26 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 26 Desambra 2012

Diaben'ny Fiainana 270 km Faharoa Ao Yemen

Tamin'ny taon-dasa, nanao diabe niainga tao Taiz nankany Sanaa ny tanora revolisionera nandritra ny dimy andro, ka nahavita dia an-tongotra 270km izay antsoin'izy ireo hoe Diaben'ny Fiainana. Ny tanjon'ny diabe dia ny hampavitrika ny fiainana amin'ny revolisiona manaraka ao Yemen. Tamin'ity taona ity, nankalaza ny fahatsiarovana ireo maritioran'ny Diaben'ny Fiainana tamin'ny...

Iraniana-Amerikana Mitady Olona Be Herim-po Hanavotra Aina

  26 Desambra 2012

Mitady olona be herim-po ny mpiserasera Iraniana. Tsy ho amin'ny revolisiona na ady, fa mba hanavotr'aina. Nasim, tanora vehivavy Iraniana avy ao Avaratr'i Kalifornia no mila taova tsokan-taolana (moelle osseuse) atao grefy. Nanafaingana ny hetsika ireo Iraniana malaza marobe mba hanampy amin'ny fanaparitahana ny hafatra ho fanavotana azy. Nampiasa ny tambajotra...

“Drone” Amerikana Nidaroka Baomba in-droa tany Yemen Nandritra ny Noely

Ny andron'i krismasy no andro nitifiran'ny 'drone' tany Yemen, namonoany 'ahiahiana' ho mpitolona dimy. Ny daroka voalohany nahafaty olona roa nandeha tanaty fiara iray tany amin'ny tanàna atsimo, faritanin'i al-Bayda tamin'ny alatsinainy. Tamin'ny fanafihana faharoa, izay nitranga tamin'ny alatsinainy ihany koa, Nitifitra tamin'ny balafomanga olona telo nandeha moto mamakivaky ny faritanin'i Hadramout.