Vehivavy Sodanezy Mpanao Gazety Nampijaliana, Manao Antso Avo

Hita toa nahazo vahana tato ho ato tao Sodana ny fanafihana atao amin'ireo mpanao gazety sy ireo mafàna fo mpiaro zon'olombelona araka ny asehon'ny fakàna an-keriny mahatsiravina sy ny fampijaliana ny mpanao gazety vavy Sodanezy iray nataon'ny National Intelligence and Security Service (NISS), fitaovana fiarovana malaza any Sodana. Sumaya Ismail Hundosa, 34 taona, no nisy naka an-keriny tao an-tranony tamin'ny 29 Oktobra, ary hita taty aoriana nisy nanipy tany anaty fotaka tany amin'ny faritra somary lavidavitra an'i Khartoum tamin'ny 2 Novambra, dimy andro taorian'ny fakàna an-keriny azy.

Nampijaliana ity mpanao gazety noho ny nanoratany lahatsoratra manakiana ny Filoha Sodanezy Omar Al-Bashir. Tena nodarohana mafy izy mandra-paha-tsy nahatsiarovany saina intsony, ary nosolaina ny lohany satria “an'ny Arabo” ny volony, ary ahitana dianà vely vy amin'ny faritra maro amin'ny vatany. Nanaovan”ireo mpaka an-keriny azy ompa mirarak'ompana feno fanavakava-bolonkoditra izy, nahitàna hatramin'ny hoe ny mpivaro-tena sy andevo noho izy avy any Darfur, faritra iray any andrefan'i Sodana izay nahita maso ihany koa efa am-polo taonany maro, ny ady mifandramatra.

Vondrona maro mpiaro ny zon'olombelona no nanameloka mafy ilay fanafihana mpanao gazety, isan'izany ny Komity Miaro ny Mpanao Gazety any New York ary koa ny Al-Karama [ar] any Lekera, izay nandefa antso tany amin'ny mpitondra fanjakana Sodanezy mba hanao fanadihadiana mikasika ilay fanafihana.

May noho ny doro tamin'ny fera fipasohana eo amin'ny sandrin'i Hundosa. Nodorana tamin'ny fera fipasohana teo amin'ny kibony, lamosiny, ary faritra maro eny amin'ny vatany!

Tohina sady hatezerana

Satria tsy nosokafana  ny andinindininy mikasika ny fampijaliana tsy nisy toa azy nahazo an'i Hundosa, dia tamim-pahatafintohinana sy hatezerana no namalian'ny mponin'ny aterineto Sodanezy izany, maneho ny fiaraha-miory sy ny firaisan-kina amin'ilay mpanao gazety.

Nibitsika sary iray an'i Hundoa sola loha ny mpanao gazety Reem Shawkat, sady maneho ny fanohanany [ar]:

حلقو ليك شعرك يا سمية هندوسة و لكن لبستي تاج الشرف #السودان -يسقط جهاز عدم الانسانية و عدم الوطنية

@ReemShawkat: Nosolain'izy ireo ianao, Sumaya Hundosa, nefa kosa ianao misatroka ny satro-boninahitry ny voninahitra. #Sudan – Arodano ny fitaovana tsy miraharaha ny maha olombelona sy ny tsy fisian'ny fitiavan-tanindrazana.

Hamafisin'i @nsaeed, eo amin'ny Twitter, ho an'ny namany Sodanezy, fa raha tsy manao hetsika hanoherana ny herisetra toy izany izy ireo, dia samy handalo amin'izany daholo ny olona tsirairay:

متى سيفهم المواطن السوداني أن ما يحدث لأمثال #هندوسة و #جليلة وارد حدوثه لأي مواطن في أي لحظة؟ كان حلقو لأخوك بل راسك #حرفياً

@nsaeed: Rahoviana ny vahoaka Sodanezy vao mba hahatsapa fa amin'ny fotoana rehetra dia mety hanjo azy ihany koa ny zavatra nahazo an'i Hundosa sy i Jalila? Raha nosolaina ny lohan'ny rahalahinao, mandomandoy ny anao!

Nanao sariitatra maneho fihetseham-po i Khalid Al-Baih ilay Sodanezy mpanao sariitatra nahazo loka ahitana sarina vehivavy Sodanezy manan-kaja mitaraina taloha oharina amin'ny ankehitriny, eo ambany fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao any Sodana.

Khartoon! nataon’ iKhalid Al-Baih

Maneho vehivavy roa ity sariitatra ity, ny iray toa manan-kaja amin'ny fomba fitafy taloha (thoub), ary maneho ny andro taloha, ary iray toa sola, afa-baraka ary anaty gadra vy, maneho ny fomba fitondra ny vehivavy amin'izao andro iainantsika izao. Oharina toy ny “عزة” (adika hoe, Azza), ny vehivavy Sodanezy, izay midika hoe “voninahitra” amin'ny teny Arabo. Anarana iombonana mahazatra izany any Sodana, ary saika teny ofisialy nasionaly fanoharana ny mahaolona .

i Hundosa, izay nihisaka tsikelikely niala tamin'ny fanaovan-gazety an-tsoratra nankamin'ny fanaovan-gazety amin'ny aterineto, dia avy any Ejipta izay toerana nipetrahany hatramin'ny 2003 no nankany Sodana, hanapita ny Eid Al-Adha miaraka amin'ny fianakaviany. Niala tao Sodana avy hatrany izy noho ny tahotra ny amin'ny ainy taorian'ny zava-mahatsiravina niainany. Nony tafaverina tany Ejipta izy dia nitantara ny zava-nahatsiravina nanjo azy tamin'ny NISS tanatinà horonan-tsary fijoroana vavolombelona tamin'ny antsipiriany nandritra ny 27 minitra[ar], ao amin'ny YouTube. Kaomity miaro ireo mpanao gazety avy amin'ny Sendikan'ny Mpanao gazety any Ejipta no nandrakitra ilay lahatsary.

