Fiainana Ara-pananahana Tapa-kofehy, Endriky Ny Vehivavy Breziliana Maneran-Tany?

[Rohy amin'ny fiteny portiogey] Nandritra ny fandaharana “Fitsarana Jamba?” tamin'ny fahitalavitra tao Portiogaly, tao amin'ny RTP (Radio Televiziona Portiogey), ilay Lehiben'ny Mpisolovava (Batonnier) ao amin'ny holafitry ny Mpisolovava ao Portiogaly, Marinho Pinto, dia nanambara fa “ny zavatra iray isan'ny be indrindra fanondran'i Portiogaly dia ny Mpivarotena”.

Izany filazana izany dia nataony nandritra ny fanehoankevitra mahakasika ilay raharahan'i Catarina Migliorini, Breziliana vavy iray izay nivarotra ny mahavirijiny azy teo amin'ny 600 000 euros tamin'i Natsu, lehibena orinasa Japoney iray. Marinho Pinto dia nilaza mihitsy fa ny governemanta dia “miampanga ilay zatovovavy ho mpivarotena”, kanefa raha ny marina, ny mpampanoa lalànan'ny Repoblika maniry ny hanameloka ilay mpikarakara “Virgins Wanted” – Fitadiavana Virijiny – ho tambajotra-na fanondranan'olona sy mpivarotena.

Taorian'ny fanambarana nataon'i Pinto, tsy ferana ireo fanehoan-kevitra feno fahatezerana tao amin'ny Facebook sy Twitter, tamin'ny alàlan'ny tenifototra #justicacega. Ny rindrin'ny Facebook-n'ny Ministeran'ny Fifandraisana any ivelany ao Brezila dia feno hafatra niangavy fandraisana andraikitra avy amin‘ny Itamaraty (Fanamarihan'ny mpandika: Toy ny “Quai d'Orsay breziliana”) ary koa ny Fikambanan'ireo mpiavy sy mpiaro ny vehivavy.

Namoaka tsy fankatoavana ny Casa do Brasil de Lisboa (CBL) na Tranon'i Brezila, miaraka amin'ny Fikambanan'ireo firenena miteny Portiogey, kolontsaina sy maha-olom-pirenena (ALCC), ny Fikambanana ComuniDária sy ary ny Sendikàn'ny vehivavy fanolo sy setry (UMAR):

A infeliz perpetuação desta imagem redutora e hipersexualizada da mulher brasileira, através de pessoas que ocupam cargos de responsabilidade, como o Dr. Marinho Pinto, tem implicações graves para a vida de cada uma das brasileiras vivendo em Portugal. São frequentes os casos de assédio sexual, discriminação no emprego e na vida social, bem como dificuldades no acesso ao alojamento e interrogatórios abusivos nos aeroportos e nas esquadras de polícia.

Ny alahelo tsy azo kosehina vokatr'ity sary mampietry sy mametraka ny vehivavy Breziliana ho tena faran'izay malalaka amin'ny fiainana ara-pananahana ity, izay ankatoavin'ireo olona maro mitàna toerana afaka manapa-kevitra, toa an'i Dr. Marinho Pinto, dia tena misy fiantraikany ratsy mihintsy amin'ny fiainan'ireo Breziliana vavy tsirairay izay monina ao Portiogaly. Ny fanaovana ramatahora ara-pananahana dia tena matetika mihintsy, toy izany koa ny fanavakavahana rehefa mitady asa sy mandritra ny andavanandrom-piainana, sahala amin'ireo fahasarotana tsy maintsy sedraina mikasika ny fitadiavana trano honenana ary ireo fakàna am-bavany tafahoatraeny amin'ireo seranam-piaramanidina sy ireo paositry ny polisy.

Ny Sekretaria momba ny politika ho an'ny vehivavy, ny kabinetran'ny Mpanolontsainan'ny Filohan'ny Repoblika momba ny fandrafetana sy ny  Fandrindrana ny politika ho an'ny vehivavy breziliana, dia namaly ny antso ka nampahafantatra fa ny Masoivohon'i Brezila any Lisbona dia efa nilaza ny hatezeran'ny governemanta Breziliana tamin'ilay Lehiben'ny Holafitry ny Mpisolovava mikasika ilay Fanambaràna  nodradradradraina.

