dia tsy nitsahatra ny nankalaza ity andro ity tao anaty fientanentanana, indrindra fa ny kilonga. Maro tokoa hany ka nikatso ny lalan'ny East Harlem hijery ny fandalovan'ny voatiry, magy ambony lasely, dihy peroviana, capoeira, marionety goavana, eny hatramin'ny rameva or izay monina ao amin'ny valan-javaboary ao New Jersey.

Indreto ary ny andian-tsary nopihan'ilay artista Porto Rikana Josué Guarionex izay ahitana ny endrika sasantsasany amin'ireo mpandray anjara rehetra.

 

Jesús "Papoleto" Melendez, poeta nacido y criado en El Barrio, fue elegido como rey emerito de la parada.

Jesús “Papoleto” Melendez, poeta teraka ny nihalehibe tany East Harlem, nofantenina ho mpanjaka mivezivezy nandritra ny matso.

Los danzantes de música tradicional peruana.

Mpandihy manatontosa ny mozika nantin-drazana Peroviana.

Osvaldo Gómez nos deleitó con su hermosa presencia.

Osvaldo Gómez nahamirana anay tamin'izao fanatrehany izao.

Casi podemos sentir la energía de esta banda en esta foto.

Saiky tsapantsika ny angovon'ity tarika amin'ny sary ity.

Cientos de niñas y niños desfilaron con sus coronas de papel desde la calle 106 hasta la calle 116 y la avenida Park.

Zazalahy sy zazavavy an-jatony avy amin'ny Lalana sy Kianjan'ny Avenue 106th ka hatramin'ny 116th.

La destacada reportera María Hinojosa, así como la activista Angie Rivera, fueron elegidas como las reinas magas para esta ocasión.

Ilay mpanangom-baovao miavaka, María Hinojosa, sy ilay mpikatroka, Angie Rivera, voafantina ho anisan'ny mpanjakavavin'ny lanonana ihany koa.

Fátima Shama, comisionada de la Oficina de Asuntos del Inmigrante de la ciudad de Nueva York, fue elegida como una de las reinas magas.

Fátima Shama, miasa ao amin'ny Raharahan'ny Mpifindra-monina ao amin'ny Fiadidian'i New York, izay notsongaina ho anisan'ny mpanjakavavy ihany koa.

anya Torres, artista puertorriqueña radicada en El Barrio, fue una de las madrinas de la parada junto a Nadema Agard, Cecilia Gastón, Christine Licata y Sandra Morales-De León.

Tanya Torres, artista PortoRikana monina ao East Harlem, dia iray amin'ireo renin'andriamanitra tamin'ny matso, Nadema Agard, Cecilia Gastón, Christine Licata ary Sandra Morales-De León.

Caminar en las calles de Nueva York junto a tantos niños es un tremendo regalo.

Fanomezana lehibe ny fitsangatsanganana manerana ny arabe ao New York niaraka tamin'ireo ankizy be dia be.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.