TEDxSanaa: Mangetaheta Fanantenana Ny Ao Yemen

Na teo aza ny taona nisafotofoto niainan'i Yemen tamin'ny 2012, niasa mafy ny vondrona Yemenita iray mba hamaranana ny tana amin'ny fomba miabo. Nahavita nametraka sehatra iray, sambany ho an'i Yemen, hahafahana mamelom-panantenana ny  tariky ny TEDxSanaa, dia ny hetsika TEDx ao Sanaa ny 31 Desambra teo ambanin'ny teny faneva “Mangetaheta Fanantenana.”

TEDxSanaa – Mangetaheta Fanantenana

Ny lisitra nisy mpandray fitenenana 19, nahitàna vehivavy efatra monja sy vehivavy iray mpanolotra, ilay mpanao gazety nahazo ny loka  Vital Voices Global Trailblazer Award, Shatha Alharazi, izay nibitsika tato aoriana hoe :

‏@ShathaAlHarazi: Na dia nahazo loka manana ny lanjany eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena aza aho ny Jona lasa teo, ambarako fa ny zavatra tsara indrindra nitranga tamiko ho an'ny taona 2012 dia ny fampiantranona ny 2012  #TEDxSanaa #Yemen

Ireo mpandray fitenenana voafantina dia samy Yemenita malaza nitondra zava-baovao sy nahomby avy amin'ny fototra samihafa, taona sy sehatra samihafa (fandraharahana, media, fitsaboana, siansa ary teknolojia) izay nampangetaheta ireo rehetra nanatrka noho ny fahaiza-manaony, n y fitozoany, ny hevi-baovaony, ny tantaran'ny fahombiazany ary ny fomba fanolorana manome risika nataon'izy ireo.
Nampitaina mivantana ilay hetsika ary notsinjaraina ho efatra, nahafahana nànana fiatoana sy seho artistika teny anelanelany teny. Hafatra an-dahatsary iray avy amin'i Chris Anderson Filoha mpitarika ny TED ho an'ny TedxSanaa no nentina nanomboka ny fotoana, izay gaga sy nientanentana fa hoe hisy hetsika TEDx hatao ao Yemen no sady nirary soa ho an'ny ekipa. Nalefa nandritra ny hetsika taminà fàfana iray lehibe ihany koa ny hafatra an-dahatsary avy amin'ireo mpanan-talenta Yemenita (Dr. Hilal Lashual, Dr. Nasser Zawiya, Dr. Manahel Thabet, Dr. Ayoub Al-Hammadi, Dr. Elham Manea, Mrs. Zahra Al-Harazi) izay tsy afaka ny nanantrika.

Tao amin'ny Twitter, izao no nambaran'ny sasany tamin'ireo nandray fitenenana mikasika ity hetsika ity:

Emad Almsaodi nibitsika hoe :

مؤتمر تيدكس صنعاء كان مفعم بالحيوية والإبداع والأمل. تعرفت على شخصيات ألهمتني بالفعل. شكراً لكل من وقف وراء هذا الحدث الرائع #TedxSanaa

‏@almsaodi: Feno fahavitrihana, fahaiza-mamorona sy fanantenana ny kaonferansa TedxSanaa. Ndeha hamantatra ireo olona malaza tena nampangetaheta ahy aho. Misaotra anareo tsirairay avy izay tomponandraikitra amin'izao hetsika goavana izao.

Abdulrahman Jaber nibitsika hoe:

لا أدري بماذا اصف الشعورالعام في تيدكس صنعاء… سوى انه يوم استثنائي بكل ماللكلمات من معاني… اليمن ظهرت وردية اليوم… 🙂 @tedxsanaa #yemen #يمن

@ARJaber: Tsy haiko ny fomba hamaritana ny fahatsapana ankapobeny ny TEDxSanaa…afa-tsy ny hoe andro iray miavaka araka izay azon'io teny io ampitaina amin'ny lafiny rehetra izy ity… manga ny lanitra ho an'i Yemen androany.

