Mankalaza Ny 2012 Miaraka Amin'ny Global Voices

Tsidiho ireo fitetezam-paritra ataon'ny Global Voices taona 2012

Satria tonga tamin'ny farany ny taona, dia tianay indrindra ny haneho ny fankasitrahanay tamin'ireo asa mafy, famoronana sy fikarakaràna nataon'ny maro tato anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny  Global Voices. Taonan'ny firoboroboana nitalakotrokotroka sy fahombiazana ho an'ny GV ny 2012. Ireto ny sasany nisongadina:

Azo lazaina ho nitombo avy roa heny ny haben'ny vondrom-piarahamonintsika – manana mpanoratra maherin'ny 700 sy mpandika 600 mpirotsaka an-tsitrapo izao ny GV; hatramin'ny 700 ireo olona mandray anjara aminà volana iray voafaritra.

Nahatratra 1200 ireo fangatahana fanohànana ara-bola madinika tao amin'ny Rising Voices, fitomboana eo amin'ny 50% eo ho eo raha oharina tamin'ny isa ny taona 2011. Io fitomboana be io dia fanehoam-pankasitrahana goavana ny dona nentin'ny feon'ireo olo-tsotra sy media tany rehetra tany, eny fa na dia tany amin'ireo toerana misedra teritery ara-pitaovana sy ara-tsosialy momba ny fandraisana anjara ety anaty aterineto aza.

Nahatratra ny fetra ambony indrindran'ny fitsidihana anaty andro iray isika – 157.000!

Ny vovonana fanaon'ny GV isaky ny roa taona, natao tamin'ity taona 2012 ity tao Nairobi, Kenya dia hetsika iray tsy nisy toa azy na tamin'ny fandraisana anjara izany, na tamin'ny resaka angovo, ary nanampy antsika hametraka ny tanjona ho amin'ny hoavin'ny GV.

Niroborobo ny vondrom-piarahamonina GV Advocacy, miaraka aminà votoaty vaovao, mpikambana maro vaovao, ary fahatsapana lalina ny iraka sy adidy miandry amin'ny 2013. Miditra ny taona 2013 miaraka aminà tale vaovao ny  GV Advocacy, Hisham Almiraat, manohy ny fototra mafy orina efa napetrak'i Sami Ben Gharbia.

Ny fampidirana  ny fiteny Amharic sy ny Bulgarian tamin'ny 2012 dia nitondra ny isan'ireo fiteny hita ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny vovonana fandikàna GV Lingua ho 35. Fanampin'izany, satria mitombo ny isan'ny efitra fifampizaram-baovao amin'ny teny maro eto amintsika, ampolony ireo lahatsoratra isam-bolana no voasoratra avy hatrany amin'ny teny hafa ankoatra ny teny Anglisy.

Raha toa ireo isa ka maneho ny tena fiantraikan'ny Global Voices marina, tena sitrakay tokoa ny hankalaza sy hisaotra ireo mpirotsaka an-tsitrapo izay miasa miaraka nahatonga ny GV ho vondrom-piarahamonina mavitrika sy itokiana. Irianay ny hanana efitra manokana hametrahana ny sarin'ny tsirairay, saingy betsaka dia betsaka tokoa isika!

Arahaba Nahatratra Taona Vaovao!

Georgia Popplewell sy Ivan Sigal
ary ny ekipa GV Lingua Malagasy rehetra ihany koa

Donate now »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.