- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Alaoita Mpanampy Mpitsabo Miasa Aminà Hopitaly Sionita Ao Syria

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Vonjy Voina

Ho toy ny ampahany amin'ny fiarahanay miasa amin'ny Syria Deeply [1] dia miara-mamoaka andian-dahatsoratra hakàna ny feon'ireo sivily tratra afovoan'ny fifampitifirana izahay, miaraka amin'ny fomba fijery ny fifanolànana avy amin'ireo mpanoratra manerana izao tontolo izao.

Tamin'ny dia namakivaky ny faritra fehezin'ny mpihoko tao amin'ny faritanin'i Latakia, any amin'ny faritra Jebel Turkman, nihaona tamin'i Umyara izahay, vehivavy iray Alaoita mpanampy mpitsabo, 34 taona, miasa eny amin'ny hopitaly iray any ambanivohitra. Tao Latakia, toerana tena mpanohana ny Filoha Bashar al-Assad, efa an-jato taona ireo Sionita sy Alaoita no niara-niaina. Ankehitriny, miaraka amin'ny ady mangotraka ataon'ny fitondrana tarihan'ny Alaoita sy ny Tafika Malalaka Siriana tarihan'ny Sionita ny betsaka, maro no matahotra ny mety hiparitahan'ny fifankahalàna eny amin'ireo sivily amin'ny alàlan'ny fitsitokotokona ara-pinoana.

Ilay mpanampy mpitsabo, izay nangataka taminay tsy hamoaka ny anarany feno na ny sariny, dia niteny teo amin'ilay tranokely ambany tohatra ivelan'ny efitrano vaovao fandidiana ao amin'ilay hopitaly, naorina avy amin'ny fanohanan'ny ONG Amerikana roa misahana fitsaboana. Nandray anay niaraka tamin'i Dr. Mohammed, ilay Sionita “orthopédiste” mpandidy ny resaka vanin-taolana, izay lehibeny sady filohan'ity hopitaly ity.

20 andro teo izao no nisokafan'ilay hopitaly; ny sampana fandidiana dia napetraka any amin'ny rihana ambanin'ny tany ho fiarovana azy, satria iharan'ny zera baomba mavesatra sy ny tifitra bala afomanga ataon'ny tafi-panjakana ilay faritra.

Saingy ny zava-misy mbola mitoetra dia ny hoe mety hiala amin'ny toerany i Assad,  mety hiatrika valifaty avy amin'ireo Sionita tezitra ireo sivily Alaoita toy ny Umyara. “Tena matahotra tokoa aho ny amin'ny ho filaminako aorian'ny fianjeran'i Assad,” hoy ilay mpanampy mpitsabo, na eo aza ny fanomezan-toky avy amin'ireo mpitarika FSA ao an-toerana.

Amin'izao fotoana aloha, ao anatin'ny rindrin'ny hopitaly, tsy mahita fahasamihafàna i Dr. Mohammed.

“Sionita no ankamaroan'ireo mararinay, saingy tsy olana aminay raha misy olona iray tonga miditra ka hoe Alaoita… io no antony nihaviany miara-miasa aminay.”

Isanandro, hoy izy, ny mpiara-miasa aminy dia misafo marary 20 hatramin'ny 25, ny ankamaroany dia naratra an'ady daholo. Andro vitsy lasa izao, nitsabo marary iray voan'ny homamiadana izy ary nahita ireo sasany tratry ny diabeta sy fiakaran'ny tosidrà. Saingy tsy manana ny fanafody na ny ho enti-manana hiatrehana araka ny tokony ho izy ireny marary ireny ilay hopitaly – ampahany amin'izay soritany amin'ny hoe olana iray ho an'ny fitsaboana aretina manokana, izay mahazo saika ny tanàna Siriana rehetra mihitsy ankehitriny.

Rehefa nihaona izahay, vao avy nandidy indrindra ilay dokotera, fandidiana tanora mpihoko iray izay rotiky ny loza nateraky ny fipoahana ny tanany .

Ambaran'ilay mpanampy mpitsabo fa amin'ny maha-mpiady Sionita azy, dia tokony ho hafa ny fomba hitsaboana azy, tsara, raha tany amin'ilay hopitaly taloha nisy azy notohanan'ny fitondrana. “Miasa eto manampy ny vahoaka aho izao, ny olona rehetra. Tany aloha, natokana fotsiny ho an'ireo Alaoita ny fitsaboana.”

Any amin'ny Hopitalin'i Assad, mety hitsabo ny Sionita ry zareo, “saingy aorian'izay, tonga ny miaramila ary maka azy ireny sy mitondra azy. Io no nitranga hatramin'ny niandohan'ny revolisiona, nanomboka ny Martsa tamin'ny taona lasa. Mahatsiaro maivamaivana ery aho miasa amin'izao fotoana”.