Fanapaha-Kevitra 10 Vaovao Hiarovana Ny Fampiasana Ny Aterineto Amin'Izao Taona 2013 Izao

Misahana manokana ny fiarovana ny fahalalaham-pitenenana amin'ny aterineto izahay ato amin'ny Global Voices Advocacy (GVA) . Efa namoaka toro-lalana sy fitaovana izahay hahafahan'ireo mpiserasera hikirakira am-pilaminana ny aterineto, hanakana ny sivana sy hifampiaro ao amin'ny aterineto.

Noho izany indrindra, vonona hatrany izahay hanohy hiaro ny zo maha-mpiserasera anao amin'ity taona 2013 ity, ka handefa lahatsoratra sy andiana toro-lalana mikasika ny anonymat (fanafenana ny momba ny tena), ny tsiambaratelo (confidentialité), ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra, ny fanaraha-maso, ny fanakanana ny sivana, ny fikatrohana sy ny fiarovana antserasera.

Mba hanombohana ity taona vaovao ity ry namana mpamaky, nanapa-kevitra izahay ekipa ato amin'ny Advox fa hanome fanapahan-kevitra 10 ho anao amin'ity taona 2013 ity, izay miendrika fitaovana ho ampiasaina sy paikady hampiharina hiarovanao ny fiseraserana amin'ny aterineto. Fomba tsara sy mahomby nandalovana tamin'iny taona 2012 iny avokoa ireto fantina ireto. Tsarovy fa tsy misy paikady hahafanao hiaro tanteraka ny fampiasana ny aterineto 100%. Mandritra ny fotoana rehetra, ilaina hatrany ny ho malina.

#1 Afeno ny momba anao rehefa mampiasa finday

Raha toa ianao orinasa maniry hanara-maso ireo fahazaran'ny mety ho mpanjifanao na governemanta mpamoritra te-hitsongo dia ireo mpisintaka an-tserasera, dia natao ho anao indrindra ny finday. Tsy misy teknolojia manakaiky indrindra amin'ny fanatanterahana ny nofiratsin'i Orwell tahaka azy ity. Fa misy ny fomba maro hanampiana ny mpisera hitety ny aterineto metimety sy tsy misy ahiahy kokoa:

Fampiharana [Fampiasa] avy amin'ny Fitovo Malalaka [Open Source] Android mampiasa ny tambajotran-dohamilina mieli-patrana manerantany ka manafina ny toerana sy ny mombamomba ilay mpisera ny Orbot. Narafitry ny Tor sy ny The Guardian Project ny fampiharana.

#2 – Ianaro ireo fomba tsara rehefa mitatitra avy amin'ny finday

Raha toa ianao mpanao gazety matihanina na tia mamoaka vaovao amin'ny alalan'ny fitaovam-pampitan'olo-tsotra vaovao dia mety hahaliana anao ny mitsidika ao amin'ny “Media Workers’ Toolkit for Safer Online and Mobile Practices” [Torolalana ampy ho an'ny Mpiasan'ny Media rehefa mikirakira Finday sy Fiarovan-tena rehefa miserasera] avy amin'ny SpeakSafe. Tolo-kevitra tsara ho an'ny mpamoaka vaovao ho fiarovan-tena sy ireo loharanom-baovaony rehefa mampiasa finday ity torolanana navoakan'ny Internews ity.

#3 – Miseraserà tsy mitonona anarana

Ataovy izay tsy ahafahan'ny governemanta sy ny vohikala mitsongo dia anao, mampiasà Tor. Fitetezana [navigateur] maimaipoana malaza mampiasa ny tambajotra-nà lohamilina [server] mieli-patrana manerantany ahafahana miserasera aterineto tsy misy ahiahy ny Tor nefa manakana ireo asam-panaraha-maso sy mpandinika mpitsidika hahafantatra ny toerana misy anao. Azo trohina amin'ny USB ihany ka ny Tor ary ampiasaina amin'ny solosaina rehetra.

#4 - Tadidio ireo fitsipika tsotsotra

Tsara ny mahatadidy ireo fitsipika fototra mikasika ny fiarovana an-tserasera. Manome torohevitra sarobidy ny Google mikasika izany.

Miresaka fitsipika fototra ihany, tsara vakian'ireo olona maniry hahafantatra bebe kokoa momba ny fiarovana ny teknolojian'ny fanafenantsoratra [cryptage], ny famafàna voaaro ny ny tambajotra virtoalin'ny tena manokana ny pejin'ny ’Electronic Frontier Foundation (EFF) momba ny Fiarovantena amin'ny Fanarahamaso.

#5 – Mahaiza mitsinjo mialoha

Raha bilaogera ianao, indrindra fa miaina any amin'ny tontolom-pamoretana, mieritrereta mialoha amin'izay ataonao raha misy ny fisamborana. Manana ny fikafika sy ny zavatra atao ho an'ireo bilaogera ahiana ho voarahona ato amin'ity lahatsoratra navoakany ao amin'ny Electronic Frontier Foundation ity i Jillian C. York izay ato amin'ny GVA ihany koa.

