07 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 07 Janoary 2013

Mitagataga & Depardieu any Rosia

Tamin'ny 3 Janoary 2013 i Vladimir Putin no nanasonia [ru] sombin-dalàna sivy vaovao (mifandraika amin'ny fifindra-monina ny ankamaroany) sy ny iray fanasoniavana ny didy fampiharana ny fanomezana zom-pirenena [ru] Rosiana ilay mpilalao sarimihetsika frantsay Gérard Depardieu. Tsy manaitra loatra raha ity zava-nisy farany ity no tena noresahan'ny bilaogera sy ny mpanao gazety, na dia ekena...

Espaina: Taona Vaovao, Fanamby Vaovao, Rafitra Vaovao

  07 Janoary 2013

[Amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity.] « Tratry ny taona 2013 ! Taona hanavaozantsika ny rafitra». Tamin'ny alin'ny faran'ny taona, izany no sioka voalohany nalefan'i Partido X, Partido del Futuro [« Parti X, Antoko Vaovao»], antoko politika vaovao izay niditra tamin'ny aterineto espaniola tamin'ny fomba manaitra sy...

Fanomezan-Tsiny Ireo Niharan'ny Fanolanana Ao Kambodja

  07 Janoary 2013

Raha misy ny fahatezerana sy ny fiihetsiketsehana mieli-patrana lehibe ao India ho fihetseham-po noho ny fahafatesan'ilay tovovavy niharan'ny fanolanana nataon'ireo jiolahimboto, mifanohitra amin'izany kosa ny toe-javatra ao Kambodja, satria vitsy ny hetsi-bahoaka manoloana ny tranga fanolanana. Tsy dia omen-danja ny tranga fanolanana na dia eo aza ny tatitra nataon'ny Fikambanana...

Manampy Ny Keniana Hampibaribary Ny Hosoka Amin'ny Maha-mpikambana Anaty Antoko Politika Ny Teknolojia

  07 Janoary 2013

Satria miomana hiatrika fifidianana izay ho filoham-pirenena ry zareo Keniana ato anatin'ny 90 andro, noporofoin'ny teknolojia ny sady maha-namana no maha-fahavalo azy ho an'ireo maro mpanao politika: Nivoitra tamin'izany àry fa tao amin'ny tranonkalan'ny Kaomisiona Keniana Mahaleotena Momba ny Fifidianana Sy Ny Vakim-paritra dia marobe ankehitriny ireo antoko politika no nangalatra ny antsipirihany avy amin'ny Kara-panondrom-pirenen'ireo Keniana tsy misy ahiahy ary dia nanao hitsin-dàlana nanoratra azy ireny ho toy ny mpikambana ao anatin'ny antokon-dry zareo .

Tsy Nahalala, Nisotro Rano Voapoizina Nandritra Ny Andro Dimy Ny Tanànan'i Handan Any Shina

  07 Janoary 2013

Nisotro, nandro sy nisasa taminà rano misy poizina nandritra ny dimy andro ny mponina tao amin'ny tanànan'i Handan any Shina. Voapoizin'ny loto indostrialy avy ao amin'ny faritanin'i Shanxi mpifanolo-bodirindrina anminy ilay tena loharanon-dranon'ny tanàna - ny reniranon'i Zhanghe - tamin'ny 31 Desambra 2012. Niteraka fanamelohana niparitaka ve tety anaty aterineto ny fanivànan'ny governemanta ao an-toerana ny vaovao sy ny tsy firaharahian-dry zareo ny fanitsakitsahana goavana atao amin'ny tontolo iainana.

Mampisara-Kevitra an'i Bollywood ny Tononkiran'i Honey Singh

  07 Janoary 2013

Nofoanana ny fampisehoana taombaovao saika ataon'ilay mpiangaly rap Indiana Punjabii antsoina hoe Honey Singh taorian'ny fitakiana antserasera nivezivezy tao amin'ny fifampitam-baovao sosialy. Teraka tao anatin'ilay raharaha fanolanana tao Delhi ny fitakiana antserasera natao tao amin'ny habaka change.org . Miantso ny hanafoanana ny fampisehoan'i Honey Singh  ao amin'ny hotely iray ao Gurgaon, Delhi...

Taiwan: Fanirian'ny Taona Vaovao Tsy Hisian'ny Nokleary

  07 Janoary 2013

Tena hafakely mihitsy ny fankalazana ny taona vaovao tamin'ity taona ity satria niara-niasa hanolotra firenena iray lavitry ny nokleary ho toa ny firariantsoa iraisan'ny vahoaka Taiwanese ho an'ny taona 2013 [zh] ireo mpihira malaza, mpikatroka mafàna fo mpiaro tontolo iainana sy ireo tanora.