India : Adi-hevitra Manodidina ny Famonoana ho Faty Noho ny Fanolanana

Delhi, sy ny fiantsoana azy mampiahiahy ho ‘renivohitry ny fanolanana’ no nanatri-maso indray ny fanaovana an-keriny  vehivavy 23 taona (jereo ny tatitry ny Global Voices), izay niteraka fihetsiketseham-panoherana goavana tao an-drenivohitra sy nanerana ny firenena. Noho ny fahasosorana tamin'ny herisetra farany teo, nitaky ny hahahentitra kokoa ny lalàna sy hanenjanana ny fanasaziana ho any amin'ny faratampony ho an'ny mpanao an-keriny ny olona avy amin'ny sehatra samihafa, mpikambana ao amin'ny Parlemanta Sushma Swaraj no nanentana voalohany ny fitakiana.

Sarotra ny miresaka momba ny fanolanana sy ny didy famonoana ho faty. Namoaka isa mampitampim-bava momba ny herisetra atao amin'ny vehivavy ny Birao Nasionaly misahana ny adi-heloka bevava ao India. Tamin'ity taona ity ihany, maty tao Dehli noho ny fihoaram-pahefana ny zazakely roa taona antsoina hoe Baby Falak. Misy endrika isan-karazany ny herisetra atao amin'ny vehivavy: famonoana ny zazarano vavy, fampijaliana an-tsekoly, fanorisorenana, fitakiana fanaka rehefa hivady, fanaovana an-keriny (misy ny tranga sasany heverina ho manara-penitra ao amin'ny fiaraha-monina). Misy fanjakana ao avaratra atsinanan'i India antsoina hoe Manipur efa nahitana fanaovan'ny miaramila ao aminy ankeriny ny vehivavy nanao fihetsiketsehana niaraka tamin'ny sora-baventy hoe , “Miaramila Indiana: Aolàny Izahay.” Ao amin'ny mpikambana parlemantera aza dia 369 no miatrika fiampangana ho nanao heloka bevava tamin'ny vehivavy.

Tanora mpanao fihetsiketsehana iray mitabataba fatratra manondrotondro ireo polisy nandritra ny fihetsiketsehana nanaraka ilay fanolanana faobe nihatra tamin'ny vehivavy iray tao amin'ny bus-n'i Dehli. Sarin'i João Costa Leão. Copyright Demotix (23/12/2012)

Ao anatin'izao fahasarotana iainan'ny fiaraha-monina sy ny fielezan'ny fihoaram-pahefana fatratra izao, nandeha ny fanentanana faobe ao amin'ny tambajotran-tserasera ary navaivay ny adi-hevitra momba ny fampamonoana ho faty izay ahitana fanangonan-tsonia an-tserasera.

Tsikerain'i Stalin K Padma ny gazety iray (Times of India) manandratra ny fampamonoana ho faty,

The ad unfortunately perpetuates the notion that a woman's life is finished (‘takes away a woman's life’) when she is raped! The severe social stigma attached to rape, promoted by ads and arguments like these, are singularly responsible for women committing (or attempting to commit) suicide.

Indrisy fa mbola misy hatrany ny mametrapetraka fa vita hatreo ny fiainan'ny vehivavy iray aorian'ny fanolanana nihatra taminy ! Ny fanilikilihana noho ny fanolanana sy ny fomba fisaina arangaranga tahaka izany no tena mahatonga ny vehivavy hamono tena.

Izay amoahan'i Sakshi Soi ny isan'ny tranga ao amin'ny tanànan'i Delhi irery:

We've been through all of these discussions earlier haven't we? This isn't the first rape case Delhi/India has seen. 600+ and counting in Delhi alone! How many punished? We demand death penalty because there is need for immediate action!

Efa niady hevitra momba izany isika tany aloha, sa tsy izany ? Tsy io no fanolanana voalohany nitranga tetoDelhi na India. Mihoatra ny 600 ary mbola mitohy raha ho an'ny tanànan'i Delhi irery ! Firy ny voasazy ? Mitaky ny famonoana ho faty izahay satria mila fepetra eo noho eo !

Protests at India Gate-007

Hetsi-panoherana eo am-bavahadin'i India. Sary avy amin'ny mpisera Flickr ramesh_lalwani CC BY-NC 2.0

Mamoaka ny heviny i Aswathy Senan izay efa niantso sy nandray anjara tamin'ny fihetsiketseha-panoherana:

Hope all this doesn't come to a point when we will need to hold another protest against capital punishment!!! I wouldn't hesitate to hold media as one of the prime forces responsible for making “capital punishment” the ideal punishment for the rapist!

Manantena aho fa tsy ho tonga amin'izany dingana izany isika ka hikarakara fihetsiketseha-panoherana hafa ho fanoherana ny fampamonoana ho faty !!! Tsy misalasala aho manondro ny fampahalalam-baovao ho tompon'andraikitra voalohany amin'ny fametrahana ny fampamonoana ho faty ho fanasaziana ny mpanao an-keriny

Suresh Kumar miady hevitra amin'ny mpanohana sy ny mpanohitra ny fampamonoana ho faty ao amin'ny habaka Google Plus:

നിലവിലുള്ള ശിക്ഷയേക്കാൾ കൂടുതലായി വധശിക്ഷ ഒരു ഡിറ്ററന്റാകുമോ എന്ന കാര്യവും സംശയമാണ്. അഥവാ അങ്ങിനെ വധശിക്ഷ കൊടുക്കാമെന്ന് തീരുമാനിച്ചാൽ തന്നെ ഇൻഡ്യയിൽ ഏതാണ്ട് നാൽപ്പതിനായിരത്തിലധികം ആളുകളെ ഇപ്പോ തന്നെ വധിക്കേണ്ടി വരും എന്ന് പറയപ്പെടുന്നു. അത് നടക്കുന്ന കാര്യമാണോ? അപ്പോൾ പിന്നെ ഈ കുറ്റകൃത്യത്തിലേക്കെത്തുന്നതിനു മുന്നെ അതെങ്ങനെ ഫലപ്രദമായി തടയാമെന്ന കാര്യങ്ങളിൽ കൂടുതൽ ശ്രദ്ധകേന്ദ്രീകരിക്കേണ്ടി വരും.

Mampisalasala ihany raha ny famoana ho faty no fepetra mahasakana kokoa noho ny lalàna misy ankehitriny. Miadam-pandeha loatra ny rafi-pitsarana ka raha mivoaka amin'izao fotoana izao ny didy mampamono, dia mihoatra ny 40 000 ny isan'ny olona mbola hotsaraina. Mbola azo tanterahina ve izany? Noho izany mila mieritreritra isika amin'ny dingana sy ny fepetra ilaina ao anatin'ity fiaraha-monina ity hampitsaharana ity zava-maharikoriko ity tsy hitranga intsony.

Raha mbola mandeha ny adi-hevitra momba ny famonoana ho faty, namoaka sata arahina sombin-gazety heverina ho mamaly izao herisetra mihatra amin'ny vehivavy izao i Nirmal Harindran.

Girl Child Abandoned in Delhi

Zazavavy nariana tao Delhi

I think our issues starts here…The Indian Express, Delhi 19-December-2012

Mieritreritra aho fa io no fiandohan'ny olana… The Indian Express, Dehli 19 desambra 2012

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.