- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihetsiketseham-Panoherana 10 Voalohany ao Shina Nalahatry ny Vaovaon'ny Tencent

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Nivoaka tao amin'ny Vaovaon'ny Tencent [1], tranokalam-baovao shinoa an'ny orinasan'aterineto be mpanjifa indrindra ao Shina antsoina hoe Tencent [2], tamin'ny 30 Desambra 2012, ny fihetsiketseha-panoherana folo lehibe indrindra tao Shina tao anatin'ny roa taona. Na dia vetivety aza dia voasivana tao amin'ny vohikalam-baovaon'ny Tencent ity lahatsoratra ity, dia nalaza vetivety ny tany amin'ny tambajotram-piarahamonina sy ny tontolon'ny bilaogy shinoa ny teny fohy fampidirana tao aminy. Vantany vao nizara [3] [zh] ny lahatsoratra tamin'ny endriny voalohany ny mpiserasera Qian Hao shared [3] [zh] tamin'ny voalohany Janoary 2013, dia 4653 no isan'ny nampita ilay lahatsoratra ary 500 ny naneho hevitra tao anatin'ny ora vitsy monja. Nitehaka tamin'ilay tantara ny mpiserasera.

Matanjatanjaka ny fanombohan'ny fanambarana tao amin'ny lahatsoratra [4][zh] :

 一旦他们有了发言权,所有人都有了发言权。 我们致敬的都是普通人,因为我们珍视每一个普通中国人说“不”的勇气。而值得一提的是,其中不少都是九零后,新一代人个人意识觉醒更早,更彻底。而他们的表达则更网络化,更勇敢。

Rehefa manam-pahafahana hiteny ry zareo [mpanao fihetsiketsehana] , dia tahaka izany avokoa ny hafa rehetra. Omenay voninahitra ireo olo-tsotra, satria manome lanja ny olo-tsotra shinoa izay mana-pahasahiana hiiteny hoe “tsia” izahay. Ilaina ny manamarika, maro amin'izy ireo no teraka taorian'ny taona 1990, taranaka vaovao mahatsapa kokoa ny zony manokana. Sahy kokoa izy ireo ary mirona amin'ny fiseraserana ny aterineto handrenesana ny feony.

Nanaraka izany ny fifantenana ny mpanao fihetsiketsehana 10 voalohany, na tsirairay izany na vondron'olona miady ho amin'ny zony amin'ny zava-manahirana maro amin'ny fiaraha-monina Shinoa:

1) Mponina amin'ny zana-bohitr'i Wukan [5]: Manohitra ny Hosoka amin'ny fifidianana

Nanaraka ny hetsi-panoherana ny mana-pahefana tao an-toerana noho ny fakana an-keriny tanim-pambolena sy noho ny kolikoly tamin'ny faran'ny taona 2011, dia nanomana fifidianana malalaka [6] hifidianana Lehiben'ny Zana-bohitra ny mponin'i Wukan any Guangdong tamin'ny Febroary 2012.

Notsongain'ny Tencent ny mponina iray ao amin'ny zana-bohitra antsoina hoe Yang Semao [4][zh]:

民主选举跟游泳一样,如果不下水去练习,不被呛几口水,我们就永远得不到它。

Tahaka ny milomano izany fifidianana demokratika izany, raha tsy manandrana mihitsy ianao ka sempotry ny rano kely dia tsy hianatra azy mihitsy.”

2) Olo-pirenen'i Qidong [7]: Manohitra ny fanapaha-kevitra manjavozavo

Nanodidina ny Lapam-panjakana tao an-toerana ny mponina any atsinanan'i Shina any Qidong tamin'ny Jolay 2012 hanohitra ny fananganana fantsona lehibe iray mitondra rano avy nampiasaina tao amina milina mpanao taratasy ana Japoney iray izay havarina any an-dranomasina, nilavo lefona ny fitondrana tao an-toerana ka nampitsahatra ny tetikasa.

3) Olo-pirenen'i Hong Kong [8]: Manohitra ny Fanabeazana “Manasa Ati-doha” 

Nametraka drafitra ny tsy maintsy hanaovana ny fanabeazana fitiavan-tanindrazana any an-tsekoly ny governemanta tao Hong Kong saingy niteraka fanoherana faobe teo amin'ny mpianatra sy ny ray aman-dreny nihevitra izany ho “fanasana ati-doha” izany. Nofoanan'ny governemanta moa izany tamin'ny farany.

Vaovaon'ny Tencent naneho ny heviny [4][zh]:

香港人的爱国不是写在书本上,不是经过“教育”而来,是作为炎黄子孙发自内心对中华民族、中华文化的认同感。

Tsy miainga avy amin'ny boky na “fanabeazana” ny fitiavan-tanindrazan'ny vahoaka Hong Kong, fa avy amin'ny fony sy ny fifaharan'izy ireo amin'ny kolontsaina Shinoa.

4) Ren Jiayu [9]: Manohitra ny Fanakombonam-bava

Voasazy “hotezaina indray amin'ny alalan'ny asa” mandritra ny roa taona ny ben'ny zana-bohitra Ren Jianyu tamin'ny Aogositra 2011 rehefa namoaka hafatra miresaka olana ara-tsosialy tamin'ny famahanana bilaogy fohy. Niteraka fanentanana tao amin'ny tambajotram-piarahamonina Shinoa hanafoanana ny “fitaizana indray amin'ny alalan'ny asa” ity nahazo an'i Ren.

5) Zhang Haite [10]: Manohitra ny Fampianarana Miangatra

Zhang Haite: against unfair chance for education. A screen shot of ChinaForbiddenNews on Youtube. [11]

Tanora 15 taona manohitra ny fampianarana miangatra. pikantsary nataon'i ChinaForbiddenNews ao amin'ny Youtube.