Tamina taratasy iray, niteny i Marinho Pinto fa ny dom-berin'ilay fanambaràny “dia nanafintohina fotsiny ny maro satria marina izy ireny” ary mbola nanamafy izy fa natao ho an'ireo Mpivarotena breziliana iharan'ny famarotana vehivavy ao Portiogaly ny fanehoankeviny.

Busca no Google pelo termo mulheres brasileiras em inglês reflete o estereótipo sofrido pelas brasileiras

Fitadiavana tsotra ao amin'ny Google amin'ny teny hoe “vehivavy breziliana” amin'ny teny anglisy, dia maneho ny fomba fijery raiki-tampisaka an'ireo vehivavy breziliana.

Ny Fanambaran'i Marinho Pinto dia mamelona indray ny adihevitra mikasika ny kisary hahalalana eran-tany ny vehivavy breziliana. Ireny lohahevitra momba ny fety misaron-tava sy ny torapasika ireny, izay ahitana sarinà vehivavy zara raha mitafy, no endrika iraisana hanehoana ny vehivavy breziliana.

“Ireo Mpanao Gazety, sy ireo fampahalalam-baovao vahiny amin'ny ankapobeny, dia nanjary naka ho fahazarana ny fanehoana amin'izao tontolo izao ny vehivavy breziliana, miaraka aminà fatram-panimbàna tsy azo iadian-kevitra, fitsaratsaram-poana mihoampampana sy fanaovana bango tokana tafahoatra, hoy ny fiampangan'ny lahatsoratra iray nosoratan'i Katia Belisário, mpampianatra ao amin'ny Sampam-pampianarana Serasera ao amin'ny Anjerimanontlon'i Brasilia sady manampaizana ambony (doctorante) amin'ny fanaovana gazety sy fiaraha-monina, ho an'ny Observatoire Média & Politique :

Representações estereotipadas e preconceituosas por parte da imprensa podem gerar consequências nefastas, tanto para a imagem da brasileira no exterior, quanto para o Brasil como um todo.

Ny fanehoana raiki-tampisaka sy feno fitsaratsaram-poana ataon'ireo mpanao gazety dia mety hiteraka voka-dratsy, na ho an'ny endrika ivelany hahalalan'ny avy any ivelany ny vehivavy breziliana, na ho an'i Brezila amin'ny ankapobeny.

Tao anaty bilaoginy, mitantara [amin'ny teny anglisy] ireo niainany tany Italia sy ireo fihetsika feno fitsaratsaram-poana ataon'ireo Mpanao gazety ireo mpiray tanindrazana aminy ilay breziliana vavy Melissa Rossi:

Tsy mbola nahita lahatsoratra aho na dia iray aza taminà Gazety Italiana ka tsy nanaratsy ny vehivavy breziliana, izay matetika no maka ireo fomba fijery mitsaratsara foana  manafintohana, izay mamoaka azy ireo ho tsara tarehy saingy kely saina.

Performance "Carimbada" da designer gráfica Janaína Teles: "utilizo o carimbo como objecto que taxa e marca outros corpos como a si mesmo (...) testemunha de um auto reconhecimento desta mulher marcada e estereotipada, abrindo possibilidades de processos de resignificação de identidades."

Fampisehoana “Tomboka vatsa” nataon'ilay mpanome endrika Janaína Teles tao amin'ny bilaogy Corpo des-mapeado: “Mampiasa fitomboka aho ho toy ny zavatra voazanaka sy manamarika vatana hafa toy ny azy ihany (…) fijoroana vavolombelona ho fisaorana ataon'ity vehivavy efa voamarika sy notsaratsaraim-poana ity, manokatra dinga hafa mety ho azo raisina hanomezana dika vaovao ny maha-izy ny tena.”

Ny volana Febroary tamin'ity taona ity, Claudia M. Vieira, mpisolovava sady mpampianatra ambony amin'ny Lalàna Iraisam-pirenena ao amin'ny Anjerimanontolon'i Lisbona, dia nanoratra tao amin'ny tranokala Sair do Brasil (Mivoaka an'i Brezila) mikasika ny vokatry ny fitsaratsaram-poana sy ny fanavakavahana misy atao amin'ireo breziliana vavy any ivelany:

É tão grave a situação que as próprias mulheres brasileiras  estão mudando o comportamento.  As que ja vivem mais tempo fora do Brasil,  já nem sorriem naturalmente, não brincam, não usam as roupas que gostam, tudo isso, por medo de sofrer preconceito. No curso de Mestrado da Universidade de Lisboa, constatei algumas alunas, falando com o sotaque português para serem aceitas, com a desculpa de que assim eles, os portugueses as entendiam melhor.

