08 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 08 Janoary 2013

varotra Vehivavy Iraisampirenena : Foanana Sa Arindra Ny Fampanofàna Tena? – Ampahany voalohany-

  08 Janoary 2013

ONG roanjato avy amin'ny faritr'i Eoropa manontolo no nihaona tao amin'ny Parlemanta Eoropeana tao Bruxelles ny 4 Desambra teo. Nandefa antso iray izy ireo hanafoanana ny fampanofàna tena sady nanolotra ireo faritra iasan'ny politika eoropeana iray ho fanafoanana. Ho an'ireo mpangataka fanafoanana, ny fanaovana ny fampanofàna tena ho toy ny heloka bevava no fanalahidy hanoherana ny famarotan'olona ho amin'ny fitrandrahana azy ireny amin'ny resaka filàna ara-nofo. Kanefa manerana an'i Eoropa sy izao tontolo izao, ireo matianina amin'ny resaka filan'ny nofo, frantsay na vahiny, dia maneho ny tsy fankasitrahan-dry zareo ny fametrahana ireo mpisehatra rehetra ao anatin'ity fampanofàna tena ity ho toy ny olona mpanao heloka bevava,takian-dry zareo ny zo ho afaka mandray fanapahan-kevitra samirery sy ny fanajàna ny zo fototr'izy ireo ary angatahany ny hametrahana sata iray matotra ho an'ny asany.

Banda, Filoha Zambiana Teo Aloha Miresaka Ny Fahareseny Tamin'ny Fifidianana 2011

  08 Janoary 2013

Nanambara ny Filoha Zambiana teo aloha Rupiah Banda, avy amin'ny antoko MMD, izay resin'ny filoha ankehitriny, Michael Sata avy ao amin'ny Mandan'ny Tia Tanindrazana (Patriotic Front (PF) tamin'ny fifidianana 2011 fa tsy nanohitra ny valim-pifidianana izy satria tsy tiany hiatrika ady ny firenena, raha toa kosa ka nivonona tamin'izany ady izany...

Nitsoaka Tao Amin'ny Tafik'i Assad Aho Omaly

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady.. Resadresaka nifanaovan'i News Deeply sy tovolahy iray 20 taona nitsoa-pahanaa tao amin'ny toby miaramilan'ny tafika Syriana ary nanatevin-daharana ireo mpioko ity eto...

Bilaogera Ivoariana Mitsikera Ny Fomba Nifehezan'ny Fitondrana Ilay Saritaka Tao Abidjan

  08 Janoary 2013

Navotsotry ny polisy ireo Bilaogera Ivoariana Mohamed Diaby sy Cyriac Gbogou rehefa avy notànana vonjimaika. Nandray anjara tamin'ny fananganana sehatra vonjy taitra hamonjena ireo niharam-boina tamin'ny fifanosehana tao Abidjan tamin'ny 1 Janoary 2013 izy roa lahy ireo. Saingy tamin'ny 4 Janoary 2013, nosamborina izy ireo taorian'ny fiampangana azy ho mitsabaka amin'ny ezaka ofisialy famonjena...