Diaben'ny Fiainana 270 km Faharoa Ao Yemen

Tamin'ny taon-dasa, nanao diabe niainga tao Taiz nankany Sanaa ny tanora revolisionera nandritra ny dimy andro, ka nahavita dia an-tongotra 270km izay antsoin'izy ireo hoe Diaben'ny Fiainana. Ny tanjon'ny diabe dia ny hampavitrika ny fiainana amin'ny revolisiona manaraka ao Yemen. Tamin'ity taona ity, nankalaza ny fahatsiarovana ireo maritioran'ny Diaben'ny Fiainana tamin'ny 2011 nandritra ny dia an-tongotra 270 km niala tao Taiz nankany Sanana ny tanora revolisionera. Tamim-pifaliana no nandraisana azy ireo tao amin'ny sisintanin'i Sanaa ary narahin'ireo tanora marobe sy mpanohana hafa izy ireo avy eo.

Diaben'ny Fiainana Faharoa tonga tao Sanaa. Milanja sora-baventy ny tanora izay ahitana teny Arabika mivaky hoe: “Diabe ho an'ny fiainana ny revolisionanay”

Nampatsiahy ny diabe tamin'ny taon-dasa ireo mpiserasera marobe izay nampanembona tokoa:

@Nefermaat: Androany, mahatsiaro ireo maritioran'ny Diaben'ny Fiainana tamin'ny taon-dasa aho…Fahamendrehana, Herim-po sy Hetahetam-piovana no notsenain'ny bala sy ny fahafatesana! #Yemen

@BaraaShiban: #diaben'ny fiainana no nandravaka ny revolisiona milamina, tanora an'arivony no nandeha an-tongotra an-jatony kilometatra no sady miatrika ireo miaramila mampiseho tratra

@NasserMaweri: Mampatsiahy ny fahatsiarovana lehibe tamin'ny #diaben'nyFiainana #Yemen. Afa-po fa nandray anjara tamin'ny diabe izay mijanona ho tantara hotsarovana hatrany

Raha nandeha teny amin'ny lapam-panjakana ireo tanora dia nataon'ireo miaramila misahana ny rotaka fahirano. Nikarakara sit-in teo anoloan'ny lapam-panjakana ny tanora ary nitaky ny fanesorana mazava an'i Ahmed Saleh, (zanaka lahin'ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh voahongana), sy i Ali Mohsen ary i Ghlaeb Al-Qamish, tafika telo malaza sy lehiben'ny fiarovana izay niteraka rà mandrika tao Yemen teny anivon'ny toby rehetra misy ny firafitra vaovao ny miaramila. Alina mafy sy mangatsiaka no niainan'ireo tanora, izay zara raha nisy sakafo sy rano navela hiditra.

Yemen_ Updates nisioka hoe:

@yemen_updates: Na dia nilaza aza ny Praiminisitra fa hanome fitaovana ho an'ny tanora ny governemantany amin'ny #Diaben'nyFiainana, am-polony ireo nihitsoka tao amin'ny lapam-panjakana, mpikatroka. #Yemen

Hanan Alshowafi nanampy hoe:

@Hanaalshowafi:
Ao #Yemen ihany, tao anatin'ny RIRININA, nataon'ireo tafika Yemenita fahirano ny tanora Yemenita, tsy navela hahazo sakafo sy bodofotsy izy ireo tao amin'ny kianjan'i Alsabeen! HELOKA lehibe #Diaben'nyFiainana!!!

Navoaka ny lahatsary avy amin'i yaheea alsowarii izay mampiseho azy ireo nandany ny alina tao anatin'ny hatsiaka mamirifiry no sady miventsoventso ny teny filamatry ny revolisionera:

Ny tanjon'ny Diaben'ny Fiainana amin'ity taona ity, araka ny nalefan'ny (Vaovao momba ny Revolisiona Yemenita) NYR Facebook:

Navoakan'ny vaomiera misahana ny serasera ao amin'ny diaben'ny fiainana ny fitakiana voalohan'ny zava-kendren'ny diabe sy ny sit-in:

1 – Fialan'ny mpitarika ara-miaramila rehetra sy ny Fiarovana Faratampony rehetra izay niara-niasa tamin'i Saleh, tarihin'i Ahmad Ali Saleh, Ali Mohsen Saleh, Ghalib Aalghemh ary ny fandroahana azy ireo tanteraka no takiana fa tsy ny famindra-toerana azy ireo amin'ny fanendrena vaovao, na inona na inona mitranga; ary hafainganina ny fanatontosana ny fanapaha-kevitra momba ny fandrafetana indray ny tafika sy ny manatanteraka ny filaminana, ny fandriampahalemana eo amin'ny firenena ary manitatra ny fahefam-panjakana foibe ho any amin'ny faritra sy faritany iray manontolo, indrindra fa any Saada sy Marib.
2 – Ny famotsorana ireo gadra noho ny revolisiona, sy ireo noterena hanjavona, ary ny fanohanana ny fianakavian'ireo maritiora sy ireo naratra, ary ny fitsarana ny mpamono ireo mpikomy sy mpandroba ny harem-bahoaka sy ny sehatra tsy miankina, ka mamerina ireo harena norobaina sy nangalarina.

Ary antsoiny ny herim-bahoaka rehetra hiray hina ka hanohana azy ity hahatrarana izany zava-kendrena izany.

Naneho ny fahadisoam-panantenany ireo mpikatroka Yemenita fa tsy mba notantarain'ireo fampahalalam-baovao mahazatra ny Diaben'ny Fiainana 2012.

@NajlaMo:
Mahamenatra ny mahita antsika yemenita miaramijoro amin'ireo mila feo ary rehefa isika no mila izany dia tsy mahita izany fanohanana izany #LifeMarch #Yemen

@WomanfromYemen:
#Yemen: raha nitranga tany amin'ny firenenkafa izany diabem-panoherana mahatratra 280km milamina izany dia ho izany no vaovao TAMPONY indrindra (1/2)

@WomanfromYemen:
fa manontany aho raha mba mahasarika ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena izany vaovao tsara momba an'i #Yemen izany (2/2)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.