Oganda Tamin'ny 2012: 50 Nahaleovan-tena Sy Solombavambahoaka Tanora Indrindra Ho An'i Afrika

Iray amin'ireo taom-pahasambarana teo amin'ny tantaran'i Oganda ny 2012. Fahatsiarovana mamy miainga avy any amin'ny nahalanian'ilay mpikambana tanora indrindra ao amin'ny Parlemantam-Pirenena sy tamin'ny fankalazana ny faha-50 taona nahaleovan'ny firenena tena.

Nefa tsy tsara kosa ho an'ireo mpankafy lalao baolina ny 2012 satria i Oganda tsy nahavita niakatra ho isan'ireo mandray anjara amin'ny Coupe d'Afrique des Nations (CAN) hatao ao Afrika Atsimo amin'ity volana ity.

Ndeha hojerentsika ny sasany amin'ireo olana sy hetsika izay niteraka resaka be teny anaty aterineto tao Oganda.

Ny Fango Ofisialin'ny Faha-50 -n'i Oganda

Manamarika ny faha-50 taonan'ny Fahaleovantena i Oganda:

Ny 9 Oktobra 2012, nanamarika ny faha-50 taonan'ny fahaleovantena i Oganda niaraka taminà hetsika mitalakotrokotroka tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena Kololo ao Kampala. Nahitàna seho an-kalamanjana nanerana ny firenena ilay hetsika, izay nisianà fiaramanidina kely telo nandoko ny lanitra ho Mainty, Mavo, Mena – ny loko ofisialin'ny firenena. Nahazo hira ofisialy iray ihany koa ilay fankalazàna, Yoga Yoga, izay ezaka niarahan'ireo vitsivitsy sangany amin'ny mozika ao Oganda. Tato aoriana dia niteraka fifanakalozan-dresaka tety anaty aterineto ilay hira satria tsy nahavita nifanaraka tamin'izay hisoratra ho tompon'ilay hira ireo mpanakanto.

Mahazo medaly volamena amin'ny Lalao Olaimpika i Kiprotich :

Stephen Kiprotich. Nampiasaina miaraka amin'ny fanomezan-dàlan'ny Newvision.co.ug

Niaraka tamin'ny fe-potoana 2:08:01, nahazo medaly volamena tamin'ny Lalao Olaimpika Londona 2012 ilay Ogande mpihazakazaka Stephen Kiprotich. Tretrika tamin'ilay fandresena, maro tamin'ireo Ogande no namadika ny sary momba azy tao amin'ny Facebook ho ny an'i Kiprotich nahazo fandresena. Io no medaly volamena faharoa azon'i Oganda hatramin'ny 1972. Nahazo  fandraisana toy ny an'ireo mahery fo i  Kiprotich rehefa niverina avy any amin'ny Lalao Olaimpika ary nahazo fanomezana mitontaly maherin'ny 4 tapitrisa dolara avy amin'olona sy orinasa samihafa.

Hon. Alengot. Sary nampiasaina miaraka amin'ny fanomezan-dàlan'ny monitor.co.ug.

 

Mifidy ny Mpikambana Tanora Indrindra ao Amin'ny Antenimiera i Oganda:

Nifidy an'i Proscovia Alengot Oromait , 19 taona, ho mpikambana ao amin'ny antenimieran-dry zareo ny fari-piadidian'i Usuk any Atsinanan'i Oganda. Isam-bato 11.059 araka izany no nahazoany fandresena hisoloany an'itompokolahy rainy izay maty tany ampiandohan'ny taona 2012. Nahasarika be ny saina tety anaty aterineto ity tantara ity sy ivelan'ny aterineto koa, izay nantsoin'ny olona maro ho Mendri-kaja. Efa nivonona ho amin'izany andraikitra izany i Alengot, raha ny hafa nino sy nitso-drano niarahaba azy.

Ny Zanaka Ivelan'ny Fanambadian'ny Mpanjaka Ronald Muwenda Mutebi:

Ny Talata 17 Janoary 2012 dia nambaran'ny Fanjakàn'i Buganda any Oganda  ny nahaterahan'ny zanaka lahy faharoan'ny Mpanjakan-dry zareo (Kabaka), Ronald Muwenda Mutebi II. Niravoravo i Buganda rehefa nivoaka ilay vaovao. Kanefa, tsy tonga mangingina fotsiny tsy re tsaika tahaka izao ilay fanambaràna satria ny Mpanjaka dia nanaraka ny fombam-panambadiana tany am-piangonana tamin'ny 1999 fony nampakatra an'i Slyvia Nagginda, ilay (Mpanjakavavy) Nabagereka avy any Buganda, izay midika fa teraka ivelan'ny fanambadiana ny Printsy Ssemakokiro Richard.

Kabaka Mutebi sy ny Printsy Ssemakkokiro. Loharanon-tsary: ny tranonkala ofisialin'ny Fanjakan'i Buganda.

Nanao Ny Hetsi-Pireharehany Voalohany ny Vondrompiarahamonin'ny LGBT tao Oganda:

Tany ampiandohan'ny Aogositra 2012, nanatanteraka andianà hetsika tao Entebe ny vondrompiarahamonin'ireo LGBT, nahitàna hatramin'ny fiaraha-mikorana teny an-torapasika. Nomem-boninahitra ho Maréchal tamin'ilay hetsika i Maurice Tomlinson, mpikatroka LGBT mafàna fo Jamaikana. Na teo aza ny fankahalàna mivelatra be avy amin'ireo politisiana Ogande sy ny olona, dia be mpanatrika ihany ilay hetsika araka ny tatitra. Nanaovan'ny polisy bemidina ilay hetsika ary nitànany mpikatroka mafàna fo LGBT vitsivitsy izay nafahana ihany taoriana kely.

Nojirihan'ny Anonymous ny tranonkalan'ny Governemanta:

Dikasarin'ny tranonkalan'ny Praiminisitra Ogande voajirika.

Nojirihan'ilay vondrona mpijirika iraisam-pirenena fantatra amin'ny hoe Anonymous ny tranonkalan'ny Praiminisitra ao Oganda ary ny angon-drakitry ny Sampana Mpanao Lalàna ao Oganda mba ho firaisankina amin'ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro ny zon'ny  Ogande Vehivavy mifanambady, Lehilahy mifanambady, ny manana taovam-pananahana roa, ireo nanova taova sy ny ‘Intersex’ (LGBTI).

Noraisin-dry zareo ny fifehezana ny tranonkalan'ny Praiminisitra, nampakàrany ireo sary avy amin'ny  Hetsi-Pireharehana Voalohan'ny Vondrompiarahamonin'ny LGBT tao Oganda, fanekena amin'ny fomba ofisialy ny Herinandrom-Pireharehanan'ireo Lehilahy mifanambady sy ho fialantsiny avy amin'ny Praiministra ho an'ireo lehilahy mifanambady. Nampiseho ho fanta-bahoaka ireo tenimiafina fampiasan'ny Sampana Mpanao Lalàna ao Oganda ihany koa izy ity.

Fihaonan'ireo Bilaogera Tao Oganda :

Afaka nihaona ireo bilaogera Ogande  sady nifanakalo hevitra momba ny hoavin'ny fikirakiràna bilaogy ao Oganda sy ny fomba hifandraisana amin'ny tambajotra midadasiky ny Global Voices sy Rising Voices. Niaiky izy ireo, ankoatr'ireo zavatra hafa, hanangana vondrona Facebook iray sy bilaogy iray izay hamondronany ireo bilaogy rehetra ao Oganda.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.