Nanoratra Taratasy Misokatra hoan'ny Filoha Omar Al-Bashir [ar] ihany koa  ilay mpanao gazety, izay tena niely be tamin'ny aterineto, mihazona azy ho tompon'antoka amin'ny hitondrana ireo nanao herisetra taminy ho eny amin'ny fitsarana ary hanome toky fa tsy misy olona afaka hanao fihetsika mahatsiravina sy tsimatimanota toy izany intsony amin'ny ho avy.

Fiaviana sy ny maha-izy ny tena, voajery indray!

Niteraka adihevitra teny anaty aterineto mikasika ny anjara toeran'ny fiaviana sy ny maha-izy ny tena eo anivon'ny fiarahamonina sy ny politika maoderina ao Sodana ilay herisetra noho ny fanavakavahana nataon'ireo mpampijaly azy tamin'i Hundosa.

Nanamarika tamim-panadrohadroana i Amr Abbas, ao amin'ny Twitter:

سمية اسماعيل هندوسة تجلد، يحلق شعرها، تصعق بمكوة وتجلد بالسياط ليس لانها كتبت عن البديل لكن لانها غرباوية فى بلد العروبواسلاميين

@amrmohabbas: tsy noho izy nanoratra momba ny fifandimbiasana fa noho izy gharbawiya ao amin'ny firenena Arabo-Islamista dia nodarodarohana i Sumaya Ismail Hundosa, nosolaina, sy nodorana fera fipasohana ary nokaravasiana.

Ny “Gharbawiya” dia vehivavy mpidradradradra avy any andrefan'i Sodana, fa matetika ampiasaina ity teny ho toy ny fanompàna hanambaniana foko.

Nanoratra lahatsoratra marikivy mitondra ny lohateny hoe: “من هم العبيد الجدد؟” [ar] izay adika hoe “Iza no andevo vaovao?” ilay mpitoraka bilaogy Sodanezy iray mitazona ny bilaogy antsoina hoe “Sudanese Dream” – Ny nofinofy Sodane. Hoy izy:

ان ما يحدث الان في السودان هو اكثر سوءاً من عهد امتلاك الرقيق مع اعادة تعريف للعبودية ،

Ratsy kokoa noho ny tamin'ny vanim-potoan'ny fanandevozana miaraka amin'ny famaritana vaovao ny fanandevozana ny zava-misy any Sodana amin'izao fotoana.

Manamarika ilay mpitoraka bilaogy fa mbola mandady ny fanavakavahana ara-poko eo amin'ny ireo Sodanezy tsotra izay mampiasa izany matetika amin'ny fifaneraserany amin'ireo havany. Ka dia resahany avy eo ny fanavakavahana ara-poko ao anatinà vanim-potoana ahitana herisetra, maneho fa maro amin'ireo gadra politika avy any andrefana sy atsimon'i Sodana no mijoro vavolombelona fa navakavahana ary nahazo ny ompa razana nandrindra ny famonjàna azy. Omeny ihany koa ho toy ny tondro iray hafa ny fikarakarana feno fanavakavahana mahazo ny vehivavy toa an'i Sumaya Hundosa sy Jalila Khamis. Laviny araka izany ny tohan-kevitra mikasika ny mahatokana ny foko talohan'ny namaranany hoe:

عليه ؛ كلنا عبيد يا ريس ، كلنا عبيد يا جهاز الامن.

نحن العبيد “السودانيين” نتقبل حقيقة كوننا عبيداً ، فما بالكم ايها المستعربون؟

Noho izany; andevo daholo isika, Atoa Filoha, andevo daholo isika ry Jihaz Al-Amn (fitaovam-piarovana)

Isika, izay andevo “Sodanezy” dia manaiky maha-andevo, inona no tsy maha-faly anareo, ry mana-Arabo tena?

Lohahevitra miverimberina matetika foana iadian-kevitra eo amin'ny tanora Sodanezy ny olana mikasika ny maha-izy ny tena. Mpitoraka bilaogy fanta-daza sy mpanoratra efa ela teto amin'ny Global Voices i Amir Ahmed (fantatra kokoa ety amin'ny aterineto amin'ny hoe ‘Sudanese Thinker’) no nanoratra tany aloha tany mikasika ny  hamaranana ny krizy ara-piavina any Sodana. Mpitoraka bilaogy hafa, i Moez Ali, no nanolotra ny jery kiana mikasika ny resaka “Fiaviana Sodanezy” iray manontolo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.