- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanoratra Saodiana Nosamborina Noho Ny Sioka Nampisy Olana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Fantatra fa nosamborin'ny manampahefana tao Arabia Saodita ilay mpanoratra tantara foronina sy mpanadihady ara-politika Saodiana Turki al-Hamad noho ireo sioka nampiadi-hevitra nalefany. Nalaza tao amin'ny Twitter ny vaovao tamin'ny Alatsinainy maraina raha nilaza [1] [tamin'ny teny arabo] ilay mpanao gazety Khaled al Matrafi @Almatrafi [2]:

هام : حسب معلوماتي وزير الداخلية السعودي محمد بن نايف أصدر امرا بالقبض على الكاتب تركي الحمد وقبض عليه الان.

@Almatrafi [1]: Vaovao lehibe: Loharanom-baovao avy aty amiko, namoaka didy fampisamborana an'ilay mpanoratra Turki al-Hamad ny Minisitry ny Atitany Mohammed bin Nayef ary voasambotra izy izao.

Nizara izany vaovao izany ihany koa ilay bilaogera sady mpanao gazety Saodiana Ahmed al Omran @ahmed [3] tao amin'ny bilaoginy Riyadh Bureau ary nanazava [4] fa nosamborina ilay mpanoratra noho ny fanambarana nalefany tamin'ny Twitter:

Al-Hamad, mpanadihady ara-politika sy mpanoratra tantara foronina, namoaka andiana sioka nampiadi-hevitra tamin'ny Asabotsy izay mitsikera ny Islamista, hoy izy nilaza, “mampiala voly antsika amin'ny hadalany ny Islamista mba hanadinointsika izay zava-dehibe.” Tamin'ny siokany manaraka, nampitaha ny Islamisma tamin'ny Nazisma ity . “Saingy efa ela no nanjavona ny taonan'ny Nazisma,” hoy izy, “ka mbola hiposaka indray ny masoandro.”
Na dia izany aza, vao maraimbe no nandefasana ilay sioka tao amin'ny Twitter izay niteraka fihetseham-po goavana teo amin'ireo mpandala ny mahazatra. Amin'izany sioka izany, hoy izy: “Tonga hanitsy ny finoan'i Abrahama ny mpaminanintsika, ary ankehitriny, tonga ny fotoana ilàntsika olona hanitsy ny finoan'i Mohammed.”

Tamin'ny 22 Desambra ilay Sioka [5] [ar] mirehidrehitra no nivoaka:

جاء رسولنا الكريم ليصحح عقيدة إبراهيم الخليل، وجاء زمن نحتاج فيه إلى من يصحح عقيدة محمد بن عبدالله..

@TurkiAlHamad: [5] Tonga hanitsy ny finoan'i Abrahama ny mpaminanintsika, ary fotoana ilàntsika olona hanitsy ny finoan'i Mohammed ankehitriny.

Teo amin'ny tontolon'ny Twitter Saodiana, nampangaina ho manohintohina ny fahalalaham-pitenena ny vaovao mikasika ny fisamborana eo anivon'ny fanjakana tena mpandala ny nentin-drazana izay tsy azo leferina mihitsy ny fitsikerana ny fivavahana, ny fianakavian'ny mpanjaka sy ny governemanta. Naneho hetsi-piraisankina ny tenifototra #اعتقال_تركي_الحمد [6] (#Fisamboranaan'iTurkiHamad), tao ihany koa ny adihevitra mafana. Ho an'ireo sasany naneho ny tsy fanekeny ny fijerin'i Hamad, ‏@abdulazizbulbul namaly hoe [7]:

Zonao ny ho diso fanantenana sy tsy mankatò, saingy zony kosa ny maneho ny fijeriny ao anatin'ny tsy fisamborana.

@m_alwade [8] nilaza hoe [9] [ar]:

#اعتقال_تركي_الحمد لا أتفق مع تركي فيما يقولة ولكن الوقوف في صف المستبد اكثر جرما من تغريدة الحمد.

Tsy miombon-kevitra amin'ny fijerin'i Turki aho saingy heloka bevava goavana kokoa ny fitondrana didy jadona noho ny #siokan'i Hamad.

Nandritra ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, tsy fantatra mazava raha nosamborina ilay mpanoratra na notazonina hataon'ny manampahefana famotorana fotsiny araka ny filazan'i @fSabouni [10]:

Tsy tahaka ny sioka teo aloha, nilaza ny loharanom-baovao hafa fa natao famotorana mahakasika ireo sioka fotsiny i Turki Al-Hamad fa tsy nosamborina.

 

Mpomba ny Islamo liberaly, mpanoratra ny tohitelon-dahatsoratra (trilozia) Atyaf al-Aziqah al-Mahjurah (Matoatoan'ny lalankely foana) izay voaràra tao amin'ny fireneny sy tao Bahrain ary Koety ny asa-sorany, nanoratra momba ny fady eo amin'ny fiarahamonina Saodiana i Turki ary tsy matahotra miresaka momba ny finoana, politika sy fananahana. Marobe ireo “fatwa” (didim-pitsarana) nanenjehana azy, saingy na dia teo aza izany, mbola tafatoetra tao Riyadh izy rehefa avy nahazo ny mari-pahaizana doktorà tao amin'ny Oniversiten'i Kalifornia Atsimo. Mpitsikera goavana ny governemanta sy ny Islamista izy.