Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

varotra Vehivavy Iraisampirenena : Foanana Sa Arindra Ny Fampanofàna Tena? – Ampahany voalohany-

ONG roanjato avy amin'ny faritr'i Eoropa manontolo no nihaona tao amin'ny Parlemanta Eoropeana tao Bruxelles ny 4 Desambra teo. Nandefa antso iray izy ireo hanafoanana ny fampanofàna tena sady nanolotra ireo faritra iasan'ny politika eoropeana iray ho fanafoanana. Sambany izao no mba nisian'ny adihevitra toy izany tao amin'ny tranon'ny Parlemanta Eoropeana, izay mandrafitra tatitra faobe amin'izao fotoana momba ny tombana amin'ny politika eoropeana mikasika ny fampanofàna tena.

Vondrona maro mpiaro vehivavy no nanao filaharanatao Parisy nanohitra ny herisetra atao amin'ny vehivavy, tao anatin'ny hetsika fanentanana iraisam-pirenena iray. Nivoaka tamin'izany ny fomba fijery samihafa mirona amin'ny vehivavy, indraindray mankasitraka ny hamaizana ireo mpampanofa tena sy ireo mpanjifa. Sary an'i Tom Craig , fizakà-manana Demotix (25/11/2012)

Ho an'ireo mpangataka fanafoanana, ny fanaovana ny fampanofàna tena ho toy ny heloka bevava no fanalahidy hanoherana ny famarotana olona ho amin'ny fitrandrahana azy ireny amin'ny resaka filàna ara-nofo. Ho an'i Grégoire Théry ao amin'ny tranonkala Egalité, sekretera jeneralin'ny “Mouvement du Nid” : « Tsy famadihana ny fampanofàna tena ho araka ny lalàna ny fampanaraham-penitra sy fepetra fa famarotan'olona. Ny fandrindràna ny fampanofàna tena, dia fanomezana alàlana haka tombony amin'ny fampanofàn'ny hafa ny tenany ».

Ao Frantsa, izay vahiny ny 90 % amin'ireo mpampanofa tena, nanolotra volavolan-dalàna iray Ramatoa  Najat Vallaud-Belkacem Minisitry ny Zon'ny Vehivavy momba ny fanafoanana ny fampanofàna tena sy ny fiarovana ireo niharan'izany, mba hanarahana ny dian-dry zareo Soedoà. Ny tanjony dia ny « hiarovana ny ankamaroan'ireo mpampanofa tena izay voalohany indrindra dia iharan'ny herisetran'ireo tambajotra, sy mpivarotra olona“.

Ao Pays-Bas, toerana izay manaraka fandrindràna sy mahazo alàlana ny fampanofàna tena, vinavinain'ny polisy fa 50 hatramin'ny 80% amin'ireo mpampanofa tena anaty indostria ara-dalàna no terena hampanofa ny tenany.

Sarotra ny handroso antontanisa azo antoka momba ny isan'ireo mpampanofa tena iharan'ny fanondranana olona iraisam-pirenena. Etsy andaniny ireo fomba fanao entina hanisàna ireny raharaha ireny dia samihafa isaky ny firenena tsirairay. Etsy ankilany, ilay raharaha koa dia an-katakonana tanteraka mazàna no sehatra isiany ary noho ny tahotra valifaty dia sahirana mafy ireo iharany amin'ny hiampangàna ireo mpanao heloka . Any Soisa, araka ny Birao Federaly misahana ny Antontanisa, fitarainana 147 no voaray nandritra ny telo taona lasa (2009-2011) ary olona 66 monja no voaheloka ho nanao varotra olona hatramin'ny 2000.

Ao Frantsa,  fanandihadiana 60 mikasika varotra olona no nosokafana hatramin'ny 2004, ary misy tranga hafa iharan'ny fanenjehana eo ambany fomba filaza samihafa : fanerena olona hampanofa tena, fanandevozana. Tambajotranà mpanao heloka bevava efa ho efapolo no rava tao Parisy, Caen, Bordeaux na Strasbourg tamin'ny 2011 ary nahafahana nahita ireo niharan'izany : kolombiana, shinoa, ekoatoriana, nizeriana, romana ary breziliana.

Breziliana mpampanofa tena manao hetsi-panoherana eo anoloan'ny Antenimieran-doholona ao Parisy manohitra ny lalàna mandrara ny fampanofàna tena, napetrak'i Nicolas Sarkozy tamin'ny 2002. Sary an'i  Tom Craig Fizakà-manana Demotix (21/03/2012)

Araka ny vaovao vao azo avy amin'ny birao iraisam-pirenena momba ny asa nivoaka ny Jona 2012, olona 21 tapitrisa manerana ny tany no iharan'ny asa an-teivozona sy ny famarotana olona. Amin'izy ireny, 4,5 tapitrisa no trandrahana amin'ny resaka filàn'ny nofo, vehivavy sy ankizy ny ankamaroany. 880 000 no voaisa ao anatin'ny Fiombonambe Eoropeana. “Sandaina euros vitsy monja indraindray”, mampiditra “150.000 Euro afa-karatsaka eo amin'ny ankapobeny izy ireny ho an'ireo firenena tandrefana”, hoy ny Fondation Scelles manitrikitrika.