Efa tena henjana ny zava-mitranga hany ka efa manomboka manova fihetsika ireo vehivavy breziliana. Ireo izay mipetraka ela lavitra an'i Brezila dia tsy mba mitsiky amin'ny fo intsony, tsy misangisangy intsony, tsy miakanjo ireo akanjo mahafinaritra azy intsony, ary izany rehetra izany, noho ny fahatahorana ireny fitsaratsaram-poana ireny. Tamin'ny fampianarana ambony tao amin'ny Anjerimanontolon ‘i Lisbona, nahamarika aho fa ny sasantsasany amin'ireo mpianatra (vehivavy) dia niresaka amin'ny fiteny portiogey mba ho eken'ny olona, sady arahana fialan-tsiny hoe amin'io fomba io, ry zareo Portiogey, mahazo tsara azy ireo.

Tamin'ny Septambra 2011, Mariana Selister, nanoratra boky fanohanana voka-pikarohana (thèse de doctorat) mikasika ny fanehoana ny vehivavy breziliana any anaty media sosialy Portiogey, dia nandefa sahady ny Manifesto Mulheres Brasileiras (@MBrasileiras), ho mariky ny tsy fanekena ireo fitsaratsaram-poana atao amin'ireo vehivavy breziliana ao Portiogaly:

O estigma da hipersexualidade remonta aos imaginários coloniais que construíam as mulheres das colônias como objetos sexuais, escravas sexuais, e marcadas por uma sexualidade exótica e bizarra. Cita-se, por exemplo, a triste experiência da sul-africana Saartjie Baartman, exposta na Europa, no século XIX, como símbolo de uma sexualidade anormal. Em Portugal, esses imaginários coloniais, infelizmente, ainda são reproduzidos pela comunicação social.

Ny holatry ny fahalalahana ara-pananàhana dia efa tany amin'ny fotoanan'ny fanjanahantany izay nanindrahindrana ny vadin'ireo voazanaka ho toy ny fanaka sy fitaovana ara-pananahana, ho andevon-pananahana, nomarihana indrindra tamin'ny fiainana ara-pananahana avy any ivelany sy “hafahafa”. Azo lazaina ho ohatra amin'izany ny zavatra nampalahelo niainan'ilay afrikana tatsimo vavy Saartjie Baartman, naranty tany Eoropa, tamin'ny taonjato faha-19, ho toy ny mariky ny fiainana ara-pananahana tsy ara-dalàna. Tany Portiogaly, mbola mitohy vokarin'ny fiarahamonina ihany ireny fomban'ny mpanjanakairey amin'ny alàlan'ny serasera ao anatin'ny fiaraha-monina.

Mbola mandefa antso maika sy araka izao vanim-potoanaa izao izy :

Exigimos, das autoridades competentes, que se faça cumprir a “CEDAW – Convenção para a Eliminação de Todas as Formas de Discriminação Contra as Mulheres”, da qual tanto Portugal, como o Brasil, são signatários. Destacamos, também, o “Memorando de Entendimento entre Brasil e Portugal para a Promoção da Igualdade de Gênero”, no qual consta que estes países estão “Resolvidos a conjugar esforços para avançar na implementação das medidas necessárias para a eliminação da discriminação contra a mulher em ambos os países”.

Takianay, amin'ireo mpitondra fanjakana mahefa, ny hampanajàna ny “CEDAW – Fifanarahana mikasika ny Fanafoanana ny endri-panavakavahana rehetra atao amin'ny Vehivavy”, izay samy nanao sonia azy na i Portiogaly na i Brezily. Misintona ny saina ihany koa izahay ny amin'ny “Taratasim-piraketana ny Fifanarahan'i Brezila sy i Portiogaly momba ny Fampiroboroboana ny Miralenta”, ka ao anatin'izany dia voalaza fa ireo Firenena ireo dia “nanapa-kevitra fa hanambatra ny hery handrosoana amin'ny fametrahana ireo fomba rehetra ilaina hahafoana ny fanavakavahana mahazo ny vehivavy ao anatin'ireo firenena anankiroa ireo”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.