Koetiana Mpisera Twitter Voampanga Higadra Roa Taona Fa Hoe Nanompa ny Emira

Fito volana taorian'ny namoahana didim-pitsarana dimy taona an-tranomaizina noho ny fanompana ny Emiran'i Koety, dia mpisera Twitter iray hafa antsoina hoe Ayyad Al-Harbi no namoahana didim-pitsarana tamin'ny alatsinainy higadra roa taona noho ny fiampangana mitovy ihany. Nanoratra sioka maro fitsikerana ny Emira sy ny fomba famoretana ny mpanao fihetsiketsehana i Al-Harbi. Araka ny didim-pitsarana (navoakan'ny Sabr online), nentina teny amin'ny fitsarana noho ny fisian'ireto teny manaraka ireto ny siokan'i Ayyad:

- Manozona ny mpanapaka managadra ny vahoakany. Manozona izay mpanapaka izay maro kokoa ny mpanohitra azy noho ny mpanohana azy.
– Ry tompokolahy avo toerana, mitranga ao amin'ny kianjan'i Erada ny firaisan'ny Koetiana tsara indrindra nefa dia ataonao lasibatra izy io.
– Inona sisa? tsy misy revolisiona, tsy misy fampandrosoana, tsy misy fahafahana, tsy misy fahamendrehana, tsy misy parlemanta, tsy midy fandrotsaham-bato, tsy misy hetsi-panoherana, tsy misy fanakianana, Andriamanitro ô, fa inona no ataonao aminay?
– Izany hoe tokony hanompa sy hanameloka ny vahoaka amin-javatra tsy misy porofo ve aho ary hilaza fa izany no fahafahana sa tokony hiteny hoe nisy nisompatra kaontiko mba hamotsorana ahy?
– Raha tsy Koetiana ianao, dia avy amin'ny Helodrano. Hiatrika famoretana sy didy jadona ary fisamborana noho ny solika kely ianao.
– Tsy tokony avela heloka ny mpamoritra sy ny mpanao didy jadona, tokony azera izy ary entina eny amin'ny fitsarana sy gadraina ary vonoina.
– Voaozona ny firenena izay tsy manakana ny alikany tsy hihinana ny fahamendrehan'ny vahoakany noho ny fanoherany fotsiny ihany.

Voampanga ihany koa i Al-Harbi noho ny nampitàny sioka ny tononkalon'ilay poeta Irakiàna Ahmed Matar mitsikera ny mpanao didy jadona. Nanoratra toy izao ihany koa ilay mpisioka rehefa nankany Jordania ny Emira hoe:

Hatramin'ny nandehanany tany Amman hanjono, nihira hiavian'ny orana ny ankizy rehefa avy nihira ny “fidarohana ny vahoaka lasa fanao” ny olon-dehibe”.

Vantany vao nambara ny didim-pitsarana dia nisioka ny tweet-ny farany i Al-Harbi:

أحبّــــّــّــك .. يا وطن !

@ayyadQ8Q8: Tiako ianao, ry tanindrazako!

Nanoratra i Al-Harbi tamin'ny 6 janoary fa telo ny vesatra miandry azy:

غداً صباحاً النطق بمحاكمتي على تهم أمن الدولة ( الطعن بالذات الأميرية / نشر أخبار كاذبة بالخارج / إساءة إستخدام هاتف ) لا تحرمونا من دعائكم

@ayyadQ8Q8: Rahampitso maraina, hivoaka araka ny vesatra napetraky ny fiarovam-pirenena ahy ny didim-pitsarana: faniratsiràna ny Emira, mampiely vaovao diso any ivelany, ary tsy fahaiza-mampiasa finday. Antom-bavakao.

Nitsikera tamin'ny famoahana didim-pitsarana izay manitsakitsaka ny zon”ny olona iray hiteny malalaka ny mpisera Twitter avy ao Koety sy avy any amin'ny firenena hafa. Nisy naman'i Ayyad antsoina hoe Hussain Al-Shammari namoaka ny sarin'i Ayyad misy hevitra hoe:

قبل يومين أخرج لي عياد الحربي السلاح الخاص الذي حُكم عليه بالسجن بسببه ، كان عبارة عن 140 حرف وأحلام ممتدة للسماء !
“@Havana_H : Roa andro lasa izay, nampiseho ahy ny fitaovam-piadiany miavaka manokana izay nahatonga azy higadra toa taona i Ayyad Al-Harbi..  tarehin-tsoratra 140 sy nofinofy manakatra ny lanitra izany.”

Namoaka ny sarin'ny pasipaoro Koetiana an'i Ayyad ny gazety an-tserasera Sabr ho setrin'ny filazana azy ho mizaka ny zom-pirenena Saodiana:

Manoratra ho firaisan-kina ny mpikatroka Ejiptiana Gamal Eid:

صديقنا وزميلنا عياد الحربي من الكويت ، حتى أمس كان يغرد معنا ، والان اضيف لقائمة سجناء الرأي رقم جديد !!

@gamaleid: Niara-nisioka tamintsika ny namana sy mpiara-miasa amintsika Ayyad al-Harbi avy any Koety mandra-pahatongan'ny omaly ary lasa mpikambana vaovao ao amin'ny lisitry ny migadra noho ny fitenenana amin'izao fotoana izao.

Monther alhabeeb, avy any Koety, izay efa nosamborina mialoha ny hetsi-panoherana iray, no namoaka sioka taorian'ny didim-pitsarana an'i Ayyad sy momba ireo mpigadra hafa any Koety antsoina hoe Rashed Al-Enizi sy Salam Al-Rujaib, izay voasambotra tamin'ny fivorian'ny famoriam-bahoakan'ny mpanohitra farany indrindra, ary ilay mpikatroka Bedoon [tsy manana zom-pirenena] antsoina hoe Abdulhakim Al-Fadhli:

كل دقيقة لكم في الزنازين تستنشقون بها حريتكم، هي تمر علينا كالساعات نتجرع بها الإنكسار. الحربي العنزي الرجيب الفضلي

@Montheralhabeeb: Ny minitra mandalo ao am-pigadrana anao no ifohanao ny fahafahanao. Mandalo tahaka ny ora ireny minitra ireny ho anay araka ny anandramanay ny fijaliana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.