- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taona Vaovao Fa Fanao Tranainy Ao Bahrain

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Raha nankalaza ny taona vaovao tamin'ny alalan'ny afomanga sy fety isan-karazany ny firenena manerana izao tontolo izao, fandrahonana manokana avy amin'ny manampahefana kosa no niandry ireo mpanao fihetsiketsehana Bahrainita.

Mba hanamarihana ny fanombohan'ny taona vaovao, nandefa fanambarana ny Sampam-pahalalam-baovaom-panjakana  ao Bahrain  mba hankalaza ny zava-bita tamin'ny taon-dasa, hoy izy:

Mijanona tsy mihozongozona sy tsy voaloton’ ireo fanambarana diso aparitaka amin'ny alalan'ny “mégaphone” eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny Fanjakana tompon-dakan'ny zon'olombelona sy manana endrika tsara.

Tao anatin'izany fotoana izany anefa dia korontana sesehena no niainan'ny Bahrainita ny andron'ny taombaovao. Soa ihany, voatahirin'ireo mpiserasera ny sasany tamin'izany ary nandefa izany tamin'ny aterineto izy ireo, mampiseho amin'izao tontolo izao ny “fanambarana diso” ataon'ny governemanta fa “tompon-dakan'ny fanajana ny zon'olombelona” ny firenena.

Bilaogera @chanadbh nisioka rohy tamina lahatsary ary nandefa fanehoan-kevitra mandrabiraby:

@chanadbh [1]: Notafihan'ny polisy tamin'ny biriky ny fiara nijanona tao #Bahrain , noho ny fiarovan-tena tokoa http://www.youtube.com/watch?v=HraRTyuvpOY … [2]

 

Mampiseho polisy misahana ny rotaka mitoraka biriky amina fiara mijanona ao an-tanàna kelin'i Jurdab ny lahatsary.

Dr Abdulhadi Khalaf, mpampianatra eny amin'ny oniversite izay noesorina taminy vao haingana ny maha-olom-pirenena Bahrainita azy, nizara lahatsary hafa ary naneho hevitra hoe:

 بلطجية الداخلية تحاول كسرأحد أالأبواب****ألهذا السبب تكثر الإصابات بين البلطجية؟

@Abdulhadikhalaf [3]: Miezaka mamaky varavarana ny jiolahimboton'ny Minisiteran'ny ny Atitany****izany no nahatonga ireo jiolahim-boto marobe naratra?

@AHRAR_MURQOBAN, kaonty Twitter natokana handefasana vaovao avy ao an-tanànan'i Sitra, nandefa lahatsary misy voina mitovitovy amin'izany. Toa tahaka ny miteny Ourdou ireo mpitandro ny filaminana ato amin'ity lahatsary ity:

 فيديو : المرتزقة وهم يخططون لأقتحام منزل – سترة – ميادين اللؤلؤhttp://youtu.be/sqQp3BJpy7s  [4] http://fb.me/2rcPUyfkP [5]

@AHRAR_MURQOBAN [6]: Miomana hananika trano ireo mpikarama an'ady – Sitra

Tsy avy amin'ny zavona ny manjavozavo ao amin'ny lahatsary – fa noho ny baomba mandatsa-dranomaso matevina natsipy tao an-tanàna kely be olona isan'andro.

Mpikatroka ny zon'olombelona Maryam Alkhawaja nizara lahatsary ihany koa izay mampiseho ireo mpitandro ny filaminana manipy zavatra any amin'ireo vehivavy – tahaka ny tsy misy antony mazava loatra:

@MARYAMALKHAWAJA [7]: Nanapiritika vovo-tsakay tsy amin'ny antony tany amin'ireo vehivavy ny mpitandro ny filaminana RT@: 1-1-13  [8]http://youtu.be/0wokYBRrxpM  [9]  [8]

 

Mpisera Twitter Mahmood Alshaikh nisioka lahatsary hafa mampiseho fa tsy misy fahafatesana noho ny soa tsy ho voasazy ao Bahrain:

#البحرين – سترة: مطاردة الشباب بعد محاولتهم انقاذ عائلة مختنقة 1 1 2013:http://youtu.be/0sTkwcQxxD0  [10]

