- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Tantara Be Mpamaky Indrindra Teto Amin'ny Global Voices Tamin'ny 2012

Sokajy: Mediam-bahoaka

Tsidiho ireo fitetezam-paritra ataon'ny Global Voices taona 2012 [1]

Samy hitantsika daholo tamin'ity taona ity (2012) na ny fahombiazana na ny tsy fahatanterahana ho an'ireo hetsika sosialy tety anaty aterineto, ny ady, ny tsy rariny ary ny loza mahatsiravina – saingy koa tsy tambo nisaina ireo tantara momba ny herimpon'olombelona sy ny fifikirana amin'ny aina izay manome antsika fanantenana avo dia avo ho an'ny hoavy.

Tamin'ny 2012 ny Global Voices amin'ny teny Anglisy (iray monja amin'ireo tranonkala amin'ny fiteny 30 samihafa [2]) dia nànana mpitsidika 2.748.158 azy manokana taminà lahatsoratra 6.159 fohy sy lava. Saika avy amin'ny firenena tsirairay manerana izao tontolo izao ireo mpamakinay.

Henjana mandrakariva ny hamantatra mialoha hoe tantara toy inona no hanana ny toerany indrindra eny anivon'ny mpamaky. Matetika hitety onjam-pifantohan'ireo media izahay mikasika ireo tantaram-baovao vao mafàna, na hànana taham-pitsidihana ambony amin'ireo zavatra izay vitsy amin'ireo hafa no mitatitra azy. Ho samihafa ny antontanisa ho an'ireo tranonkala amin'ny fiteny samihafa ato aminay. Tsikaritra kely – oharina amin'ny 2011 – somary nijotso ny fientanentanana manodidina ny Lohataona Arabo, ary tsy dia nisy loatra loza voajanahary tena nahaliana an'izao tontolo izao nahatratra ny haavon'ny horohorontany tao Japana.

Izay manaraka etoana dia ireo tantara 20 sangany teto amin'ny Global Voices amin'ny teny Anglisy 2012. Ny lahatsoratra voalohany ao anaty lisitra, Fanesorana tsy nampoizina ny Sivana ho an'ny  “V for Vendetta” tao Shina [3] tamin'ny Desambra, dia nandrodana izay mety ho anaram-boninahitra tamin'ny vanim-potoana rehetra, miaraka aminà fitsidihana maherin'ny 170.000 tao anatin'ny andro iray, noho ny bitsika iray nalefan'ny Anonymous ary ny fifanakalozan-dresaka mavesatra tao amin'ny Reddit [4]. (Fanamarihan'ny mpandika: izay lahatsoratra efa voadika ho teny Malagasy ihany no navadika ho teny Malagasy ny lohateniny ao anatin'ity lisitra manaraka ity)

[5]

Sary iray avy amin'ilay lahatsoratra be mpamaky indrindra nandritra ny taona. Mameno ny Foibem-Pahitalavitra Chine Central Televisiona ny V. Sary iray nokirakirain'ilay mpampiasa Twitter Kunshou tamin'ny photoshop.

  1. Censorship Lift for “V for Vendetta” Shocks China [3]
  2. Tranganà Fanolanana Vehivavy Tao Delhi Nahatezitra Olona Nanerana An'i India [6]
  3. Switzerland: An Initiative to Establish Basic Income for All [7]
  4. Etiopia: Aiza i Meles Zenawi? [8]
  5. Nepal: Shristi Shrestha No Misalotra Ny Oliravina Nepal 2012 [9]
  6. Arabia Saodita : Nolazaina Fa Mpivaro-tena Ireo Solontena Vehivavy Voalohany Amin'ny Lalao Olaimpika [10]
  7. Uganda: Can a Viral Video Really #StopKony?
  8. Singapore: Church Scandal Sparks Dissent [11]
  9. Filipina: Todra-drano Tao Metro Manila. [12]
  10. Taratasim-pitiavana Avy Amin'i Israely Ho An'i Iran [13]
  11. Pakistan: On ‘The Innocence of Muslims’ Film [14]
  12. Uganda: Against Odds, Gay Pride Events Take Place in Entebbe [15]
  13. Poland: Netizens Protest Government's Plan to Sign ACTA Next Week
  14. Ethiopia: Teddy Afro's New Album Stirs Up Online Discussion
  15. Syria : Nosamborina tao Damas Ilay Mpikatroka Rima Dali Noho Ny Fanentanany Hampitsahatra Ny Famonoana Olona [16]
  16. Myanmar: Voatafika Ny Tanàna Rakhine [17]
  17. Philippines: ‘Anti-Cybercrime Law Threatens Media Freedom’ [18]
  18. India: Assam Riots – Truth Vs Hype [19]
  19. “Niraraka Toy Ny Orana Ny Baomba Tao Gaza” [20]
  20. Filipina: Ny Fomba Nivdihan'ny “I’m a Liar?” Ho Lasa Tenifototra #amalayer [21]

Mety ho toerana iray maloto ny aterineto, noho izany dia nesorinay ireo lohahevitra mifototra amin'ny resa-betaveta, na ireo lohahevitra hafahafa malaza toy ny Korean blood type personality [22] – ny maha-izy ny sokajin-drà Koreana.

Tsidiho ireo fitetezam-paritra ataon'ny Global Voices taona 2012 [1]