- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Atrikasa: Media Nomerika ho an'ireo Teny Tandindonin-doza Ao Amerika Latina

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Fanamarihan'ny Rising Voices: Faly izahay miara-miasa anatin'ity hetsika ho tanterahina ny voalohandohan'ny 2013 ity. Ity dia dikateny notovozina avy amin'ny lahatsaratra amin'ny teny Espaniola [1] ao anatin'ny bilaogy Living Tongues.

Feo Miaritra : Atrikasan'ny Media Nomerika ho an'ireo Mpiteny ny Teny tandindonin-doza any Amerika Latina
Daty: 7-11 Janoary 2013
Toerana: Trano famakiam-boky ao Santiago [2], Matucana 151, Shily
Mpiara-miasa: Tetikasa Feo Miaritra [3] (Fampianarana Ambony Mikasika Ny Teny Velona + Ny fikambanana National Geographic), Ny Anjerimanontolo UTEM [4], ny Fundación Imagen of Chile [5], ary ny Rising Voices [6].

Zavamisy: Rehefa maty ny hevitra, mahantra avokoa isika. Antsasak'ireo teny 7000 eto amin'ity tany ity ankehitriny no tandindonin-doza ho faty: fiovana goavana eo amin'ny tantara ara-tsain'ny zanak'olombelona. Mifohafoha volo [miaritra] ny fototry ny fahaizan'ny olombelona, ary mandritra ny 99% amin'ny tantarantsika dia niampitapita amin'ny aloaky ny vava. Eny , tena marefo izany. Tsy voasoratra ny ankamaroany, ary mety hadino tokoa. Afaka manampy hirakitra sy hitahiry izany fahaizana hita any anatin'ireo teny izany ny teknolojia nomerika.

Tanjona: Hanofana zana-tany 12 mpandray anjara miaraka amin'ny tanjona izay hahafahan'izy ireo mianatra ny fomba hamoronana rakitra ho an'ny teniny tadindonin-doza amin'ny alalan'ny famoronana fitaovana vaovao mikasika ny teny, tahaka ireo rakibolana miteny avy amin'ny alalan'ny fampiasàna solosaina, kamera, rakipeo sy teknolojia hafa. (Hizotra amin'ny teny Espaniola izany atrikasa izany).

Fandaharam-potoana: Isan'andro dia hisy hetsika samihafa natokana ho azy ary mifandray amin'ny firaketana ny teny nomerika. Amin'ny fitenin'ireo zana-tany mpandray anjara ireo fitaovana rehetra hovokarina. Ity manaraka ity ny fandaharam-potoana  mikasika ilay atrikasa:

ANDRO 1 – Alatsinainy 7 Janoary 2013

ANDRO – Talata 8 Janoary 2013

ANDRO 3 – Alarobia 9 Janoary 2013

ANDRO 4. Alakamisy 10 Janoary 2013

ANDRO 5. Zoma 11 2013

===============================================================

Ireto manaraka ireto ireo zana-tany mpandray anjara, izay manam-pahaizana amin'ny tenin-dreniny:

Ireto ireo mpikarakara:

Dr. Gregory D. S. Anderson [27] (Fampianarana Ambony Momba ny Teny Velona), Anna Luisa Daigneault [28] (Fampianarana Ambony Momba ny Teny Velona), Eddie Avila [29] (Rising Voices) ary Luis Godoy Saavedra [30] (Centro de Desarollo Social, UTEM).

FIFANDRAISANA

Vohikala: Enduring Voices | Voices Duraderas from National Geographic [3] {feo miaritra}
Miara-miasa amin'ny Fampianarana Ambony Momba ny Teny Velona [31]
Raha mila fifandraisana fanampiny: Anna Luisa Daigneault, mpandrindra ny tetikasa Enduring Voices ao Amerika Latina. Finday (Etazonia): +001-415-613-0795 annaluisa@livingtongues.org