- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Mitaky Rindrambaiko Tovozina Malalaka Sy Maimaim-Poana ny Vahoaka

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

Maro no efa niteny ny anjara asam-panafahana nataon'ny teknolojia nandritra ny fitroarana tany Afovoany Atsinanana, ary maro ny tokony holazaina amin'ny anjara asan'ny fitroarana tamin'ny fanafahana [fampiroboroboana ny teknolojia ao amin'ny faritra].

Tamin'ny alarobia teo, nivoaka [1] tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny praiminisitra ejiptiana ny famintinana ny fivoriana natrehina faramparany teo. Ao amin'izany no naneken'ny governemanta ny handany $43,8 arivoarivo [tapitrisa] hahazoana lisansa sy vokatra rindrambaiko avy amin'ny Microsoft. Maro ny olom-pirenena ejiptiana no naneho ny hatezerany nahare izany vaovao izany.

@rrcoalition [2]: الحكومة تشترى سوفت وير من مايكروسوفت ب 44 مليون دولار, ويقولوا الدولة على وشك الافلاس

@rrcoalition [2]: Nandoa $44 arivoarivo ny governemanta hahazoana rindrambaiko avy amin'ny Microsoft, nefa milaza ny fanjakana fa ho bankirompitra.

@Aya_Ayman [3]: Yes, because the government fed and sheltered all the poor and homeless in Egypt and have a few extra millions left!

Eny, satria mamahana sy mampialoka ny mahantra sy ny tsy manan-trano rehetra manerana an'i Ejipta ny fitondrana ka manana ambim-bola an'arivoarivony!

Na izany aza, tsy ny habetsaky ny vola nolaniana no nahatezitra ny olona, fa hitan-dry zareo fa misy ny tsaratsara kokoa nefa kely ny fandaniana amin'izany ary azo natao ihany koa ny mampivelatra ny fikambanam-pampandrosoana ny rindrambaiko ao an-toerana.

Egypt 43 Million Microsoft [4]

Samar Ali (@SaMoRaAli [4]) nizara ity sora-baventy ity ao amin'ny Twitter.

@Gue3bara [5]: الحكومة كان ممكن تصرف مليون دولار مصري فقط وتسخر مجموعة من المطورين المصريين يشغلوا اجهزة الحكومة ببرمجيات مفتوحة المصدر

@Gue3bara [5]: Mba tsy handaniana vola tahaka izany, azon'ny governemanta natao ny nandany iray arivoarivo monja ho an'ny mpanangana rindrambaiko ao an-toerana hampivelarana vahaolana fisolo amin'ny fampiasan'ny governemanta rindrambaiko open source [6].

Manazava ny dikan'ny Open Source [tovozina malalaka] vetivety i Omar Ak:

‏@i3mmoor [7]: Pt – the open source besides being free, it can be modified and does not demand renewal. #OpenEgypt.

Ankoatra ny mampalalaka [maimaimpoana] ny open source, azo ovaina ary tsy mitaky fanavaozana [lisansa?]

Nagla Rizk [8], izay tale mpanorina ny Access to Knowledge for Development Center (A2K4D [9] na Foibe Fidirana amin'ny Fahalalàna ho Fampandrosoana ) sady mpikambana ao amin'ny komity fitaratry ny tetikasa Open Africa Innovation Research (Open A.I.R [10] na Open Fikaroham-Pihavaozana Afrika), nanampy toy izao tao amin'ny Twitter:

@naglarzk [11]: تعاقد الحكومة المصرية مع مايكروسوفت يزيد من توغل الأخيرة في السوق المصري ويقلص فرص الشركات الصغيرة خاصة القائمة ع المصدر المفتوح #OpenEgypt

@naglarzk [11]: Ity fifanarahana tamin'ny Microsoft ity, dia tsy vitan'ny mampakatra ny toerany eo amin'ny tsena ejiptiana, fa mampihena ihany koa ny fahafahan'ny orinasa madinika hifaninana eo an-tsena, indrindra fa ireo mpampita ny Open Source.

@naglarzk [12]: $43m deal w microsoft is real setback for #Egypt, esp after revolution with promise of openness, collaboration & freedom. #OpenEgypt

tena fihemorana ho an'i Ejipta ny fifanarahana $43 arivoarivo tamin'ny microsoft, indrindra taorian'ny revolisiona nampanantenana ny fisokafana, fiaraha-miasa ary ny fahafahana.

Hossam El-Hamalawy (@3arabawy [13]) namoaka antsipirihany kokoa ny antony [Ar] [14] tsy nanasoniavana io fifanarahana io. Ary maro ny fikambanana sy ny olon-tsotra no nametraka ny soniany tao amin'ity fanangonan-tsonia [Ar] [15] ity.

Tsy mijanona hatreo ny raharaha, saingy indreo ny mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Open Source ao Ejipta fa miantso ny hanaovana fihetsiketsehana mangina eo anoloan'ny biraon'ny minisitra [16] amin'ny 30 Desambra. Efa eo am-pikarakarana [17] ihany koa ny fihetsiketsehana any amin'ny faritra samihafa ao Ejipta. Ary efa ampiasaina ankehitriny ny tenifahatra #OpenEgypt [18] hampahafantarana ny olona ny rindrambaiko tovozina malalaka [Open Source], sy ny tombontsoa azo avy aminy.