- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh: Jibon Tari – Hopitaly Mitsingevana Ho An'ny Sahirana

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Vonjy Voina

Firenena iray misy mponina 160 tapitrisa i Bangladesh [1] ary ny ankamaroan'izy ireny dia miaina aminà tanàna manamorona renirano. Vakivakian'ny renirano maro manana halava sy halehibe samy manana ny azy ilay firenena, ary ny ankamaroan'ireny dia mivarina daholo ao amin'ny “Bay of Bengal” any atsimon'ny firenena. Avy aminà sakelika efa ho 700 izy ireny, tafiditra amin'izany ireo rian-drano madinika samihafa – ary manome ny tambajotran-drano manana halavana 15.000 mile (24.140 km), isan'ny lava indrindra eran-tany.

Amin'io tambanjotran-drano goavana io, sambo be iray mpandeha an-drano mamy antsoina hoe Jibon Tari no nisosa nitety ireo faritra isan'ny lavitra indrindra ao amin'ny firenena, nitondra dokotera, mpanampy mpitsabo (infirmiera) ary fanafody mba hanakaiky  ny mponina izay, hatramin'izay, tsy nanana fahafahana mahazo fikarakarana ara-pahasalamana tahaka izany.

Nalaina avy amin'ny tononkalo nosoratan'ilay Bengali mpanoratra, Rabindranath Tagore [2] , ny anarana hoe Jibon Tari [3], midika hoe “Sambo mitatitra aina”. Hopitaly mitsingevana izy ity, ny voalohany tamin'ny karazany ao Bangladesh. Nanomboka ny diany izy  ny 10 Aprily 1999, avy any amin'ny moron-dranon'i Mawa any amin'ny distrikan'i Munshiganj. Ny vina nanetsika dia ny hanàngana hopitaly izay afaka entina manatona ireo olona mila izany any amin'ny toerana izay mampalahelo manokana ny fahafahana miditra amin'izany resa-pitsaboana izany.

[4]

Jibon Tari dia niantsona tany akaikin'ireo tanàna lavitra, nitondra mpitsabo, mpanampy mpitsabo sy fanafody. Sary natolotry ny pejy Facebook  “Impact Foundation Bangladesh”.

Ny mamatsy ilay sambo dia ny Impact Foundation Bangladesh [5], izay sampana iray an'ny fikambanana miahy ny maha-olona ao Londona, misahana manokana ny fanampiana amin'ny fitsaboana ireo sembana any amin'ny tany an-dalam-pandrosoana.

Ny Jibon Tari dia sambo tsy misy milina manodina azy ary ahitàna rihana telo, tarihana sambo mpirtarika miala amin'ny toerana iray mankany amin'ny iray hafa. Asiana ireo fitaovana maoderina fampiasa amin'ny hopitaly izy mba hanomezana fandidiana sy fitsaboana mendrika ary takatr'ireo olona an'aliny tsy mba nahita izany. 40mn  X 10 mn ny habeny, misy trano fandidiana ahitàna latabatra fandidiana miisa telo sy fitaovana fandrindràna ny rivotra, efitrano iray misy farafara telo fandraisana  ireo avy nodidiana, efitrano tambabe iray ahitana farafara 12, fitaovana fitarafana amin'ny taratra X ary laboratoara fitiliana.

Misy ihany koa klinika natao ho an'ireo marary ivelany sy zavatra rehetra ilaina ho an'ireo marary tsy maintsy mijanona ao amin'ny hopitaly, ary toeram-panofanana raitra. Misy izay ilaina rehetra ho an'ireo mpitsabo, mpanampy ny mpitsabo, ireo mpandidy tonga mivahiny hanampy ary ireo mpanohana hafa mitoetra ao ihany koa ilay sambo. Nasongadina tao amin'ny CNN ilay fandraisan'andraikitra. Ity ny lahatsary iray avy amin'ny rako-baovao nataon'ny CNN [6].

Ny bilaogy HelpThemSmile dia nizara ny tantaran'i [7]Mita, ankizivavy iray sima,  avy aminà fianakaviana tantsaha iray mahantra, izay notsaboina tao amin'ny Jibon Tari:

Indray andro izy (ny rain'i Mita, Fazlul Haque, tantsaha iray mahantra) dia nahafantatra tamin'ny alalan'ny tomponà toeram-pivarotana fanafody iray fa misy sambo hopitaly any ananona any mitsabo sy manitsy maimaim-poana io karazana tsy fetezana io … Azony ny toerana nisy ny Jibon-Tari, tao  Chamrarghat distrikan'i Kisoregonj. Taitra indray mandeha indray anefa i Fazlul Haque satria lavitra be ilay izy, 500 kilometatra eo ho eo miala amin'ny toerana onenany. Tapakevitra indray ny hanàndrana, mba ho an'ilay zanakavaviny, indray maraina nanainga ny diany niaraka tamin'ny zanany vavy izy ho an'ny Chamrarghat.

Nijery an'i Mita ilay dokotera am-perinasa tao amin'ny Jiban Tari ary nilaza tamin'ny rainy fa azo tsaboina amin'ny alàlan'ny fandidiana izy…Natao ny fandidiana ary nesorina ny zaitra herinandro taty aoriana. Safononoky ny hafaliana i Fazlul Haque rehefa nahita ny endriky ny zanaka malalany niova.