Iona Craig, iraky ny Times any Yemen, nibitsika hoe :

@ionacraig: Ny tanora Yemenita no tokony hitantana ny firenena raha raisina ho marina sy mitombina ny maha-matianina sy ireo fanolorana tamin'ny #tedxsanaa.

Yemen Peace News nibitsika tamin'ny filazàna hoe :

@YemenPeacNews:Nasehon'ireo tanoran'i Yemen tamin'ny vondrom-piarahamoniny sy izao tontolo izao ny otrikarena goavana sy miavaka ananany androany tao amin'ny #TEDxSanaa. Arahabaina ireo rehatra nandray anjara!

Sadeq Alwesabi nanontany tena hoe:

‏@sadeqalwesabi: Manontany tena aho raha toa ka mba manaraka ny #TEDxSanaa ireo manampahefana ‘adaladalantsika’ na ilaozan-dry zareo mitsako katy #qat fotsiny. Azoko antoka fa ilay faharoa no ataon-dry zareo. #Yemen

Na izany aza dia toa ny Minisitra Misahana ny Zon'Olombelona ao Yemen ihany no mba manampahefana nanatrika ilay hetsika. Nibitsika izy hoe :

‏@Hooria_Mashhour: amin'ny fanjohiana ny @tedxsanaa, nifoka rivotra sy nahatsapa aho fa ho avy ny vanim-potoana mamiratra ho an'i Yemen.

Nampiany hoe :

‏@Hooria_Mashhour: @mariamahmed36 @tedxsanaa Iriko ho any ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fanofanana arak'asa ary ny Minisitry ny Asa mba hahita ny tanora sy …

@Hooria_Mashhour: @mariamahmed36 @tedxsanaa hihevitra ny fomba hanomezana azy ireo ny fahafahana mandray anjara amin'ny fampivoarana ny firenena

Amal Alsuqaf nampakatra tao amin'ny Facebook nilaza hoe :

Kaonferansa goavana tokoa re raha ny @TEDxSanaa, nampangetaheta fanantenana, hihoatra ireo sakana, ny fahaiza-mamorona, ny hoavy mba hisy
Tsy ampy ny ho entiko milaza ity hetsika goavana ity 🙂
Misaotra ireo mpikarakara, mpandray fitenenana, mpanotrona
Nataonareo izay hahalafatra ny taona vaovao ♥

Nampakatra ihany koa izy tahirin-tsary misy ireo mpikarakara sy mpandray fitenenana tany ambadiky ny sehatry ny TedxSanaa.

Sara Al-zawqari nibitsika tamim-pireharehana hoe:

‏@Sous_AlZ: #tedxsanaa no fomba tsara indrindra namaranana ny taona! Nahazendana, maroloko & nampangetaheta! Tsy misy hafa hampirehareha mihoatra lavitra noho io http://instagr.am/p/T6S6R_NV15/

Dr. Hilal Lashuel nampakatra ity saripika ity tao amin'ny rindriny Facebook:

Sary namboarin'i Dr. Hilal Lashuel mitodika amin'ireo tsirairay tao ambadiky ny fahombiazan'ny TEDxSanaa

Dera ho an'ireo mpikarakara ny TEDxSanaa, ireo mpanolotra ary ireo rehetra nandray fitenenana nampangetaheta tamin'ity fahombiazana goavana ity. Ohatra iray ihany amin'ny Yemen maha-be fanantenana ilay hetsika, feno fanantenana sy vahoaka miaraka aminà nofy maro izay manana ny otrikarena sy ny faharetana hanao izay hisian'izy ireny. Nifarana ihany ny taona tao Yemen nony farany, isaorana ny TedxSanaa, miaraka amin'ny fanantenana hisian'ny Yemen tsara kokoa sy mamiratra.

Inty storify iray misy ny sasany amin'ireo bitsika nakarina tao amin'ny Twitter nandritra ny hetsika sy taoriany.
Ny lahatsary rehetra nisy ireo mpandray fitenenana tamin'ny hetsika dia hakarina daholo ao amin'ny fantsona Youtube an'ny TEDxSanaa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.