Iraniana-Amerikana Mitady Olona Be Herim-po Hanavotra Aina

Pikantsary tao amin'ny habaka ofisialin'ny Tetikasa Tsoka (Projet moelle)

Mitady olona be herim-po ny mpiserasera Iraniana. Tsy ho amin'ny revolisiona na ady, fa mba hanavotr'aina. Nasim, tanora vehivavy Iraniana avy ao Avaratr'i Kalifornia no mila taova tsokan-taolana (moelle osseuse) atao grefy. Nanafaingana ny hetsika ireo Iraniana malaza marobe mba hanampy amin'ny fanaparitahana ny hafatra ho fanavotana azy. Nampiasa ny tambajotra [fampahalalam-baovao] sosialy izy ireo mba hitady olona be herim-po hanome tsokan-taolana maimaim-poana.

Teraka ny tetikasa iray mba hamahàna ity karazana fanamby tamin'ny 2003 ity: Tetikasa Tsoka. Araka ny hita ao amin'ny pejy facebook-ny, Iraniana-Amerikana Behnoush Babzani, no namorona ny Tetikasa Tsoka, tratry ny aretin'ny rà tsy fahita firy izy tamin'ny taona 2003. Rehefa avy notsaboina tamin'ny fanomezana taova tsokan-taolana avy amin'ny anadahiny, nanome azy vinavina miavaka mikasika ny fiainan'ireo mararin'ny tsoka tahaka azy izay miankina amin'ny grefy tsokan-taolana izany zava-niainany manokana izany – izay matetika hita eny amin'ny olona mitovy foko niaviana.

Toa hita fa nahavotra marary hafa mijalin'ny aretina tahaka ny homamiadan'ny tsoka ny hetsika noforonin'i Behnoush izay nipaka tamin'ireo namana Iraniana-Amerikana mba hanampy. Nasim, 21 taona no iray amin'ireo marary. Nampihetsi-po ny olona ny tantarany ka nahatonga ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonina sy ireo olo-malaza mba hiezaka hanampy hamonjy azy. Nandefa lahatsary ahitana hafatra tao amin'ny Youtube izy ireo, ary santiona-na fanomezana tsoka ary niezaka nanentana tamin'ny alalan'ny tambajotra [fampahalalam-baovao] sosialy. Ohatra iray ity pejy Facebook ity .

Tao amin'ny lahatsarin'izy ireo, Iraniana-Amerikana malaza tahaka ilay mpilalao sarimihetsika Maz Jobrani sy ilay atleta Ehsan Hadadi, niangavy ireo namany mpiray tanindrazana aminy mba hanampy amin'ny famerimberenana ny teny filamatra hoe “Nasim aho” hatrany hatrany ao amin'ny horonantsarimihetsika.

Ireto andalana ireto no namarana ny lahatsary:

Raha matanjaka sy manam-bitana ianao ka afaka hanampy sy hamonjy ny ain'ity tovovavy ity… hifandray aminao izy ary ho vetivety kely ny fombafomba atao… tsy izany… tsy hanataka anao … tsy misy na inona na inona… zavatra tena tsotra!

Tsy mangata-bola izahay, mangataka aminao izahay mba hisoratra anarana ao amin'ny rejistra.

Mba hahafahana manolotra zavatra amin'ny vatako…
izay hanampy olon-kafa ka ho fanomezana tsara indrindra izany

Ka andeha hivondrona!

Hamonjy an'i Nasim,

Hamonjy an'i Nasim

Hamonjy an'i Nasim ANKEHITRINY!

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.