Asehon'ny Fondation Selles  fa ny varotra olona dia nahitàna fitomboana “mampahatahotra” tany Eoropa. Araka ny tatitra navoakan'ny Fondation tamin'ny desambra 2012 nomeny lohateny hoe “Fitrandrahana ara-nofo : fampanofàna tena sy heloka bevava voarindra”, izay manao tombana ny fampanofàna tena tanaty firenena 54, nalamin'ireo mpampanofa olona hanaraka “ny lasitra kapitalista fakàn-tahaka” ny famarotana olona. Ny “chiffre d’affaires” ho an'ny indostrian'ny filan'ny nofo dia tafakatra hatramin'ny 1,5 lavitrisa mahery tao Gresy (izany hoe eo amin'ny 0,70% amin'ny harin-karena faobe) ary hatramin'ny 18 lavitraisa euro ho an'i Espaina, toerana izay ahazoana alàlana sy manaraka fepetra ny fampanofàna tena, toy ny asa hafa rehetra.

Re eny anaty gazety eny ireo feo mankasitra ny fanafoanana azy ity. Re ihany koa any anaty media sosialy any.

Ny 18 desambra 2012, Christine Le Doaré, mpahay lalàna dia nirotsaka homba ny fanafoanana, tao amin'ny bilaoginy “irréductible et solidaire, féministe, quoi !hiringiriny ary miray feo, mpiaro vehivavy, izay! :

Ho an'ireo fomba fijery safidy malalaka sy ny fambolena toe-tsaina mandàla fanafoanana, mety ho toheriko aloha ny hoe mihamaro hatrany ny fijoroana vavolombelona sy fikarohana mametraka hoe marobe amin'ireo olona mpampanofa tena no niharan'ny herisetra ara-pilan'ny nofo tao anatin'ny fahazazany. […] Mety ho manohitra bontolo fotsiny ireo mpandàla ny fametrahana fepetra, hatreto, mba hanekena fa hoe ny fiarahamonintsika dia tsy manana tolokevitra tsaratsara kokoa afa-tsy ny fampanofàna tena mba hanampiana azy ireny hiarina? […] Ireo mpandàla ny fametrahana fepetra ve mba efa  nanontany tena fotsiny momba ny salan-taonan'ny fahelàna velon'ny olona iray mpampanofa tena? Voalohany indrindra, tsy tokony hieritreritra izay hiarovana ireo  olona tena marefo ve aloha ny fiarahamonina ? Ny foto-kevitry ny maha-olo-mendrika ary ny tsy fanaovana ny vatan'olombelona ho entam-barotra ve tsy efa zo tsy azo tohinina izay tokony hitoetra ivelan'ny varotra sy ny lalàna mifehy ny tsena ? ».

Fanentananan'ireo Vazimba teratany mpampanofa tena, tao Barcelone. Mpampanofa tena misaron-tava manao hetsika anoherana ny fanambaràna nataon'ny Antenimieran'ny Tanàna momba ny mety hsian'ny fanovàna ny lalàna mikasika ny fampanofàna tena ao Barcelone. Sary Pau Barrena Fizakà-manana Demotix (26/04/2012)

 

Kanefa manerana an'i Eoropa sy izao tontolo izao, ireo matianina amin'ny resaka filan'ny nofo, frantsay na vahiny, dia maneho ny tsy fankasitrahan-dry zareo ny fametrahana ireo mpisehatra rehetra ao anatin'ity fampanofàna tena ity ho toy ny olona mpanao heloka bevava. Miaraka amin'ny fanohanan'ireo hetsika mpandàla ny maha-vehivavy, takian-dry zareo ny zo ho afaka mandray fanapahan-kevitra samirery sy ny fanajàna ny zo fototr'izy ireo ary angatahany ny hametrahana sata iray matotra ho an'ny asany.

Sehatra frantsay iray ahitana ireo nahita fianarana sy mpandàla ny maha-vehivavy nivoaka tamin'ny volana Aogositra no  manambara hoe :

Tompon-tsafidy amin'izay tiany hatao na tsy hatao amin'ny tenany ny olon-dehibe tsirairay. Tsy dingana iray mitondra soa ny hamoaka didy hilaza ho tsy ara-dalàna izay hitanao ho tsy araka ny fisainana, fibolilàna mankany amin'ny fanaparam-pahefana izany. Ny fahefana politika dia tsy tokony hitsabaka amin'ny resaka fanao ara-nofon'ny olon-dehibe mifanaiky tsy an-tery. Ny laharam-pahamehana, dia ny manao ny ady hanoherana ireo mpamarotra olona ho raharaham-pirenena mihitsy sy manome ireo fitaovana ho amin'izany.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.