Niteraka resabe tamin'ny fampitam-baovao Shinoa ny fanentanan'ilay zazavavy 15 taona  Zhan Haite tao amin'ny Weibo nitaky ny zony hanao fanadinana hiditra ao amin'ny Lisea ao Shanghai, izany lavina ho an'ny fianakaviana shinoa rehetra mifindra monina amin'izao fotoana izao afa-tsy hoe mahazo Hukou (fahazoan-dalana honina) izy. Ny fanentanana nataony no niteraka hetsi-panoherana momba ny fanitsiana ny hukou [12] any Shina.

6) Yang Zhizhu [13]: Manohitra ny politikan'ny Zaza tokana

Tamin'ny Marsa 2010, voaroaka amin'ny maha-mpampianatra lalàna azy ao Beijing i Yang Zhizhu noho ny fananany zaza mihoatra ny iray. Tsy maningana ao Shina ny tantarany. Fa niteraka adi-hevitra ny amin'ny mbola ilàna ny politikan'ny zaza tokana amin'izao fotoana ny toerana ambony misy an'i Yang tamin'ny nanaovany fanoherana rehefa hita fa efa mitsinjo ny fikarakarana ny mpandray fisotroan-dronono tsy mitsaha-mitombo tahaka izany ireo taranaka voalohany teraka taorian'ny nampiharana io politika io.

7) Zhao Keluo: Manohitra ny fanentanana “Fanadiova-Pasana”

Fasa-pianakaviana sy fasan'olo-tokana roa arivoarivo [tapitrisa] no nopotehina tany Henan tamin'ny 2012 nandritra ny fanentanana “mandravona ny fasana ho tany fambolena”. Nolavina ny firotsahan'i Zhao Keluo ho kandidàn'ny Komity Maharitra Provinsialy noho ny tolona nataony nanoherana ny fanentanana. Namoaka “taratasi-pivalozana” maneso tao amin'ny kaontiny Weibo izy ho fialantsiny tamin'ny fitsikeerany ny fanentanana.

Nilaza ny heviny [4] ny Vaovaon'ny Tencent:

他向地方政府的“专权”说不,让人们看到部分政协委员除了“举手”以外的另一种可能性。

Nilaza “tsia” tamin'ny manam-pahefana tao an-toerana izy [Zhao], izay nahafahantsika nahita ny lafiny ilany natao-na mpikambana CPPCC [Komity Foiben'ny Antoko Komonista Shinoa?]  iray ankoatra ny fanaovana “Tsanga-tanana”.

8) Wu Heng: Manohitra ny Sakafo mampidi-doza

Zavatra hafa mahaliana ny Shinoa nandritra ny taona vitsivitsy koa izao ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Nanapa-kevitra ny hanao zavatra mikasika izany ny mpianatra iray nahazo diplaoma antsoina hoe Wu Heng. Nanomboka tamin'ny bilaogin-tsakafo ara-pahasalamana antsoina hoe “Ario Avy eny Am-baravarakely [14]” izy ahafahany manara-maso ny olana ara-tsakafon'i Shina. Nampiasain-dry zareo ihany koa ny mediam-piaraha-monina Shinoa hampielezany ny vaovao. Efa nihoatra ny 190.000 ny nijery ilay bilaogy hatramin'ny nivoahany tamin'ny Jona 2011.

9) Luo Yonghao: Manohitra ny Fanjakazakan'ny Varotra

Tamin'ny fanombohan'ny taona 2011, niezaka ny hanaitra ny Siamens tamin'ny alalan'ny kaontiny Weibo noho ny tsy fetezan'ny varavaran'ny vata fampangatsiahany hikatona ilay olo-malazan'ny aterineto Shinoa antsoina hoe Luo Yonghao. Rehefa tsy niraharaha azy ny orinasa, dia nahazo mpanjifa hafa tezitra hiaraka aminy i Luo hanao fihetsika hamotipotika ny vata fampangatsiahan-dry zareo teo ivelan'ny foiben'ny Siemens tao Beijing.

Nilaza ny heviny [4][zh] ny Vaovaon'ny Tencent:

中国消费者维权长路,需要更多的罗永浩站出来砸开黑幕,反抗商业霸权,官僚机构懒政。

Mbola lavitra ny lalan'ny mpanjifa Shinoa ho fiarovana ny zony. Mbola mila olona hafa tahaka an'i Luo Yonghao isika hiady amin'ny fanjakazakan'ny Varotra sy ny fahakamoan'ny fitondra-panjakana.

10) Mpiserasera Manohitra ny Endrika Tsy Rariny Rehetra

Tencent nanoratra [4][zh] ho an'ny mpiserasera:

因为有你们,单个孤立的反对者不再只是一个人。论坛、微博,新闻跟帖,你们在网络的每个角落中呼喊,声音汇聚为洪流,被越来越多人听到。你们吐槽、反讽,或者默默飘过以为抵抗。更多的时候你们大声说出:我反对。你们是一切不合理、不合法的反对者。

Noho ianareo, tsy irery ny mpanohitra mitoka-monina. Niantsoantso teny amin'ny zoro rehetran'ny aterineto ianareo: Tao amin'ny Forums [dinika], bilaogy bitika ary ny randram-baovao. Mihamaro ny mandre ny feonareo. Mampita ianareo, manao fanamarihana manadrohadro, na mandalo. Matetika ianareo no miteny mafy: Tsy ekeko. Mpanohitra ny endrika tsy rariny rehetra ianareo rehetra.

Tany amin'ny farany ny Tencent dia manantena fa hamela ny feo samihafa hikiakiaka momba ny resaka ara-piarahamonina mandritra ny taona 2013 ny governemanta.