Fihetsika Hafahafaha Ataon'ny Facebook

Herinandro vitsy lasa izay, raha nanoratra vaovao tao amin'ny Facebook aho, nahamarika aho fa “nitia” pejy Facebook iray natokana hamarotana ireo politikam-piantohana ny namako izay voasambotra tany Syria. Gaga aho ary tonga dia nijery ny rindriny mba hahitako raha navoaka izy. Efa amam-bolana izao no tsy nanavao ny rindriny farany izy, kanefa dia toa mitia pejy anjoanjo hafa avy aminà orinasa izay inoako fa tsy hahaliana azy mihitsy.

Noheveriko fa fahadisoana izany ary tsy nanao fikarohana lalina kokoa mikasika io raharaha io hatramin'ny namakiako lahatsoratra iray avy amin'ny Read Write Social mifantoka amin'ny fihetsika hafahafaha amin'ireo ”fitiavana” sy “rindrambaiko”. Ireo ohatra voalazan'ilay mpanoratra dia ahitàna ireo namana liberaly mitia an'i Mitt Romney, mpomba ny fanjakan'i Baroa mitia ireo marikanà orinasa, ary misy mihitsy aza namana mitia pejy iray volana aorian'ny nahafatesany.

Bokotra Facebook avy amin'i birgerking ao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Mivaky toy izao ny fanazavan'ny Facebook ho an'ny Read Write Social: “ Ireo ´fitiavana´avy amin'ireo olona maty dia mety hitranga raha tsy ‘natao tahiry’ ny kaontiny,” izany hoe tsy nisy olona nitatitra tamin'ny Facebook fa maty ny tompon'ilay kaonty. Maro anefa ireo fanontaniana mbola mipetraka: Ahoana raha tsy nitia ilay pejy mihitsy ilay mpampiasa? Inona ny fanazavana ity… fihetsika hafahafaha ity? Inona ireo rohirohy misy eo amin'ny olona “mitia” zavatra tsy tiany akory? Ohatra iray amin'izany ny fipoitran'ireo “fitiavana” pejy ao amin'ny Facebook tanatinà fitsarana taloha.

Izahay ato amin'ny Global Voices Advocacy dia miahiahy mikasika izany ary niresaka tamin'ny Facebook ny momba izany. Naharay mailaka avy aminà mpitondra tenin'ny Facebook izahay izay nisaotra anay ny amin'ny fanolorana io olana io ho eo amin'izy ireo nefa mbola tsy nahazo fanazavana hatreto.

Nanatanteraka fanadihadiana ihany koa izahay eo anivon'ny vondrom-piarahamonina mba hahitàna raha nahamarika fihetsika hafahafa mikasika ireo pejy sy rindrambaikon'ny Facebook ireo mpikambana. 12 amin'ireo mpampiasa 20 namaly no nitatitra zava-nitranga mampiahiahy:

“Eny, misy tranga roa miseho foana: Namana tsy manan-janaka mitia rindrambaikon'ny Pamper; lehilahy mitia Falabella, mpivarotra antsinjarany mampiroborobo firavaka; ny vadiko mitia fitaovana iray fampahalalam-baovao tsy misy ifandraisany amin'ny zavatra mahaliana azy”

“Eny, mahamarika izany aho isanandro. Ampahany aminà fanaovana dokambarotra miafina ve ity?”

“Eny, nitranga tamiko in-dray izany. Tsy tadidiko ny anaran'ilay pejy fa mpilalao cricket indiana ilay izy”

Eny, efa imbetsaka izany no notranga. Rehefa nakao amin'ireo Laha-pejy aho dia nahita fanaovaozana avy amin'ireo pejy tsy notiaviko mihitsy. Tsy azoko ny fototra ijoroany satria tsy misy zavatra ifandraisan'ireo pejy tsy tiako. Ohatra iray amin'izany ny pejy mikasika sakafo, Shawerma El Rim.

Mpanondro iray mampidi-doza ny fahitàna fa toa liana na manohana lahatsoratra tsy hitovizany hevitra ireo mpampiasa Facebook. Ny zavatra tian'ny olona na tsy tiany, ireo vaovao arahany sy ireo fanentanana tohanany dia misy ifandraisany amin'ny maha-izy azy, ary ny fandisoana izan dia mety hanimba azy ireo eo imason'ny rehetra.

Manazava ity manaraka ity ny valin-teny iray hafa tanatin'ilay fanadihadianay:

“Vao tsy ela akory izay no nakako sary iray ‘nitiavan'ny namako an'i Mitt Romney sy Lincoln Cars, izay tsy nisy nipoitra tao amin'ny ‘zavatra tiany’ araka ny pejy Facebookiny. (Ao amin'ny pejy fandraisan'ny Facebookiko ihany) Niteny tamiko izy fa tsy mbola “nitia” na iray tamin'ireo pejy ireo aza. Demokraty rain-dahiny koa izy, ary nahazo hafatra ‘fankahalàna’ maro tao amin'ny Facebook noho ny fahitàna ireo ‘fitiavana pejy’ ireo.

Mitaratra fitarainana ireo valin-teny azonay, tsy mikasika ireo pejy sy rindrambaiko Facebook irery ihany fa mikasika ihany koa ny fitaovan'ny Lanonana:

“Namorona lanonana tsingerintaona nahaterahana ho anà mpiara-mianatra 6 fotsiny ny namako, nefa ny safidin'ny tsiambaratelo mikasika ilay hetsika dia “Naman'ny namana”. Namerina nijery niaraka taminy aho, ary 6 taminay fotsiny no nasainy. Gaga aho raha nahita fa nanindry ny bokotra “Angamba” ny zanaky ny iray tam-po amin'ny ray aman-dreniko, izay midika fa voaasa izy, nefa ny namako sy izy tsy mpinamana! Nisy olona sady tsy namako no tsy naman'ilay namorona ny lanonana ihany koa nandray anjara tanatin'io lanonana io. Tsy fantatray hoe iza izy, ary mazava ho azy fa tsy voaasa tanatin'io fankalazana io ny tenany. Ohatra ny mampidi-doza izany raha amiko manokana. Ahoana raha tena nipoitra tany amin'ny tranon'ilay namako io olona io?”

Iza no ao ambadik'ireo “fitiavana pejy” sy fanasàna ireo?

Araka ny voalazan'ny mpanoratra ilay lahatsoratry ny Read Write Social, Bernard Meisler, “sarotra ny maminavina fa hanomboka ‘hitia’ zavatra ao ambadiky ny olona izay tsy nahazoany alalana ny Facebook. Na ho an'i Mark Zuckerberg aza, ilay lehilahy niteny tamin'ireo mpikambana ao aminy indray andro fa, ‘Mahatoky ahy ry dombo adala,’ Efa tafahoatra kosa.”

Na izany aza, sarotra ihany koa ny mieritreritra fa mety niasa tao ambadiky ny Facebook sy tsy nahazoany alalana mpanao dokambarotra anà marika sy sokajin'olona fahatelo mpanao dokambarotra. Na izany na tsy izany, tokony hanahy ny momba izany noho ny fitokisana sy ny fahazoa-matoky azy ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.