Nanomboka Fanentanana #ProtectPrivacy Izay Niteraka Resabe Ny Minisitry Ny Fifandraisan-davitra Libaney

Matetika no ireo olom-pirenena mafana fo no manao antso fanohanana avy amin'ny vahoaka ety anaty aterineto raha oharina amin'ireo mpitondra ao amin'ny governemanta. Ny Alatsinainy 3 Desambra  2012, ny Minisitry ny Fifandraisan-davitra Libaney Nicolas Sehnaoui no nila vonjy, nangataka ny vahoaka hihetsika amin'ny anaran'ny tsiambaratelon'ny Aterineto. Anatinà lahatsoratra iray ao amin'ny Facebook, nilaza izy fa nandà ny hanome ny mombamomba ireo olom-pirenena Libaney ho an'ireo Hery  Mpitandro Filaminana Anatiny, na Internal Security Forces (ISF):

Anio alina, ho tombontsoan'ny Tsiambaratelontsika, miantso ny fanohananareo ny tenako.
Antso ho an'ireo mpitoraka bilaogy rehetra, ireo mpanao gazety anaty aterineto rehetra, ireo mpitoraka bitsika sy mpampiasa Facebook ary ireo mpikambana rehetra ao anatin'ny Fianakaviamben'ny Media Sosialintsika. Miankina amin'izay ny Tsiambaratelontsika ao anaty Aterineto amin'ny maha-Libaney antsika.
Androany dia nanapa-kevitra ny handà fangatahana iray avy amin'ny “Fer3 Ma3loumet” [departemantan'ny fikaroham-baovao] izay nangataka ny zavatra voarakitr'ireo simaiso rehetra, hatramin'ny anarana sy ny tenimiafin'ireo fidirana rehetra aminà angon-drakitra, ny mailaka BBM an'ireo Libaney 4 tapitrisa.
Tsy azo ekena izany fangatahana izany, tsy misy lojika ary tsy azo hamarinina. Tsy afaka mamaha heloka iray amin'ny alalan'ny fanaovana heloka iray hafa isika.
Eo am-pelatanan'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanapahan-kevitra ankehitriny ary izay no ilako ny fanohananareo.
Mila anao aho hizara ny fanairana eny rehetra eny mba hisian'ny tsindry ho an'ireo mpikambana rehetra ao amin'ny Filan-kevitra sy hampiato ity fidirana an-tsokosoko anatin'ny Tsiambaratelontsika ity.
AMPITAPITAHO, ZARAO, ALEFASO MAILAKA, SORATY ANATY BILAOGY. Ampiasao AVOKOA ireo fitaovana rehetra hitanao fa mahalaza ny teny hoe “Amin'ny maha-olom-pirenena Libaney ahy dia laviko ny hanary ny Tsiambarateloko ao amin'ny Aterineto”

Lazaina fa ny ISF no mila ity fampahalalàna ity ao anatin'ny sehatry ny fanadihadiana mikasika ireo fikasana maro hamono olona sy ireo zava-nitranga nanohintohina ny fandriampahalemana izay nampangozohozo ny firenena tanatin'ireo taona vitsy lasa. Ny akaiky indrindra tamin'ireo zava-nitranga ireo dia ny famonoana ny lehiben'ny sampam-pitsikilovana  Libaney Wissam Al Hassan, tanatinà fipoahanà baomba, izay nanaisotra ain'olona valo sy nandratra olona teo amin'ny 80 teo ho eo tamin'ny Oktobra 2012.

Maro no namaly ny antso ho fanohanana ny Minisitry ary naneho ny hatezerany amin'ny ISF:

Mibitsika i Micha Kandalaft hoe :

@michakandalaft: Tsiambaratelo: ilay zo hamaritra ny fotoana, ny fomba, sy ny ho amin'iza, hamborahana ny mombamomba ny olona iray ary AHY IZANY @NicolaSehnaoui #ProtectPrivacy

Ary nanampy i Mohamad Shaer:

@mohdalishaer: ô ry ISF, mety afaka hanararaotra ny ampahan'ny vahoaka ianao fa tsy afaka hanao izany amin'ny vahoaka iray manontolo mihitsy. ny tenimiafiko:nonofurbusiness (tsyraharahanao) #protectprivacy

Ora vitsy taty aoriana, lasa fanentanana tanteraka izany teo ambany ny tenifototra #ProtectPrivacy. Namerina nitoraka bitsika an'ireo hafatra rehetra ireo i Sehnaoui, ary nanambara fa hitondra ireo bitsika ireo any amin'ny Filankevitry ny Minisitra.