@M_Alshaikh [11]: Bahrain – Sitra [Nosy ao Atsinanan'i Bahrain] : Tanora nohazaina rehefa niezaka namonjy fianakaviana niharan'ny fahasemporana 1 1 2013

Nanambara tao amin'ny tatitra navoakany [12], tamin'ny taon-dasa, ny mpivaro-panafody [na dokotera] mpandala ny zon'olombelona [@P4HR]

Izao avy ny ratran'ny mpanao fihetsiketsehana nodinihan'ny Mpivaro-Panafody [na dokotera] mpandala ny zon'olombelona izay nahitana mangana sy faharovitana teny amin'ny loha, hatoka, tongotra noho ny donan'ny kapoaka natifitry ny mpitandro ny filaminana akaiky tany amin'izy ireo.

Ohatra mazava tamin'izany ny sioka nalefan'ny tambajotra Fampahalalam-baovao 14 Feb, tambajotra voatokana amin'ny famoaham-baovao ao Bahrain, tamin'ny taom-baovao:

#المنامة: طلقة مباشرة تصيب أحد الثوار #ميادين_اللؤلؤ 01 01 2013:http://youtu.be/_I-HhhSz87s  [13]

@Feb14Media [14]: Bahrain | Manama : tifitra mahitsy nipaka tany amin'ny mpanao fihetsiketsehana

Lahatsary mazava kokoa sy mitovy izany nalefa tao amin'ny tambajotra talohany ihany koa:

#سترة #سفالة : طلقة مباشرة تصيب رأس أحد المتظاهرين 1/1/2013#البحرين

@Feb14Media [14]:
Sitra – Sufala [Tanàna kely ao amin'ny nosy Sitra] : tifitra mahitsy nankany amin'ny lohan'ny mpanao fihetsiketsehana 1/1/2013

Angamba nampianarina tsy hanavakavaka mihitsy ny mpitandro ny filaminana, na dia ity ankizy kely ity (fanehoan-kevitra milaza fa efa-taona izy) aza tsy navahana tamin'ny fifaliana fankalazana ny Taom-baovao – tamin'ny fomba Bahrainita. Nanazava i Moawen:

@Moawen [15]: Nandefa baomba mandatsa-dranomaso ny polisy misahana ny rotaka izay nahavoa ankizy kely http://youtu.be/4eQmT_M7_is  [16] mitohy ny fanitsakitsahana ny zon'ny ankizy:

Mpanao gazety Dima Khatib nizara sary izay mampiseho mazava ny loza niseho:

@Dima_Khatib [17]: Bahrain… tonga indray! RT @mohmdashoor [18]: mety mba nahita ity zava-nitranga tamin'ny omaly ity ve ianao? baomba mandatsa-dranomaso pic.twitter.com/DW7lD5Gl [19]

[20]

Sary mampiseho ireo ankizy kely tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso, sary nalefan'ny @14febonline

Nampiasa ny kaontiny Twitter, namoaka valinteny ofisialy momba ireo zava-nitranga tamin'ny Taom-baovao ny Minisitry ny Atitany, hoy ny fanambarany:

@moi_bahrain [21]: Sekretera mpanampy misahana ny raharaha ara-pitsarana: tsy ara-dalàna ny antso natao tao amin'ny habaka mba hanao famoriam-bahoaka amin'ny Talata amin'ny 3 ora sasany hariva ao amin'ny faritra samihafa ao Bahrain

 

@moi_bahrain [22]: Arovan'ny lalàmpanorenana ny Famoriam-bahoaka & fahalalaham-pitenenana ka ireo izay te hampiasa izany zo izany dia tokony hanaraka tsara ny lalàna

@moi_bahrain [23]: Raisina ny fepetram-piarovana sy ny lalàna manoloana ireo mpandika lalàna mba hiarovana ny filaminana

Tamin'ny fiafaran'ny fanambarana, izay efa nambara tany amin'ny fiandohan'ity lahatsoratra ity, hoy ny Sampam-pahalalam-baovaom-panjakana Bahrainita nilaza:

Manantena ny Fanjakan'i Bahrain fa tena hanana hoavy mamiratra amin'ny 2013.

Ho ahy manokana, mino aho fa ho marina izany.