- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Goiana: Mitady Ny Rariny Ho An'ilay Vao 17 Taona Monja Tra-doza Noho ny TIfitra Nataon'ny Polisy

Sokajy: Karaiba, Goiana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona

Androany [18 Septambra, 2012] no manamarika ny herinandro hatramin'ny nahafatesan'i Sahquille “Georgie” Grant, 17 taona, noho ny tifitra nataon'ny polisy [1] teo amin'ny alokaloky ny Third Street, Agricola. Naratra tao anatin'ny loza i Romel Bollers, 20 taona avy any Brutus Street, Agricola, ary izy, niaraka tamin'ireo lehilahy vitsivitsy no nentina tany am-ponjan'ny polisy hatao fanadihadiana.

Nanamafy ny polisy fa nisy nitifitra ka dia namaly tifitra tsotra fotsiny ry zareo – nefa ity fanambarana mikasika ny zava-nisy ity dia notoherin'ny vavolombelona iray tsy mitonona anarana [2] izay natonin'ny Alliance For Change [3] (AFC) tarihin'i Nigel Hughes, izay namoaka ny fanambarany ao amin'ny pejiny Facebook:

Vao avy nandre ny feom-basy aho, dia niverina nitsikilo ary nahita ilay tovolahy izay nikiakiaka teo aloha, nitsirara tsy afa-nihetsika teo amin'ny tany. Mbola nitsangana teo amin'ireo lehilahy ireo ry zareo polisy.

Nisy polisy iray izay tena nisahotaka be. Nilaza tamin'ity farany ny polisy ambiny ‘mipetraha tsara, dia mitonia ianao.’

Raha mbola nitomany ilay tovolahy, dia hoy ilay polisy taminy, ‘mbola tsy maty aloha ianao hatreto’

Tovolahy roa no nihazakazaka nivoaka ny efitrano iray. Naasain'ireto polisy nitsilany tamin'ny tany ireo tovolahy roa hafa. Avy eo nitsoaka izy ireo taorian'ny tifitra.

Raha ny filazan'ny fianakaviana, dia nihevitra ny hiditra ao amin'ny Guyana Defense Force [4] i Grant rehefa 18 taona, izay ny mahatsikaiky, dia andro taorian'ny namonoana azy. Naneho ny fanadihadiana ny vatan'i Grant taorian'ny nahafatesany [5] fa in-telo notifirina izy – teo amin'ny loha, ny fo ary ny fitombenany.

Namoaka tatitra vaovao ao amin'ny YouTube mikasika ilay fifampitifirana ny haino aman-jery fototra any Goiana : eto [6], mitantara ny zava-niainany ny naman'i Grant, i Troy Greenidge sy i Jamal Henry; eto [7], manao fihaonana amin'ny mpanao gazety ny mpitarika ny AFC, i Nigel Hughes niaraka tamin'ny renin'ireo tovolahy roa voatifitra. Maneho ireo hetsi-panoherana tao ivelan'ny Biraon'ny Polisy ity rakitsarim-baovao ity [8] :

Namoaka fanambarana [9] manameloka ny fitifirana ny Guyana Youth Student Movement – Hetsiky ny Tanora Mpianatra ao Guyana:

Nivarahontsana ny sampana tanora ao amin'ny Kaongresy asionalin'ny Vahoaka ho amin'ny Fanovàna (People’s National Congress Reform), ny Hetsiky ny Tanora Mpianatra ao Guyana – Guyana Youth Student Movement (GYSM) tamin'ny nitifirana an'i Shaquille Grant, 17 taona, ny Talata 11 Septambra 2012. Voalaza fa nataonà mpikambana iray avy amin'ny polisin'i Guyana ilay tifitra tao Agricola East Bank Demerara. Mitranga indrindra izany eo ankatoky ny fankalazana ny tsingerintaonan'ny Antokom-Bahoaka Progresista antsoina hoe ‘sampana tanora’.

