Trinidad & Tobago: Tsy Misy Làlambe Vita Mora

Dr. Wayne Kublalsingh, mpampianatra eny amin'ny oniversite sady mpandala ny tontolo iainana, izay nanomboka ny fitokonany tsy hisakafo ny 15 Novambra teo ivelan'ny biraon'ny Praiminisitra ho fanoherana tetikasa fanamboarana làlam-be migodana, ampahany iray any atsimo atsinanan'i Trinidad, izay handaniana vola iray lavitrisa dolara, dia manana bilaogy milaza zavatra maro ankoatra ny làlana- fihokoana ho fitakiana ny mangarahara amin'ny fampiasana ny volam-bahoaka sy hetsika manohitra ireo fomba mahamenatra izay hifehezan'ireo ao amin'ny fanjakana ny ahiahin'ireo mpifidy no ahitan'ireo mpiserasera amin'ny aterineto maro izany.

Nalahelo ny amin'ny fomba nilalaovana ilay loza i Guanaguanare :

Tsy tiako ny handaozan'i Dr. Wayne Kublalsingh anay amin'izao, fa indrindra indrindra ho an'ireo vahoaka izay tsy mbola afaka miahy ny fiainany manokana sy raha tsaraina amin'ny fanehoankevitra ety amin'ny aterineto, maro ireo izay tsy te-hahatsiaro ny sorona nataony aorinan'izao vanim-potoan'ny Noely izao. Tiako mbola hitohy ho velona sy hiady ho an'ny fireneny Dr. Kublalsingh. Feno olona tsy mivaky loha, adala ary tsy mendrika ity tany ity ary manahy mafy aho fa ny fahafatesany dia tsy hisy fiantraikany any amin'ireo mandreraka sy maty fanahy ireo. Menatra aho namarana fa ao anatin'io lohasahan'ny fahafatesana izay maha-mora vidy ny aina io, tsy nitondra akory izay zavatra tena nilaina ny fahalasanan'ny olona iray hafa.

Dr. Wayne Kublalsingh miresaka amin'ny mpisolovava Gillian Lucky.

Mety ho marina ny azy. Izay tsapan'ny maro ho toy ny teboka  tokony hihaonan'ny mponina dia, anatin'ireo seha-piresahana ety anaty aterineto fara-faharatsiny, nivadika ho fanesona. Atosiky ny ezaka mitohy  ataon'ny governemanta hanambaniana ilay olona  sy hanamaivànana ny tolony, misy fampielezampeo iray ao an-toerana nandefa sary namboarina tamin'ny photoshop misy an'i Dr. Kublalsingh eo ambony latabatra ao amin'ny trano fisakafoanana iray. Nanampy lahatsoratra hafa ilay bilaogera hitenenana an'ireny karazana sangy ratsy tsy misy fanahy ireny :

Izaho dia isan'ireo izay nametraka ny ain'i  Dr. Kublalsingh ho ambony noho ity firenena ity, ambony noho ity  resaka ity… ambony noho ireo mpiray tanindrazana amiko mahafinaritra na mahasosotra indraindray, ambony noho ity governemanta ity, nanery azy hanàla io kapoakany io ho lavitra azy. Fa angamba amin'ny maha-mpijery ny lafitsaram-piainana kokoa, be fanantenana kokoa ary be fiantrana kokoa noho ireo izay tia azy ary indrindra ambony noho ireo izay maneso sy mandà azy, dia nahilina ho eny anjorony ny ahiahintsika ary nitohy niaritra tamim-paharetana tamin'ny lesony izy.

Nampahatsiahiviny ahy fa na dia izao aza no nekentsika hatrizay ho toy ny ara-dalàna dia tsy ara-dalàna, raha tsy izany dia zava-doza ho an'ny olona tsirairay ny mino fa tsy misy ifamatorany amin'ny firenena ny fisiany, na aminà antony marina… amin'ny mpiray firenena ary amin'ny mpitondra. Amin'ity tontolon'ny ‘hano ny hanina’ ity, dia nanatanteraka zavatra kely tsy azo sainina sy mahagaga izy ary avy eo nanakorontana zavatra maro ilay dona ka nahatonga ny sasany tamintsika izay amin'ny toerana ambony sy ambany hiala amin'ny fialokalofana ratsiny, tsy fanajàna, fandravàna, tsy fahamatorana sy ny hamafisam-po.

Amin'ny fanomezany lamosina ny rongonin'ny sakafo mafilotra iray lovia hita eny rehetra eny, dia mandrahona ny hitarika antsika hiala amin'ny toerana mafana tsaran'ny kibo voky izy no sady miangavy antsika mba hijery ireo karazan-tsakafo  hafa izay naha-mosarena anay.

