Habaka Fanaovan-Gazety Angon-dRakitra Frantsay Mahaleotena OWNI Norahonana Hakatona

[Ny rohy rehetra dia mitondra amin'ny pejy Teny Frantsay afa-tsy izay voalaza mifanohitra amin'izany]

Nivoaka iny herinandro lasa iny ny vaovao mikasika ny fanakatonana izay tsy azo ihodiviran’ ny OWNI (OWNI.fr), Angon-drakitra Frantsay momba Fampahalalàm-baovao sy fanaovan-gazety mahaleotena. Malaza amin’ ny fiaraha-miasa akaiky amin'ny WikiLeaks, OWNI (kilalaon-teny frantsay izay azo adika amin'ny hoe “Zavatra tsy fantatra ao amin'ny Habaka”) dia nampivoatra ny rindrambaiko WarLogs sy nanatanteraka ny famakafakana mahaliana ny amin'ny SpyFiles, ary dia nitatitra hatrany hatrany ny fanaraha-maso, sy ny fitantanana ny aterineto ary ny fahalalàhana an-tserasera. Ny ady hevitra misy ankehitriny ny amin'ny hoe ahoana no  hampahaleo tena sy ampaharitra ireo fampahalalàm-baovao an-tserasera dia nirongatra be tokoa tao anatin'ny taona vitsivitsy izao any Frantsa.

Araka ireo tatitra maro, mandrahona ny mpanao Gazety maromaro ho amin'ny fandroahana ao amin'ny OWNI ny fandaminana anaty ao aminy. Mitotaly 17 no isan'ny mpiasa ary ny 11 amin'izy ireo dia Mpanao Gazety avokoa, ary tsy mazava ny isan'ireo izay mety ho voaroaka mandritra ity fandrafetana manjavozavo ity. Ny fihenjanana misy eo amin'ireo Mpampiasa vola sy ireo Mpitantana ny famoahan-gazety no nanosika ity farany handao ilay ‘soucoupe volante’, OWNI afficionados no filazan'ny media azy.

Inty misy lahatsara izay mampiseho ny ekipan'ny OWNI tamin'ny alàlan'ny Rage Mag :

Tao anatin'ny hashtag #OWNIoupas (kilalaon-teny frantsay izay midika “ho an'ny OWNI na tsia”, mampitovy amin'ilay tantara an-tsehatra Hamlet “izy na tsy izy [fisiana na tsy fisiana]”), mpanao gazety maromaro nitoraka wiki iray izay hifampiadina hevitra miompana amin'ny  lohahevitra hoe: “OWNI ne ferme pas. OWNI est à vendre” (“Tsy nikatona ny OWNI. Hamidy ny OWNI “).

#OWNIoupas, screenshot of the home page of the website.

#OWNIoupas, sary indray mipika amin'ny pejin'ny fandraisan'ilay Habaka

Ity fanapahan-kevitra ity dia manana tanjona hametraka modely vaovao ara-toe-karena mba hahafahan'i OWNI mitazona ny anjara toerany eo amin'ny sehatry ny Fahampalalàm-baovao. Koa mba ananan'ireo mpiserasera fotoana malalaka anehoan'izy ireo ny heviny dia nanao fiatoana mandritra ny 72 ora ireo mpanao gazety:

@OWNI: Vous pouvez nous écrire sur demain@owni.fr On vous répond après la pause de 72h #OWNIoupas Propositions sur le wiki http://bit.ly/TMd86p

Afaka mandefa mailaka ho anay demain@owni.fr ianareo. Ho valinay ianareo aorian'ilay fiatoana 72 ora #OWNIoupas Soso-kevitra, mampiasa wiki http://bit.ly/TMd86p

Ny tanjona amin'ilay ady hevitra dia hita ao amin'ny tweet feno ankamantatra:

@OWNI: #OWNIoupas. Donc. http://owni.fr

#OWNIoupas. Izany hoe. http://owni.fr [Fomba iray arahana antontan'isa mba ilazana fa ny resaka eto tsy hoe ny ho fanakatonana ilay habaka fa ny hampaharitra azy]

Maro amin'ireo mpiserasera no manohana ny fivoahan'ny “mpilalao madio fo”:

@ParisMagik: C'est un mélange de démocratie et de liberté qui se meurt. Pendant que les autres continuent leur spectacle. #OWNIoupas

Fiharoharoan'ny demokrasia sy fahalalàhana izay mamono tena. Etsy andanin'izay, ny sasany manohy ny koranany ihany.

@JM_De_Marchi: #OWNI met son site en pause, lance un appel à contributions sur owni.fr et Twitter avec #OWNIoupas et cherche des investisseurs

#OWNI nampiato ny habany, manao antso fiaraha-mientana ao amin'ny owni.fr sy ny Twitter miaraka amin'ny #OWNIoupas, ary mitady mpampiasa vola maro

@RodolpheBaron: A travers @OWNI la question du modèle écode la #Presseweb se pose avec honnêteté mais aussi brutalité. http://owni.fr/ #OWNIoupas

Amin'ny alalàn'ny @OWNI, ny resaka momba ny modely ara-toe-karena [maharitra] ho an'ny habaky ny fampahalalam-baovao dia napetraka tam-pahatsorana nefa tao anatin'ny setrasetra be kosa. #OWNIoupas

@micro_ouvert: Cher père Noël, tu veux bien amener un investisseur (pas con) sous le sapin d’@OWNI ? Steuplé. #OWNIoupas

Ry Dadabe Noely, mba azonao hitondrana mpampiasa vola (fa tsy hoe tsisy dikany) eo ambany hazo noelin'ny @ONWI ve? zany an. #OWNIoupas

@MorganeGB: WTF ? Open home — Avis aux amateurs, “Owni ferme donc on l'ouvre” http://owni.fr/ #OWNIoupas

WTF? Open home — Antso ho an'izay liana, “Mikatona ny Owni, dia hosokafana izany” http://owni.fr/ #OWNIoupas

OWNI's @manhack nandrafitra Storify iray misy ireo karazana fihetseham-po mampahery arahina ezaka sy soso-kevitra mahaliana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.