Espaina: Taona Vaovao, Fanamby Vaovao, Rafitra Vaovao

[Amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity.]

« Tratry ny taona 2013 ! Taona hanavaozantsika ny rafitra». Tamin'ny alin'ny faran'ny taona, izany no sioka voalohany nalefan'i Partido X, Partido del Futuro [« Parti X, Antoko Vaovao»], antoko politika vaovao izay niditra tamin'ny aterineto espaniola tamin'ny fomba manaitra sy mahavariana. Tao anatin'ny roa andro ary sioka 13 fotsiny, efa nahatratra 2500 sahady ny mpanaraka azy tao amin'ny Twitter.

Namoaka karazana dokambarotra ny @Partido_X ary nampahafantatra azy ho toy ny «hetsiky ny olo-tsotra mikendry ny hanala ny parlemanta ». Tamin'ny fomba kanto sy fitantarana mampatsiahy horonantsarimihetsika fahiny, nilaza izy ireo fa avy amin'ny hoavy nahitana ny fandresen'ny « ny démokrasia, ny vanim-potoana ».

Toy ny fanambanana ady amin'ireo antoko mahazatra izany, nampanantena ny Partido del Futuro [Antokon'ny Hoavy] ny hitondra volavolam-pampandrosoana amin'ny talata 8 janoary, fa amin'izay fotoana izay no hanokafany ho hitan'ny rehetra ny habaky antokony ho hita amin'ny aterineto. «Miala tsiny izahay raha mampiandry anareo hatramin'ny talata 8. Zava-dehibe ny tsy matoky antoko politika. Misaotra amin'ny tsy fatokisanareo. », hoy izy ireo tamin'ny tambajotra sosialy.

Partido del Futuro España

Fango sy sarin'ny antoko, nalefa tao amin'ny pejy Facebook-ny.

Olona samihafa an-jatony latsaka eo ary monina manerana ny firenena, ao Catalonina, Valence, Andalozia, Madrid, Navarre na la Galice no voaangon'ny antoko politika vaovao, izay efa nisoratra anarana tao amin'ny rejistran'ny minisiteran'ny Atitany tamin'ny 17 desambra. Tamin'izany, tsy mampiseho anarana ireo mpanohana mba tsy hijeren'ny olona ny anarany na zavatra hafa, ary koa mba hialàna amin'ny fombam-politika mahazatra. « Miasa ho antsika isika ary mbola tsy nanao izany mihitsy isika », hoy izy ireo. Niala tamin'ny 15M ihany koa izy ireo, hetsika espaniola niarahan'ireo Tafintohina, na dia mifanaraka amin'ny hafatra sy ny fitakian'ity hetsika ity roa taona lasa aza izay ny hafatra sy ny hetahetan'ny antoko.

Tamin'ny alalan'ny vazivazy no nampitomboana ny misitery sy ny fitaintainana, nahavita niteraka adihevitra ny Antokon'ny Hoavy ary nampiteraka fanaitairana tao amin'ny aterineto. Fitsidihana 17 000 no hita tamin'ny filazana ary ahitana mpikambana 900 sahady ny pejy Facebook. Fanampin'izany, nahatonga ny fiterahan'ireo antoko (tsy tena izy) hafa marobe izany izay mifamaly amin'ny fomba feno esoeso: ny Partido Z, ny Partido V, ny Partido Y, ny Partido A, ny Partido W, ny Partido THC na ny Partido OBDC [obedece, « manaiky »], raha tsy hilaza aga-tsy ohatra vitsy.

@partido_z :  @Partido_Z handray andraikitra amin'ny fanoherana ny @Partido_X

@partido_a :  Na @Partido_X, na @Partido_Z, na @Partido_y, na @Partido_XD, na @Partido_W… SATRIA IZAHAY NO VOALOHANY

@partido_vv: @partido_a @Partido_X @Partido_Z @Partido_y @Partido_XD @Partido_W Tonga ny mendrika indrindra : « Izaho no voalohany, izaho no voalohany ». Omaly, tsy hita ianao!

@partido_y : Miala ny @partido_x @partido_z y @partido_v ! Ho ela velona ny @partido_y !

@zmartes : @partido_x @partido_v @partido_z @partido_mdma fa misy inona? extraterrestre daholo ?

@piruletaklo : Mahasosotra! Roa andro tsy misy finday ka rehefa tafaverina ianao, maniry be toy ny holatra ireo antoko. @Partido_Z @Partido_X @Partido_y @Partido_xy @Partido_yx #wtf?

Niteraka tsikera sy ahiahy an-tserasera marobe ny Partido X, ankoatra ny hafatra fiarahabana. Indreto ohatra tamin'izany:

@guerraeterna : Ratsy fiainga ny Partido X (sic) miaraka amin'ny fango (sary famantarana) mitovy amin'ny sekta sy ny lahatsary mampatahotra.

@huyelobo : « Fitaovan'olo-tsotra ny Partido X … ka» aoka marina e, mandehana misikotra anareo  amin'ny USB.

@2bassileo : « Partido X »… Tsy tahaka ny manomboka sarimihetsika anie ny mampahafantatra antoko politika. Tsy ampy ny “teaser”. Tiako ho fantatra ny votoaty ary tiako ho fantatra izay miafina ao ambadiky ny antoko.

@jordiaros : Tena toa tsara, tena tsara ity tantaran'ny @Partido_X ity. Andeha hihomehy tokoa isika, fa tsy toy izany “ry zareo”… #AbajoElRégimen #15M

@yorchez : Hiandry ny 8 janoary aho mba hahita raha tena fiovana tokoa ny @Partido_X.

@rubenmartinez : Ho feno traikefa ara-politika ity taona ity. Koa satria efa ho avy izany, saingy manantena fa hanaikitra tsara izany. Tonga soa ry @Partido_X, hihaino anareo izahay amin'ny 8 janoary.
@hibai : Hahaliana tokoa ny momba ny @Partido_X raha hilaza izy ireo fa ny anton'ny anarana dia noho ny maha-mpanao porno azy ireo. #CicciolinaReloaded

 

Nampanantena ny antoko fa tena matotra izy ireo, ka amin'ny 8 janoary no hanokatra ny lamba[-mbaravarana na lamban-tsehatra] hanolotra ny volavolam-pampandrosoana sy ny maodelin'ny “demokrasia, vanim-potoana”, tsy mila mpanelanelana, amin'izay fanirian-dry zareo : Ny hany nolazain-dry zareo hatramin'izao fotoana izao dia hoe ho drafitra ifandrimbonana izy io ary ho afaka handray anjara avokoa ny daholobe.

« Tsy tonga hampanantena zavatra anareo izahay. Fa tonga hanolotra nareo fitaovana hanovàna ny zava-misy ankehitriny tsy misy endrika intsony,» hoy ny fanazavan-dry zareo Nanambara izy ireo fa ny hamerina indray ny fahefana ho eny amin'ny vahoaka.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.