[8]

Ireo dokotera eo an-databatra fandidiana. Sary natolotry ny tranonkala Impact Foundation Bangladesh.

Aussi Bangla Smile [9] dia andianà infirmiera (mpanampy ny mpitsabo), mpandidy sy mpampatory avy any  Australia izay nandeha tany Bangladesh hanatontosa iraka fandidiana ireo marary sima sy bàda lela ao Bangladesh. Ireo mpikambana ao amin'ny tetikasa Aussi Bangla Smile dia nampiasa ny filantsasatr'izy ireo isan-taona mba hijerena fotoana ho an'ireny iraka ireny, ary na dia nandoa ny lany rehetra avy any am-paosin-dry zareo aza [10]. Nitàna andraikitra goavana ihany koa ry zareo tamin'ny famoriana vola hahazoana ireo fitaovana fitsaboana sy kojakoja samihafa.

Miteny ny tantaran'ny [11] fomba nanovàn'ny tarika Aussi Bangla ny fiainan'ny zazavavy kely iray tamin'ny nandidiana azy tao amin'ny hopitaly Jibon Tari noho izy sima ny Dr. Hasan Sarwarof:

Vantany vao teraka niaraka tamin'ny vava sima sy ativava tsy ara-dalàna, Marium, izay vao angamba iray andro monja no nahaterahany, dia nariana tany anaty fiara fitateram-bahoaka. Mpandeha vitsivitsy no nahatsikaritra azy, ary avy eo dia ny polisy no nametraka azy tany amin'ny toerana fitaizana zaza kamboty tao Mymensingh, Bangladesh.

Nisy namana tsara [..] nitondra an'i Marium ho ao amin'ny tariky ny Aussi Bangla Smile tao amin'ilay hopitaly mitsingevana Jibon Tari izay làlana ora roa miala avy amin'ilay toerana fitaizana zaza kamboty… Tamin'ny fotoana nanaovana ny fandidiana azy, teo amin'ny dimy volana teo i Marium. Noho ny fahasembanany dia tsy afaka nisakafo araka ny tokony ho izy i Marium. Tsy ampy rà, tsy ampy sakafo ary tsy nilanja afa-tsy 4 kg monja izy.

Dr Sarwar no nanao ny fandidiana. Nizotra tsy nisy nanohintohina ny fiverenan'ny fahasalamany taorian'ny fandidiana, ary ny ampitso marainan'io dia toy ny faly ery i Marium sady nanomboka nitsiky, izay nahadona ny fon'ireo rehetra nanodidina azy.

Ny lehiben'ny tarika, Judy Barlow, sy ireo sisa tao anatin'ny tarika dia samy tohina avokoa ka nanapa-kevitra ry zareo fa hiantoka an'i Marium hatramin'ny faha-10 taonany. Folo tamin'ireo mpikambana tao amin'ilay tarika no avy hatrany dia nanolotra 360 Dolara Aostraliana (27,720 Taka / 286 Euro) hiantohana ny fandaniana aminà ronono sy filàna hafa mandritra ny herintaona.

Hatramin'ny nanombohany, ny Jibon Tari dia nanao fitsabona vonjitaitra ho an'olona mitontaly 377.416. Marary 31.099 no niatrika fandidiana ka tao anatin'izany ny momba ny vanin-taolana, ny fandidiana fanovàna endrika, ny maso sy orona, sofina sy tenda. Fitiliana karazana aretina 70.853 no vita. Fitiliana marary niisa 16.760 tamin'ny taratra X no nefaina. Marary 19.090 no nahazo ‘lentilles intra-oculaires, na Intra Ocular Lenses (IOL) napetraka any anatin'ny mason-dry zareo nandritra ny Fandidiana Katarakta. Marary miisa 7.548 no nahazo fitsaboana “physiothérapie”, 335.381 nahazo torolàlana momba ny fiatrehana ny fahasembanana. 2.376 no nahazo fiofanana momba ny fikarakarana fahasalamana mialoha sy aorian'ny fahaterahana ary ny ‘reny ieren-doza’. Mpiasa 1.849 avy aminà ONG, mpampianatra an-tsekoly sy mpitarika vondrom-piarahamonina maro no nahazo fiofanana momba ny fanjarian-tsakafo sy ny fifandraisan'izy ireny amin'ny fahasembanana. (Loharano [3])

Nitsidika ilay hopitaly i [12] Andrina Schwartz ary nizara ny fahatsapany tao anaty lahatsoratra iray nomena ny lohateny hoe ‘Sambon'ny Fanantenana’ :

Ilay hopitaly mitsingevana dia tahaka ireo tranobe misy rihana telo ihany rehefa tarafinao avy lavitra. Saingy rehefa tonga eo akaiky ianao, tonga saina ianao fa hay ity izy ka tsy mifandray amin'ny tany akory – mipetraka eo afovoan'ny renirano iray voahodidina tanimbary izy io. [..]

Hijanona eo amin'ny toerana misy azy amin'izao fotoana ny Jibon Tari mandritra ny 3-6 volana. Mandritra io fotoana io, ho sitrana ireo aretina tsotsotra rehetra, hiverina ny fahitàna, voatsabo ny bingo, ary ho eny imolotr'ireo sima taloha ny tsiky. Hamerina ny  fanantenana ho an'ireo olona any ambanivohitr'i Bangladesh izany rehetra izany.