GlobalVoices anaty

Krismasy ao Bethlehema

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Aymara · Belén markanx Navidad urux amtatapachati
Español · Es Navidad en Belén
Français · Noël à Bethléhem
বাংলা · বেথেলহেমে বড় দিনের উৎসব
Swahili · Ni Sikukuu ya Kuzaliwa Kristo (Noeli) Mjini Betlehemu
Ελληνικά · Χριστούγεννα στη Βηθλεέμ
русский · Рождество в Вифлееме
繁體中文 · 聖誕節在伯利恆
简体中文 · 圣诞节在伯利恒
English · It's Christmas in Bethlehem

Krismasy ny ao Bethlehema, amoron'i Jordana, Palestina, toerana nahaterahan'i Jesoa Kristy. Inona moa ny fomba tsara kokoa hankalazana ity fotoana ity tahaka ny fizarana sary sy ny fihetseham-pon'ny mpiserasera amin'ity fotoana ity, izay ankalazain'ny olona amina miliara manerantany.

Tany Bethlehema ny mpanao gazety Israeliana Joseph Dana hijery ny fanapihana ny jiron'ny hazo krismasy hirehitra ny jiro eo aminy ary hizara ity sary ity:

The lighting of the Xmas tree in Bethlehem

Fandrehetana ny jiron'ny hazo krismasy tao Bethlehema. saripika nozarain'i @ibnezra hita Twitter

Lauren Bohn manolotra ny sarin'ny hazo akaikikaiky kokoa, nandritra ilay fankalazana voalaza etsy ambony ihany:

Beautiful Christmas tree lighting in Bethlehem

Fandrehetana ny jiron'ny hazo krismasy mahafinaritra tao Bethlehema, hoy i @LaurenBohn ao amin'ny Twitter, nandritra ny nizarany ity sary ity

Ary i Maath Musleh nizara ny sarin'ny arabe mirehitra jiron'i Bethlehema, fiomanana ho amin'ny Krismasy:

Bethlehem streets lighting up for Christmas

Bethlehema mazavan'ny jiro ho amin'ny noely, siokan'i  @MaathMusleh, izay nizara ity sary ity tamin'ny Twitter

Ahmed Aggour namoaka ity sarin'ny hazo tamin'ny mbola nazava ny andro:

Ny hazo krismasy tsara indrindra, eo amin'ny toerana tokony hisy azy. Mirary noely sambatra. #Bethlehem #Palestine, siokan'i @Psypherize

Ary i Daniel Aqleh namoaka ity lahatsary ahitana ny fotoam-pandrehetana ny jiron'ny hazo noely ao amin'ny YouTube ity, izay ahitana ny fandefasana afomanga ihany koa:

Mirary krismasy sambatra ho antsika rehetra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny