Malazan'ny Media Sosialy: Ireo Heloka Bevava Tsy Hitantsika Tao Syria

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady..

Syriana an-tapitrisany no mampiasa fitaovana fampahalalam-baovao tahaka ny Facebook, Twitter, YouTube ary ny Skype mba hampiely vaovao sy hiady hevitra momba ny ady ao amin'ny firenena. Isan-kerinandro, mandrindra ny resadresaka an-tserasera amin'ny teny anglisy sy Arabo i Mohammed Sergie, ary mifantina ireo zava-niseho nisongadina ho atsofoka amin'ilay antsoina hoe Buzz na malaza amin'ny Fampahalalam-baovao Sosialy.

Ankoatra ny fivezivezena tsy an-kiaton'ny diplaomasia manerantany, nifantoka tamin'ny fitomboan'ireo andian'olona mahery fihetsika mitaky ny hananganana Firenena Islamika sy ny tahotra mikasika ny zava-manjò ireo Syriana vitsy an'isa ny lohatenim-baovao vao haingana tao Syria. Tsy notantarain'izy ireo ny fijaliana misesisesy niainan'ny olom-pirenena, tahaka ilay tombanana ho tifitra mpivaro-mofo iray avy an'habakabaka tao amin'ny faritra Sonita. Izany no niteraka fitarainana manerana ny fampahalalam-baovao sosialy Syriana fa misy ny heloka bevava tabatabaina ary misy kosa ny tsy raharahiana.

Manaitra ny saina momba ilay tranga iray hita maso jeren'ny gazety tafahoatra ny feo sasany amin'ny aterineto: lahatsary tafaporitsaka avy ao amin'ny miaramila Syriana. Tahaka ireo mpioko mandrakitra ny sasany tamin'ireo fitondratenany ratsy indrindra, narakitr'ireo miaramila Syriana sy milisy mpanohana an'i Assad ihany koa ny herisetran'izy ireo. Tamin'ny fihetsika sasany feno fihantsiana na iniana atao ho hafatra ampitaina, mipaka eny amin'ny vahoaka Syriana ireny sary ireny. Misy amin'ireny lahatsary tafaporitsaka ireny ahitana miaramila manitsakitsaka ireo mpanao fihetsiketsehana tsy manana fitaovam-piadiana sy ny fandrehetana balafomanga tsy misy kendrena amin'ny alalan'ny sigarany mialoha ny hanipazany azy avy eny ambonin'ny angidimby. Lahatsary iray nalaza ihany koa ny lazaina fa  famonoana olona tao Al Hiffa, tanàna Sonita any an-tendrombohitra Alaoita izay nodarohan'ireo miaramila Syriana baomba tamin'ny volana Jona rehefa azon'ny mpioko fifehezana ny tanàna. Miaramila iray mifanandrina amin'ireo olo-tsotra eny an-dalana.

Amin'ity lahatsary fohy eto ambony ity. Voadaka sy voan'ny totohondry ilay lehilahy. Metatra vitvitsy avy eo ahitana vehivavy telo, ahitana tovovavy kely iray anisan'izy ireo. Nitodika tany amin'izy ireo ilay miaramila, ka nikapoka ilay tovovavy ary nandrovitra ny voaliny, no sady nihiakiaka teny tsy fampiseho masoandro tamin'ireo vehivavy. Nilaza tamin'ilay lehilahy teo izy fa mikasa hanolana ny anabaviny. Miaramila hafa nananihany ireo vehivavy ary niantso azy ireo ho jihadista.

Some of Jihad Makdisi's direct messages to Syrian activist Rami Jarrah on Twitter

Sasany tamin'ireo hafatra mivantana nifanaovan'i Jihad Makdissi  sy ilay mpikatroka Syriana Rami Jarrah tao amin'ny Twitter

Momba ny fisintahan'ilay manamboninahitra ambony, mifanipaka ny tantara re momba an'i Jihad Makdissi, minisitra lefitry ny Raharaham-bahiny sy mpitondra teny, nandritra ny herinandro nandaozany an'i Damaskosy. Niala ve izy, maka vakansy telo volana ve izy, nosamborin'ny Hizbollah tao Beirota ve izy sa nanome vaovaom-pitsikilovana ho an'i Etazonia ao Washington? Raha niandry ity lehilahy ity hanao fanambarana izahay, indro misy resadresaka voalaza fa nifanaovan'i Makdissi sy Rami Jarrah manokana tao amin'ny Twitter, mpikatroka fanta-daza i Rami Jarrah, izay mibilaogy amin'ny solon'anarana Alexander Page.

Nampahafantatra ny fomba fisainany, sy ny fankasitrahany ny “asa an-keripon'ireo vahoaka Syriana” tamin'i Jarrah i Makdissi. Nanontany an'i Makdissi i Jarrah ny amin'ny antony nitazonan'ireo sampandraharaham-piarovana ao Syria azy sy ny fanakanana azy tsy hivezivezy talohan'ny revolisiona. Nandrisika ilay diplaomaty izy mba hiala na handray fanapahan-kevitra hentitra ny hiara-dia amin'ny vahoaka. Maro tamin'ireo resadresaka no nalefa tao amin'ny kaonty twitter @AlexanderPageSY. Mitatitra io tantara io ato [mg] ny Global Voices Online.

Mikasika ny disadisa efa mahazatra ankehitriny eo amin'ny Islamista sy ireo vondrona mpioko hafa tsy ara-pivavahana mifehy ny tanànan'i Aleppo kosa no lahatsary farany avy aminay amin'ity herinandro ity. Nanatontosa famoriam-bahoaka tao amin'ny toerana mahazatra azy ireo ao Bustan Al Qasr, faritra onenan'ny sarangan'ny mpiasa, ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Zoma tao Aleppo izay voadaroaka baomba imbetsaka hatramin'ny volana Jolay. Nanomboka niventso ny hiran'ny fihaikan'ny revolisionera izy ireo. Saingy nandà ny tsy hiara-hiventso amin'ny hira tsy ara-pivavahana ireo mpanohana ny vondrona mpiady Islamista mahery fihetsika indrindra ary niezaka nanery ireo vahoaka mba hamerimberina ny antsoantson'izy ireo manokana ho fananganana firenena Islamika. Nanaraka avy eo ny fifamaliana.

Na dia eo aza ny tatitra mikasika ny bala tena izy nampiasaina tamin'ny vahoaka, voalaza fa tsy nisy ny naratra mafy. Saingy manameloka ny herisetra ireo mpikatroka sady nampitovy ny fihetsiky ny Islamista amin'ny famoretana ataon'ny fitondrana Assad amin'ireo hetsi-panoherana milamina.

Islamic chants in Al Bustan

Hira Islamika ao Al Bustan

Momba ny lohahevitra Islamista hatrany, nampiely lahatsary misy ny lazaina fa fihetsiketseha-panoherana tao Aleppo izay mamerimberina ny hiaka hoe: “Mpangalatra ny Tafika Syriana Afaka, ny tafika ofisialy no ilainay” ny vondrona mpanohana an'i Assad sy ireo tsy mankasitraka ny Islamista. Nalefa tamin'ny fahitalavi-panjakana ny lahatsary voalohany, na dia toa simba aza ny feo ary tsy mifanaraka amin'ilay lahatsary. Fantatra avy eo fa toa nalaina tamin'ny fihetsiketsehana tao Aleppo tamin'ny volana Avrily 2011 ny tahirim-peo tamin'izany ary nalefa indray ho toy ny fihetsiketsehana manohitra ny mpioko tamin'ny volana Desambra 2012. Mety avokoa ny atao rehetra ao anatin'ny ady virtoaly momba an'i Syria.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.