@NicolaSehnaoui: Manome toky anareo aho fa hanonta an'ireo bitsika rehetra ao amin'ny #ProtectPrivacy ary hitonra azy ireo ho any amin'ny Filankevitry ny Minisitra

Niray feo ireo mpitoraka bilaogy, miampanga ny fanitsakitsahana mampiahiahy ny tsiambaratelon'ny tena.

Mampitandrina i Abir Ghattas :

(…) tsy METY amin'ny anaran'ny fandriampahaleman'ny Firenena ny manitsakitsaka ny tsiambarateloko sy mandika ny lalàna, toy izany no fanombohan'ny ankamaroan'ny fanaovana jadona amin'ny farany.

Na izany aza, ratsy ny hevitr'ireo hafa mikasika ny fangatahan'ity mpanao politika ity.

Anatin'ity bilaoginy ity, milaza i Mohammed Najm hoe:

Ireo daty nangatahana ny solon'anarana, ny anarana, ny teny miafina sy ny mailaka, ny rindrambaikon'ny finday, ny VOIP… dia ny Jolay sy Aogositra? Raha io no izy, maninona ianao no niandry ny Jolay sy ny Aogositra ka hatramin'ny 3 Desambra vao nanomboka fanentanana manohitra ny fangatahana tsy rariny ataon'ny ISF?
Inona no navalin'ny governemanta Libaney tamin'ireo fangatahana teo aloha ireo? Ary maninona no tsy fantatsika izany hatramin'izay?

Eny tokoa, tamin'ny Aogositra 2012 ireo antontan-taratasy mikasika ny fangatahana ny rakitra voalaza eto avy amin'ny vohikala filazam-baovao al Nashra [ar], ary hatreto, tsy mbola nisy resaka fangatahana vaovao hafa.

Amin'ny lafiny hafa, mijery izany ho raharaha Tsiambarantelo vs. Fandriampahalemana ny Libaney sasany, ary ny Fandriampahalemana no laharam-pahamehan'izy ireo. Manazava ny safidiny i Elie Fares anatinà lahatsoratra ao anaty bilaogy:

Amin'ny maha-olom-pirenena Libaney ny tenako, tsy raharahiako raha misy midikiditra amin'ny tsiambaranteloko raha midika izany fa tsy mila mamono tena ao am-pamitàna ny asako amin'ny 3 p.m aho ny Zoma. #ProtectPrivacy? Raha ny marina, aleoko ny #ProtectSafety ny voalohany sady alohan'ny zava-drehetra.

Aminà fomba fijery tahaka izany, mitoraka bitsika i Wassim Labban:

@Wlabban: @NicolaSehnaoui Miangavy anao hiaraka hiombona amin'ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fiarovana ny aintsika mba hahafahantsika miaina ka hanana tsiambaratelo harovana #ProtectPrivacy

Ary manoratra i Sara Assaf:

@SaraAssaf: Na hino ianao na tsy hino, raha tsy hoe ianao no namono an'i Al Hassan, tsy misy handanian'i Ashraf Rifi ron-doha amin'ny resatsika manokana anaty simaiso! #ProtectPeople vs #ProtectPrivacy

Ilaina ny manamarika fa tsapa ho eo ambany fahefan'ny faraha-mientana ara-politika '14 Martsa’ ny ISF any Libanona, raha an'ny antoko mifanohitra aminy  fantatra amin'ny anarana '18 Martsa’ kosa i Sehnaoui. Matetika no misy fifandirana mivantana na ankolaka eo amin'ireo fironana roa ireo, ary misy fiantraikany tokoa eo amin'ireo adihevitra momba ny olana ao an-toerana ny lolon'ny fiforetana politika. Eo an-tànan'ny Filankevitry ny Minisitra ny raharaha amin'izao fotoana izao. Ny Takarivan'ny Talata, nanambara ity manaraka ity ny Minisitra Sehnaoui tao amin'ny Twitter sy Facebook:

@NicolaSehnaoui: Tsy tafiditra tanatin'ny fandaharam-potoan'ny Filankevitry ny Minisitra androany ilay raharaha. Soa ihany fa horesahina ny Alarobia ho avy izao izany. #ProtectPrivacy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.