Aostralia: OVNI Miteraka Adin-teny

Tsy misy zavatra toy ny fahitana E.T. [extra-terrestre] ka hiteraka sahotaka amin'ny tontolon'ny Twitter. Tamin'ny 4 Janoary 2013 ilay Aostraliana mpilalao Cricket antsoina hoe Shane Warne angamba no nanome tombony ho an'ny namany ao amin'ny Channel 9 [Fantsona faha-9] raha nisioka toy izao izy:

‏@warne888: If you are in Australia or can get to a computer please tune into CH 9 as coming up in a few mins, footage of UFO's caught on film !!!!

Raha eto Aostralia ianao na afaka mijery solosaina miangavy hijery ao amin'ny fantsona faha-9 fa ho hahita sarina OVNI  azo lahatsary ao ianao ao anatin'ny minitra vitsy!!!

Azonao jerena ato ny lahatsary avy amin'ny Townsville Bulletin.

Nahazo valinteny maro i Warnie. Sarotra ny manavaka hoe inona ny vazivazy tamin'izany fotoana.

Hatramin'ny niheverana ny lahatsary ho noraketina tany Cardwell, Queensland, ny fitadiavana ny UFO [OVNI] amin'ny twitter no mametraka azy ho ao ao anatin'ny 2000km manodidina an'i Brisbane.

Mijoro eo amin'ny toeran'ny tsy matoky ny depiote Greg Piper, Parlemantera vaovao avy any atsimon'i Wales :

‏@GregPiperMP: It's a mystery to me but why do UFO pilots need their lights on? #qld_ufo

Misitery ho ahy izy ity saingy inona no ilàn'ny mpanamorin'ny OVNI mandrehitra jiro?

Efa manomana fitenenana mafy ny governemantan'i Queensland ihany koa izy:

@GregPiperMP: QLD UFO sightings likely to be aliens leaving as can't cope with LNP government. #qld_ufo

Fahitana OVNI heverina ho “vahiny tsy fantatra” misintaka tahaka ny tsy afa-nifampiresaka tamin'ny governemanta LNP

Mety ho hafa ny famoahany ny fijeriny raha amin'ny mpifidy azy no jereny.

Hitan'i Shaun Moran ny lafiny mampihomehy:

‏@shaunmoran: “I, for one, welcome our new insect overlords” news.com.au/national/ufo-c…

“Izaho eto miarahaba ireo bibikely tompontsika vaovao”

Paul Salanitri  kosa etsy ankilan’izany maka fijery astronomika manokana:

‏@Paul_Salanitri: @warne888 either satellites or planets; need date,time to determine which. To see a “UFO” tonight in Brisbane, look North East @ 7:20-7:26pm

Na zana-bolana na planeta; mila andro sy fotoana hamantarana hoe inona. Raha hijery “OVNI” rahalina ao Brisbane, jereo Avaratra Atsinanana @ 7:20-7:26 hariva.

Nisy ny resaka nifanaovan’i Peter Dyke sy i Vanstrider17:

‏@PeterPyke: It's official: “UFO caught on video at Cardwell in north Queensland.” We are not alone. couriermail.com.au/news/national/… @couriermail

Efa ofisialy: “OVNI azo lahatsary tany Cardwell any Queensland avaratra.”. Tsy irery isika.

@Vanstrider17: @Peter Dyke @couriermail wooh! UFOS! great! it might take a UFO invasion for the human race to get along.. maybe thats our cure?

Oah! OVNI! Angamba ny fanafihan’ny OVNI no hahatonga ny zanak’olombelona hifandamina.. izay angamba no fanasitranana antsika?

‏@PeterPyke: @Vanstrider17 Thr is a #Prediction that NWO will mount a global scam of a ‘UFO invasion’ to finally implement the One World Govt they plan.

Indro ny fahitana mialoha fa manomana fanambakana goavana amin’ny ‘fanafihan’ny OVNI’ ny [Holafitra Manerantany Vaovao] mba hametrahana ny Governemanta Manerantany Tokana kasain-dry zareo tanterahina.

Mety ho teny tafahoatra angamba ny fanamarihana momba ny Holafitra Manerantany Vaovao [Nouvel Ordre Mondial] saingy tsy afa-mitompo teny fatratra ianao rehefa miresaka OVNI.

Nisy ny fanatrehana iraisampirenena tahaka ny mety hisian'ny “War of the Worlds II” [sarimihetsika: Adin'ny Tontolo maro faharoa].

ActusNews (Australia) izay miaina any Sydney, misioka momba ny vaovaon’i Oz ho an’ny mpamaky Japoney:

‏@ActusNews: ACTUS NEWS : オーストラリアでまたまたUFO出現か?(動画あり) http://actusnews.net/archives/4371409.html

@ActusNews: OVNI n any fisehoana iray hafa indray any Aostralia: ACTUS NEWS (misy lahatsary)  http://actusnews.Net/archives/4371409.html

Any Pakistan, mpitantara cricket (sady mpanoratra ato amin’ny Global Voices) FK nifamaly taon’ireo tsy dia mino loatra:

‏@faisalkapadia: I wonder about the arrogance of ppl who laugh at ufos… How arrogant is it to assume u are the only sentient beings

Manontany tena aho amin’ny fireharehan’ny olona maneso amin’ny OVNI… Fireharehana sahala amin’ny ahoana moa ny mametraka fa ianareo irery no zavamananaina.

Malaza ny tantara momba OVNI any Aostralia. Misy aza trano fandraisam-bahiny iray any amin’ny Faritany Avaratra:

Wycliffe Well Roadhouse NT – Hatsaram-pon'i mpisera flickr tm-tm

Na izany na tsy izany, tsy tafandry mandry ao am-pasany ao angamba i H.G. Wells, mpanoratra ny The War of the Worlds [Adin’ny Tontolo maro] – Afa-tsy hoe nentin’ny E.T lavitra angaha izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.