10 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 10 Janoary 2013

Nahita Zava-baovao amin'ny Ifandraisan'i Porto rico sy Corse ireo Mpianatra

  10 Janoary 2013

Manana fifandraisana izay somary nampatsiahivana matetika nandritra ny fandaharam-pianarana nokarakarain'ny Oniversiten'i Porto Riko i Porto Riko sy i Corse. Ankoatra ireo endrika iraisana, toy ny jeografia sy ny fiavahana eo amin'ny fambolena (voly voasarimakirana vaventy), dia ampiraisin'ny tantara ihany koa ny nosy anankiroa hatramin'ny nifindràn’ireo Corses an-jatony nankany Porto Riko; nanomboka ny 1830.

Tsy Fahita Firy : Mpanao Gazety ao Shina Mitokona Manohitra Ny Sivana

  10 Janoary 2013

Hotsaroana ho andron'ny fanalana baraka [sitraka] an'i Faran'ny Herinandro Tatsimo [Southern Weekend], gazety nitondra ny onjam-panitsiana eo amin'ny tantaran'ny fanaovan-gazety ao Shina ny andron'ny 6 Janoary 2013. Tokotokony ho tamin'ny 9 ora sy sasany alina tany ho any ny kaonty bilaogy bitika Sina Weibo ofisialin'ny [zh] gazety no namoaka fanambarana fanambarana “Ho an'ny Mpamaky”, izay mitsipaka...

Manjavona Ireo Toerana Mahaleotena Fijerena Horonantsary Tany Japana

  10 Janoary 2013

Miala tsirairay eo amin'ny sehatry ny fandraharahana ireo toerana mahaleotena fijerena horonantsary ao Japana. Nanova ny endrik'ireo araben'i Tokyo ny onjan'ny fanakatonana ireo toerana fijerena horonantsary. Very toerana ireo olona izay zatra miaraka sy mandany fotoana tany amin'ireo teatra ntaolo ireo.

Koetiana Mpisera Twitter Voampanga Higadra Roa Taona Fa Hoe Nanompa ny Emira

Fito volana taorian'ny namoahana didim-pitsarana dimy taona an-tranomaizina noho ny fanompana ny Emiran'i Koety, dia mpisera Twitter iray hafa antsoina hoe Ayyad Al-Harbi no namoahana didim-pitsarana tamin'ny alatsinainy higadra roa taona noho ny fiampangana mitovy ihany. Nanoratra sioka maro fitsikerana ny Emira sy ny fomba famoretana ny mpanao fihetsiketsehana i...

Alaoita Mpanampy Mpitsabo Miasa Aminà Hopitaly Sionita Ao Syria

Tamin'ny dia namakivaky ny faritra fehezin'ny mpihoko tao amin'ny faritanin'i Latakia, any amin'ny faritra Jebel Turkman, nihaona tamin'i Umyara, 34 taona, izahay, vehivavy iray Alaoita mpanampy mpitsabo miasa eny amin'ny hopitaly ambanivohitra. Tao Latakia, toerana tena mpanohana ny Filoha Bashar al-Assad, efa an-jato taona ireo Sionita sy Alaoita no niara-niaina. Ankehitriny, miaraka amin'ny ady mangotraka ataon'ny fitondrana tarihan'ny Alaoita sy ny Tafika Malalaka Siriana tarihan'ny Sionita ny betsaka, betsaka no matahotra ny mety hiparitahan'ny fifankahalàna eny amin'ireo sivily amin'ny alàlan'ny fitsitokotokona ara-pinoana.

Espaina: Mpisioka Twitter Nampanantsoina Tany Amin'ny Komisarià Fa Nanonona an'i Antonio Gramsci

  10 Janoary 2013

[Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra amin'ity lahatsoratra ity, raha tsy misy ny fiovana.] Voantso teny amin'ny borigadin'ny polisy misahana ny heloka ara-teknolojika ilay mpiserasera, sady mpikatroka ny hetsika @almu_en_lucha  mba hanazava mikasika ireo votoatin-tsioka sasany nalefany. Nambarany izany alohan'ny nandehanany tany : @almu_en_lucha : Andeha hanome fanazavana mikasika ny sasany...