04 Janoary 2013

Tantara tamin'ny 04 Janoary 2013

Myanmar: Taom-Pihetsiketseha-Panoherana ny 2012

  04 Janoary 2013

Ny fandresen'i [mg] Aung San Suu Kyi tamin'ny fifidianana, ny tatitra fanenjehana ny Rohingya ary ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon'ny filoha Barack Obama no hotsaroan'ny fiarahamonina iraisampirenena momba an'i Myanmar tamin'ny 2012. Tsy fahita firy tokoa ireny tantara ireny fa afa-nanangom-baovao momba izany ny Global Voices ary afa-nandika ny fihetseham-pon'ny mpiserasera tamin'ireny...

Tsy Nisy Akony Ny Sarintsarim-pitsitsiana Nataon'ireo Shinoa Mpitarika

  04 Janoary 2013

Nipongatra indray taonjato maro taty aoriana ilay fehezanteny filamatra hiadiana amin'ny kolikoly 'Lovia efatra, Lasopy iray' noforonina tany ampiandohany fony Amperoran'ny Fanjakana Ming tao Shina. reo fampahalalam-baovao an'ny fanjakana [zh] dia nampiasa ilay fomba fiteny mba hamaritana sakafo tsotra iray noraisin'ny Filohan'ny Antoko Kaominista Xi Jinping tany Hebei faritany any avaratr'i Shina. Saingy tsy taitra tamin'ity sarintsarim-pitsitsiana ity ireo mpisera anaty aterineto.

Fanapaha-Kevitra 10 Vaovao Hiarovana Ny Fampiasana Ny Aterineto Amin'Izao Taona 2013 Izao

GV Mpisolovava  04 Janoary 2013

Misahana manokana ny fiarovana ny fahalalaham-pitenenana amin'ny aterineto izahay ato amin'ny Global Voices Advocacy (GVA) . Efa namoaka toro-lalana sy fitaovana izahay hahafahan'ireo mpiserasera hikirakira am-pilaminana ny aterineto, hanakana ny sivana sy hifampiaro ao amin'ny aterineto. Noho izany indrindra, vonona hatrany izahay hanohy hiaro ny zo maha-mpiserasera anao amin'ity taona 2013 ity,...