Nanamarika ihany koa ilay fikambanana fa tsy vao voalohany akory ity fitifirana ity:

Ny fitifirana tamin'ny Talata 11 Septambra dia mamoha fota-mandry ny fahatsiarovana mangidin'ny 7 Jona 2010 tamin'ny nitifiran'ny manamboninahitra tao amin'ny Herin'ny Polisy ao Guyana an'i Kelvin Fraser,16 taona, sy ny fitifirana ireo manampahefan'ny APNU sy ireo mpanaraka azy tamin'ny 6 Desambra 2011 nataon'ny manamboninahitra ao amin'ny Herin'ny Polisy ao Guyana ary ny fitifirana Lindeners telo nataon'ny manamboninahitra ao amin'ny Herin'ny Polisy ao Guyana tamin'ny 18 Jolay 2012 ihany koa. Tsara marihina fa isaky ny loza voatonona teo, dia na tandindomin-doza foana ny tanora, na izy ireo maratra mafy, na maty. Manameloka ny hetsika fankahalana toy izany ny GYSM; mila hatsahatra dieny izao ny famonoana tsy misy dikany ireo tanorantsika!

Nasehon'ny [10] One Voice Can ho tondro manambara ny tsy fahafehezan-tenan'ny herin'ny polisy ilay fitifirana farany teo iny [10]:

Mazava ho an'ny OVCN amin'izao fa misy mikorontana mihitsy ao amin'ny Herin'ny Polisy ao Guyana ao. Satria moa ny Minisitry ny Atitany mitohy mandringa miaraka aminà Minisitra tsy mahomby izay efa nambaran'ny vahoaka ny tsy fahatokisany azy,  ny kaomiseran'ny polisy Leroy Brummel dia hita fa toa tsy mahavita mifehy ireo ampahany mpanao fisafoana eo anivon'ny polisy izay manohy mampijaly manimbazimba ny vahoaka tsy manan-tsiny.

Ao anatinà lahatsoratra iray fanjohiana azy ity, [11] dia mangataka fanovàna goavana ao amin'ny Herin'ny Polisy ao Guyana ny One Voice Can Win [11] ary nanakiana ny fanambaran'i  Kaomiseran'ny polisy Leroy Brummell [12] nilaza fa mety ho “tamin'ny fotoana ratsy sy tamin'ny toerana ratsy “ [13] i Grant tamin'izay fotoana izay:

 Manantena aho fa tsy ho tratran'ny sady tamin'ny fotoana ratsy no tamin'ny toerana ratsy indray miaraka, ary mino aho fa Andriamanitra hanome ahy fahendrena hahalalako hoe aiza izay toerana izay. Voatazona tsara ao amin'ny lalam-panorenantsika ny zo fototra sasany  ho an'ny fiainana sy fahalalahana, ary tokony hahatsapa fahalalahana hisahana asa amin'ny andavan'androm-piainana ny tsirairay na aiza na aiza, na rahovina na rahoviana, tsy misy ahiahy amina mety ho voina na famonoana tsy amin'antony ataon'ny polisy. Tena maneho tsy firaharahiana goavana i Brummell, Kaomisera mpisolo toerana ao amin'ny polisy raha nilaza fa teo amin'ny toerana ratsy tamin'ny fotoana ratsy Atoa Grant; ahoana mihitsy no ahafahany miteny zavatra toy izany nefa ny fanadihadiana mbola an-dàlana? Ary ahoana no tsy hahatonga ny fanamarihana tsy voahevitra toy izany tsy handoto na hanova ireo dingana izorana?

Tamin'ny Alahady lasa teo, nilaza ny iray amin'ireo gazety teo amin'ny firenena fa lasa nandeha niafina [14] ny mpamily fiara fitateram-bahoaka Agricola iray izay nampangaina ho voarohirohy amin'ireo hetsika nataon'ny polisy, rehefa avy nodorana ny fiarany. Nolazaina fa havan'ny iray amin'ireo polisy voarhirohy izy.