- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampisara-Kevitra an'i Bollywood ny Tononkiran'i Honey Singh

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Nofoanana ny fampisehoana taombaovao saika ataon'ilay mpiangaly rap Indiana Punjabii antsoina hoe Honey Singh taorian'ny fitakiana antserasera [1] nivezivezy tao amin'ny fifampitam-baovao sosialy. Teraka tao anatin'ilay raharaha fanolanana tao Delhi [2] ny fitakiana antserasera natao tao amin'ny habaka change.org . Miantso ny hanafoanana ny fampisehoan'i Honey Singh  ao amin'ny hotely iray ao Gurgaon, Delhi ilay fitakiana.

Olona 2.633 no efa nanasonia ny fitakiana.  Navoaka ihany koa ny Tati-baovao santatra ho fanoherana an'i Honey Singh [3] ao Lucknow noho ny tononkira manohintohina.
Hoy ny voalaza ao amin'ny fitakiana [1]:

Andeha hatsahatra ity tononkira manasaritaka izay mifantsika ao an-tsain'ny olona tsy dia mahalala tsara sy manamari-tena amin'ny maha-ara-drariny ny heloka mikasi-tanana ny hafa, indraindray mahafaty mihitsy rehefa tafahoatra!

Honey Singh, 28 taona (fantatra ihany koa hoe Yo! Yo! Honey Singh [4]) no mpanakanto Indiana mandray volabe indrindra [5]. Izy no nihira tao ambadika tamin'ireo horonan-tsarimihetsika Bollywood vao haingana toy ny ‘Khiladi 786′, ‘Cocktail’ sy ny ‘Luv Shuv Te Chicken Khurana’. Maro ny hirany no mipaka avo any amin'ny pop Aziatika.

Taorian'ny fitakiana, nahazo mpijery iray tapitrisa [6] mahery ny hira vaovao [7]n'i Honey Singh miaraka amin'i Jazzy B [8] ‘The Party Getting Hot’. Tamin'ny 28 Desambara no namoahana azy tamin'ny aterineto.

Araka ny filazan'ny Lahatsoratra Santatra [6]:

“Firenena 150 mahery no nitsidika ny lahatsary hatramin'izao. Voasokajy ho lahatsary Laharana Voalohany  be mpijery indrindra ao amin'ny Youtube ao India izy. Anisan'ny lahatsary 5-Voalohany be mpijery indrindra ao Angletera, Kanada, Aostralia sy Nouvelle-Zéalande izany tao anatin'izay andro vitsy izay”.

Tezitra mafy [9] ilay mpanoratra sy mpamorona horonan-tsarimihetsika nahazo loka, Gautam Chintanami :

Mitondra ny lohateny hoe T****o Vol. 1 (Vagina Vol. 1) ny iray amin'ireo hirany manokana voalohany ary na dia tsy milaza mazava ny tononkira aza ny lohateny, izay sahisahy loatra amin'ny fomba fisainana, dia tahaka ny zavatra hoe: Aja teri ch**t maroon, Tere sar se ch****y ka bhoot utaroon, Ch*****7 ke baad tujhe joote maroon, Tere mooh mein apna l***a de ke m***h maroon (Avia andao h****y mandra-pahaleonao, Mikapoka anao amin'ny kiraroko rehefa avy m****y aminao ary avy eo atsofoko ao am-bavanao ny b*****ko dia a****ko ny ***.

Noho ny fahatezeram-bahoaka tamin'ilay tranga fanolanana niseho tao Delhi, mpisioka twitter Indiana nametra-panontaniana momba ity tononkira miendrika herisetra, tsy tia vehivavy ity.

@RamaNewDelhi [11] Mahatonga ny Indiana hankahala ny vehivavy ve i HoneySinghs sa vokatra avy amin'ny fiarahamonintsika ny olo-malaza tahaka azy sy ny tononkira mankahala vehivavy ?

@BDUTT [13] Manohana ny hetsika manohitra ny resa-betaveta maharikoriko an'i Honey Singh aho, saingy mba afaka hitarintsika amin'ny fankahalana vehivavy amin'ny sinema, dokambarotra sy fahitalavitra ve ny hatezerantsika azafady?

@MirzaWaheed [17] Tsy afaka manafoana ny HoneySingh [18] ianao na ireo izay mandihy amin'ny mozikany manokana mankahala vehivavy, saingy fanombohana tsara kosa ny fanoherana ny fampisehoany.@Raheelk [15]

Vitsy ireo Bollywood no tsy miombon-kevitra amin'ny fandraràna ny tononkiran'i Honey Singh. Anisan'izany i Chetan Bhagat, [19] mpamorona tantara enina nahitam-pahombiazana.

@chetan_bhagat [21] Momba ny fahalalahan'ny mpanakanto ny hosodokon'i Hussain ho an'ny sasany. Te handràra an'i Honey singh ireo olona satria tamin'ity indray mitoraka ity dia nampahatezitra azy ireo izy.

@shunalishroff [24] chetan_bhagat tsy misy ny maha-mpanakanto raha tononkira misy herisetra sy pornografika no hiràna ka miantso izany ho mozika. #yoyohoneysingh [25]

Nametra-panontaniana tamin'i Anurang Kashyap [26], mpanatontosa sarimihetsika ihany koa ny twitterati mikasika ny fifandraisany arak'asa amin'i Honey Singh.

https://twitter.com/ankash1009/status/284518233892089856

@ankash1009 [27] @mildacidtrip [28] ny tarigetrako dia mila esorina ao anatin'ny fananam-bahoaka ny tononkirany. Tsy mahita fomba hafa aho

@ankash1009 [27] @amritabhinder [29] tsy karazana Talibana hafa ve ianao.. Ahoana no hanapahanao hevitra hoe inona no tokony ao anatin'ny fananam-bahoaka. Ao anatin'ny fananam-bahoaka ny porno.

@crazyabtsrk [30] @amritabhinder [29] Tsy misy olona mahafantatra momba izany hira izany. Izaho tena tsy mahafantatra. Ka ahoana no ahafantaranao izany?

@crazyabtsrk [30] satria na fantatrao izany na izy malaza be. Na dia miara-miasa aminy aza ny olona tahaka an'i Anurag Kashyap.

Gautam Chintamani [9] nametra-panontaniana momba ny andraikitry ny fiarahamonina ao Bollywood.

Ny fanontaniako dia ny hahafantatra raha vonona hamela malalaka an'i Yo Yo Honey Singh ny Bollywood  ka tsy hanome tsiny ireo tononkirany vao haingana, ka mba matotra ve izy ireo mikasika ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy?…Amin'ny fitakiana ho liberaly, tsy manaiky hiantso ny saka ho saka izahay raha tsy misy ny adihevitra tsy manam-pitsaharana noho ny tahotra mihaona amin'ireo olona tsy misaina. Ary amin'izany, misy olona mila adihevitra tokoa ve mba hahafantatra hoe iza no tena ratsy indrindra eo amin'ny ‘Main Zandu Balm Huee’ sy Honey Singh’s ‘Ch***ey key baad tujhe jutey maroon (Mively anao miaraka amin'ny kiraroko rehefa avy m****y aminao)?