Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nanohina An'i Meksika ny Fahafatesan’ilay Kolombiana Mpilalao Baolina Kitra Miguel Calero

Fanavaozam-baovao (4 Desambra 2012): Tamin'ny alalan'ny fanambarana an-gazety navoaka Facebook [es] no nilazan'ny Pachuca Football Club (Meksika) fa maty tamin'ny talata 4 desambra i Miguel Calero. 

Nandalo fotoan-tsarotra ilay mpialalao baolina kitra Kolombiana taloha Miguel Ángel Calero sy ny fianakaviany. Nanaraka fitsaboana manokana avy amin'ny dokotera spesialista i Calero hatramin'ny 25 Novambra,2012 taorian’ny fahatapahan'ny lalan-drà nahazo azy.

Nandany ny fotoam-piasany tao amin'ny Pachuca Football Club (Meksika) i Miguel Calero 41 taona (mpiandry tsato-kazo), tao ihany izy no tafatoetra ho mpilalao raikitra ka nahazoany anaram-boninahitra maro, tamin’ny sehatra nasionaly sy iraisampirenena, tao anatin’izany ny in-telo nandrombahana ny CONCACAF.

Namoaka filazana an-gazety ny tao amin'ny Facebook ny Pachuca Football Club tamin'ny 3 desambra fa maty ati-doha ilay mpiandry tsatokazo Kolombiana.

Pachuca, Hgo., 3 de Diciembre de 2012.

COMUNICADO DE PRENSA

Por medio del presente y después de haberle realizado los estudios y análisis correspondientes hace unos momentos, informamos que el Director Técnico de Arqueros, del Grupo Pachuca, Miguel Ángel Calero Rodríguez, presenta muerte cerebral.

Miguel Calero a partir de este momento continuará en Terapia Intensiva bajo medidas de soporte vital.

Atentamente
Dirección de Comunicación
GRUPO PACHUCA

Pachucha, Hgo., 3 Desambra 2012.

FILAZANA AN-GAZETY

Amin'ny fotoana anoratana ary taorian’ny famoahana ny fitiliana sy fandinihana, dia ambaranay fa tratran'ny fahafatesan'ny atidoha ny tale teknikan'ny mpiandry tsatokazo, ao amin'ny Grupo Pachuca, Miguel Angel Calero Rodriguez

Hatramin'izao fotoana izao, hapetraka ao amin'ny sampana fikarakarana fatratra sy fameloman’aina i Miguel Calero.

Misaotra tompoko,
Talen'ny fifandraisana
GRUPO PACHUCA

Naneho hevitra mikasika ity filazam-baovao avy amin’ny ekipa ity i Luis Garcia mpilalao baolina kitra teo aloha (@GarciaPosti) [es]:

Miguel Calero. Foto de Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

Miguel Calero. Photo courtesy of Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

@GarciaPosti: Terrible noticia lo de Miguel Calero. Deportista de elite, ejemplar ser humano. Bendiciones a su familia y seres cercanos.

@GarciaPosti: Mampalahelo ny vaovao mahakasika an’i Miguel Calero. Atleta mamiratra, fitaratry ny zanak'olombelona. Hotahiana anie ny tapaka sy namany.

Enrique Garay (@quiquegaray) [es], mpanao gazety ara-panatanjahatena, nilaza tahaka izao momba an'i Calero:

@quiquegaray: He tenido privilegio de tratar a Calero un par de veces…Tremenda personalidad, fanático NFL, tipo claro y directo… Lleno de amigos…

@quiquegaray: Efa mba nisy fotoana vitsy nahafahako nihaona tamin'i Calero… Manana ny maha-izy azy, mpankafy NFL, olona mazava sy mahitsy fo… mana-namana maro…

Maro samihafa ireo fanehoam-piraisan-kina hita ao amin’ny Twitter, indrindra tamin'ny fampiasana teny-fahatra #FuerzaCalero [es] (Mahereza Calero!). Naneho fanohanana ny fianakavian'i Calero Ilay mpiandry tsato-kazo Meksikana Guillermo Ochoa (@yosoy8a) [es] :

@yosoy8a: Mucha fuerza a la familia y seres queridos de Miguel Calero, mis oraciones y pensamientos están con uds. #FuerzaCalero#FuerzaCóndor

@yosoy8a: Fankaherezana feno ho an’ny fianakavian’I Calero sy izay tiany, ny fivavahako rehetra sy ny eritreritro dia ho anareo #FuerzaCalero #FuerzaCóndor 

Na dia ireo izay tsy an’i “Condor”, anaram-bositry ny fomba filalaovan’I Calero aza, dia naneho fijery tsara tamin'ny filazan-kevitra, tahaka izany i Eliel Hernandez (@Eliel_HDZ) [es] izay nilaza hoe:

@Eliel_HDZ: nunca me gusto su estilo pero #FuerzaCalero campeon de la sudamerica y multiple campeon en Mexico necesitamos mas profesionales como el [sic]

@Eliel_HDZ: Tsy tia ny fomba filalaony aho hatramin'izay saingy tompon-dakan’ny Amerika atsimo sy imbetsaka tompon-dakan’ny Meksika i #FuerzaCalero, mila matihanina maromaro tahaka izany izahay

Naneho fihetsem-po toy izay ihany koa ny mpanaraka iray an'i Club Deportivo Guadalajara (Ekipa ara-panatanjahantena Guadalajara). Tamin’ny alalan’ny solon’ anarana  @chivito_mat  [es] no nisiahany toy izao:

@chivito_mat: #FuerzaCalero Los Colores y rivalidades aquí salen sobrando. Un minuto de aplausos para un Guerrero de las canchas: Miguel Calero.

@chivito_mat: #FuerzaCalero Tsy ilaina izany loko sy fandrafiana izany eto. Minitra iray hiderana ilay miaramila an-kianja: Miguel Calero

Ora vitsy taorian’ny nandrenesany ilay vaovao mahakasika ny fahafatesan'ny ati-dohan'i Calero, no naneho hevitra ny bilaogera Sopitas [es]:

El 22 de octubre de 2011, en un juego contra Pumas y a los 40 años, Miguel Ángel Calero anunció que retiraría de las canchas, pero siguió ligado a la institución hidalguense, siendo entrenador de porteros.

Uno de los mejores arqueros y extranjeros que han llegado al fútbol mexicano en los últimos 20 años.

¡Fuerza Calero!

Tamin’ny 22 oktobra 2011, nandritra ny lalao nifanandrinana tamin’ny Pumas ary teo amin’ny faha-40 taonany i Miguel Angel Calero no nilaza fa haka retirety amin'ny filalaovana eny an-kianja, saingy mbola niaraka tamin'ny ekipa amin'ny maha-mpanazatran'ny mpiandry tsato-kazo azy ihany izy.Iray amin’ireo mpiandry tsato-kazo sy vahiny mendrika indrindra teo amin'ny football meksikana tao anatin'ny roapolo taona

Mahereza ry Calero!

Eo am-piandrasana hatrany ny fiafaran’ity fotoan-tsarotra sy mampalahelo ity eo amin’ny fianakavian’I Calero sy mpanaraka an’arivony an'ity mpiandry tsato-kazo malaza manerana an'i Amerika Latina ity izahay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.