Espaina: Mpisioka Twitter Nampanantsoina Tany Amin'ny Komisarià Fa Nanonona an'i Antonio Gramsci

[Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra amin'ity lahatsoratra ity, raha tsy misy ny fiovana.]

Voantso teny amin'ny borigadin'ny polisy misahana ny heloka ara-teknolojika ilay mpiserasera, sady mpikatroka ny hetsika @almu_en_lucha  mba hanazava mikasika ireo votoatin-tsioka sasany nalefany. Nambarany izany alohan'ny nandehanany tany :

@almu_en_lucha : Andeha hanome fanazavana mikasika ny sasany tamin'ireo siokako aho.

Roa ora taty aoriana, hoy izy nanoratra :

@almu_en_lucha : Avy nivoaka aho. Nampangain'izy ireo ho nanoratra sioka mahery setra aho. Tena nampihomehy mihitsy, anisan'ny ohatra noraisin'izy ny tenin'i Gramsci !

Azavain'i As almu, izay mpikatroka malaza, ao amin'ny siokany fa nampangain'ny polisy ho nampiasa tambajotra sosialy izy mba hizarany hafatra mahery setra, nefa ny sasany amin'ireo sioka ireo dia avy amin'ny notenenina na nosoratan'i Antonio Gramsci, filôsôfy sy mpanao gazety Italiana ary teorisianina Marksista.

Antonio Gramsci

Antonio Gramsci

Mpanao gazety Joaquín Estefanía, talen'ny sekoly momba ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny Universidad Autónoma ao Madrid, namoaka lahatsoratra momba ity filôzôfy italiana ity tamin'ny taona 2010:

Ireto teny ireto no namehezan'i Fernández Buey ny sasintenin”ilay Taratasy avy any am-ponja : « Azo vakiana ho fianatra ny taratasy. Ary ireo taratasy nosoratany hatrany am-ponja kosa raisina ho tahaka ny tahirin-kevitra ara-tantaran'ny ny voina mampahonena nahazo ny komonisma tamin'ny taonjato faha-20, sy tahaka vavolombelon'ny fiaretana naharitra am-polony taona nampisy fiovana teo amin'ny maro. Tahaka ny pejy iray ao amin'ny boky fotsinh'ny idealy iray. »

Fotoana vitsivitsy taty aoriana no tonga ny fiantraika mahavarianan'ny aterineto, antsoina hoe fiantraika Streisand [FR], ka misampotina mankany amin'ny nanao azy ny fiampangana. Noampangaina ny fandrahonana fahalalaham-pitenenana nataon'ny polisy sy ny fikendreny hampitahotra ny mpikatroka. Nanjary tenifahatra malaza manerantany ny #Gramsci. Tsy vao sambany no nihatra tamin'ny mpampihatra lalàna espniola ny zavatra tahaka izao; ny andro nisehoan-dry zareo nanambarana tamin'ny mpampita vaovao ny nisamborana ny mpitarika ny Anonymous tao Espaina, dia nivadika tantara mampihomehy ny raharaha.

@manelmarquez : Vakio ! Mianara ! Antonio #GRAMSCI (1891-1937) Taratasy avy any am-ponja : http://www.rebeldemule.org/foro/biblioteca/tema7891.html noho i @almu_en_lucha dia azontsika ny tahirin-kevitra.
@robertolpzdmz : Raha maha-te-hamaky an'i Antonio #Gramsci ity raharaha ity dia misy ny lafy tsarany. Nitifitra ny tongony ny fitondrana.
 ‏@Anon_Info_Ops : Miara-dia amin'i @almu_en_lucha, nantsoina hanazva eo anatrehan'ny governemanta espaniola noho ny nisiahana ny tenin'i #Gramsci izahay
@SpainRevolt : @almu_en_lucha sy #Gramsci tantara tsy miova hatrany, misy ny olona mamaky teny ary misy ny tsy mamaky teny ka zary matahotra. Tena mampidi-doza ny tsy-fahalalàna, ry andriamtoa isany ka mba mamakia !
@Akratamondo : Misy olona mamaky, manonona ary miresaka #Gramsci amin'ny Twitter ! Fanairana mena !  ‏

‏@ElCheDisparaba : Ankehitriny dia fihetsika mifono herisetra ny manonona #Gramsci ao Espaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.