#6 – Miteteza tahaka an'i James Bond… Aza mamela dia

Miara-dia amintsika ny Lifehacker amin'ny fampiasana rafi-pikirakirana finday mifototra amin'ny Linux antsoina hoe Tails, izay ahafahana miserasera aterineto amin'ny solosaina rehetra nefa “tsy mamela dia.” Tsy tena lavorary tanteraka, fa tsy misy koa ny lavorary, sa tsy izany?

#7 – Arovy ny fiainanao manokana, atsaharo ny fitsongoan-dia an-tserasera

Milaza zavatra betsaka momba anao ny fitetezana habaka mahazatra anao. Mahalala izany tsara ny ankamaroan'ny vohikala sy ny mpanao dokambarotra an-tserasera ka mampiasa teknikam-pitsongoana dia tsy hita maso ary mandrakitra ny fampahafantarana momba anao.

EFF manome torolalana efatra dingana vetivety ahafahanao mampitsahatra ny fidikidirana amin'ny fiainanao manokana [an-tserasera].

Azonao atao ihany koa ny miserasera amin'ny DuckDuckGo, mili-pitadiavana mahasolo, izay tsy mandrakitra ny mombamomba ilay mpiserasera tahaka ny ataon'ny Google.

#8 – Arovy ny ango-kevitrao

Arovy ny ango-kevitra [sarobidy] aminao amin'ny alalan'ny fampiasana rindrambaikom-panafenantsoratra amin'ny reninkapila [logiciel de cryptage de disque dur] tahaka ny Truecrypt. Ampiasao amin'ny solosaina anananao rehetra io. Maimaipoana, mora ampiasaina, maivana ary mazava ny Truecrypt, izay afaka manafintsoratra ny ampahany na ny manontolo ny tahirinkevitrao. Ilaina indrindra izy amin'ny fiarovana sy fanafenana ny tahirinkevitrao sarobidy nefa mety hanelingelina ny hafa, indrindra rehefa mandehandeha ka miampita sisintany.

Ity lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia ity no hanome fanampim-pampahafantarana ho anao momba ny rindrambaikom-panafenantsoratra sy ny kirakira [rafitra] mifanaraka aminy.

#9 – Poteho ny ango-kevitra manohintohina

Mety tafaverin'izay liana aminy ho azo jerena na vakiana indray ny tahirinkevitra [ango-kevitra] efa nofafana. Ataovy tsara antoka tsy ho azon'ny hafa kirakiraina intsony amin'ny alalan'ny fampiasana rindrambaiko famafàna ny tahirinkevitrao mety hanohintohina. Iray amin'ny fitaovana be mpikirakira indrindra ho amin'izany ny Eraser, rindrambaiko zaraina maimaipoana vonona ho an'ny Windows. Potehiny ny tahirinkevitra manohintohina amin'ny alalan'ny fiverimberenana manoratra [misokitra] eo amboniny.

#10 – Mivonòna handresy ny sivana

Satria ny nanaovana ny aterineto tamin'ny voalohany dia ny hamela ny olona hifandray malalaka, tsy itsabatsabahan'ny governemanta na ny orinasa, ilaina noho izany, ho antsika mpiserasera, ny mianatra ny fomba hanasarotantsika ny fiainan'ireo fahavalon'ny fahalalaham-pitenenana.

Namoaka boky feno antsoina hoe “How To Bypass Internet Censorship[Ahoana ny fomba idifiana ny sivana amin'ny aterineto] [PDF, pejy 240, 12 MB] tamin'ny fiandohan'ny taona lasa ny Floss Manuals, fikambanana mpanao asa soa miorina ao Holandy miompana manokana amin'ny fampiroboroboana ny fampiasana rindrambaiko maimaipoana [afaka]. Hita ao amin'ny boky avokoa ny fitaovana sy ny teknika maro enti-mandresy ny sivana. Tombanany ao ihany koa ny risika mifandraika amin'ny fampiasana ny fitaovana tsirairay. Misy kinova maivamaivana “Dingana fanombohana” ihany koa vonona eto [PDF, pejy 8, 268 KB].

* * *

Tahirin-kevitra hafa:

- Security In A Box [Fiarovana ao anaty boaty iray] avy amin'ny Tactical Technology Collective [fiarahan'ny teknolojia taktika]: Enta-piarovana an-tserasera ampy natao ho an'ny mpikatroka. Azo jerena amin'ny fiteny maromaro.

- “A Practical Guide to Protecting Your Identity and Security Online and When Using Mobile Phones[Torolalana azo ampiharina ho fiarovana ny momba anao sy ny fiseraseranao amin'ny aterineto rehefa mampiasa finday].avy amin'ny Access. Azo jerena amin'ny fiteny maromaro ihany koa.

Ankasitrahana ny fikambanana Global Voices Advocacy tamin'ny fametrahana miaraka ny tahirin-kevitra maro tamin'ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.