Misaotra anao ry Dr. Kublalsingh  tamin'ny namelànao ny firenena ho vavolombelona manatri-maso fa TSY MISY DIKANY amin'ny maro ny fahamarinana. Tsy hoe ialàny fotsiny io mba hanavotany ny ainy sy ireo miaraka aminy fa hialàny io na dia efa ambivitra aza ny ain'ny mpiara-belona aminy. Ialàn-dry zareo tsy amin'ahiahy io ary tsy azo ialàna ny hisorohan-dry zareo an'io rehefa liana mibanjina any aminy ny mason'izao tontolo izao.

kid5rivers dia manana fomba fijery hafa :

Izay tian'i  Dr Kublalsingh nolazaina izany dia, tsy olana loatra hoe inona, mikasika ilay resaka navoitrany sy ny Vondrona Reroute miaraka aminy, ny làlan-dry zareo, na ny làlam-beny : tsy maintsy hajanona ilay tetikasa! Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia vonona hiresaka amin'ny Praiminisitra na olon-kafa ao amin'ny governemanta izy sy ny vondrona miaraka aminy, mikasika monja ny kianja izay tsy andeferany na hanomezana fitsaharana ny governemanta… raha fintinina izany , ny ady hevitra rehetra na ny resaka mitohy rehetra nataon-dry zareo taman'olona dia sarintsariny sy fihetsiketsehana fotsiny ihany.

Mifanohitra amin'izany, ny pejin'ny Facebook-n'ny Highway Re-Route Movement, izay vondrona soloan'i Dr. Kublalsingh tena, dia namoaka lahatsoratra omaly hariva be  izay mazava tsara mikasika ny tiany hatao :

Ny Highway Re-Route Movement (HRM) dia nanohana hatrany, manohana, ny fanamboarana làlam-be avy any San Fernando mankany Point Fortin.

Na dia izany aza, manana olana ny HRM amin'ny fampifandraisana an'i Debe amin'ny làlan'i Mon Desir mamonjy ny arabe izay mankany Oropuche Lagoon. Io ampahan-dàlana io no angatahan-dry zareo famerenana fanadihadiana lalina miaraka amin'ny vinavina ny amin'izay mety ho fiantraikany amin'ny lafiny sosialy, ny famakafakana ny momba ny rano, fanadihadiana ny sandany / tombontsoa azo amin'ilay asa fanorenana. Fanadihadiana ireo asa natolotra ireo, hataonà vondrona tsy miankina no nangatahana , ary neken'ny Praiminisitra.

Nivory niaraka tamin'ny HRM tarihan'i Dr Kublalsingh ny Praiminisitra ny faha 16 Martsa 2012, niaraka tamin'ny fangatahana ny fampiatoana ny asa fanamboarana rehetra sy ny fanadihadiana ara-teknika, amin'ny fahafantarana fa misy olana ara-teknika izay ilàna famahàna. Andro faha-13 nitokonan'i Dr Kublalsingh tsy hisakafo ho fanoherana ny tsy netezan'ny Governemanta hanao ilay fanadihadiana tsy miankina, androany.

Nantsoina hamonjy fivoriana roa mikasika izay ny HRM. Tamin'ny fivoriana voalohany, dia noferana tsy hitondra ny ekipa tekinikany hifanehatra amin'ny ekipa tekinikan'ny Governemanta ny HRM ary io no antony nampisintaka ny HRM. Tamin'ny fivoriana faharoa  dia nomena taratasy 5 pejy misy sary sy fanambaràna iray andalana ny HRM. Na inona na inona tamin'ny zavatra natao, dia tsy nahitana tatitra momba ny rano, ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ny sosialy, na ny tombontsoa. Na dia nisy fotoana aza nalefa miadana ny fananganana aza, tsy mbola nijanona mihitsy io .

Nanamafy ny Governemanta fa hoe nanome valiny ny fampanantenana hisian'ny fanadihadiana ara-tekinika. Ny HRM kosa dia nilaza io fomba io ho lainga sy fandrebirebam-bahoaka.

kid5rivers dia manohana fa :

Ny fifanatonana amin'ny hamafisan-doha, tsy mandefitra, fanamarinan-tena dia tsy misy lanjany amin'ny fifandaminana amin'ny fitantanana, fanaovana politika, ny fifampiraharahana sy ny fiaraha-miasa ara-tsosialy amin'izao fotoana moderina izao. Amin'ny farany, raha ny marina, n'aiza n'aiza, ny tsy fandeferana tahaka izany dia mankarary hatrany amin'ny ambaratonga izay tsy hikatonan'ny fery intsony. Raha manao jery todika ireo karazana faminavinàna nataon'i Dr Kublalsingh momba ny fanamboarana ny Lalàm-ben'i Point Fortin, dia tsy afaka hanaiky io fifadian-kanina ataony io aho.

Manandrana mijoro Dr. Wayne Kublalsingh mandritra ny fitokonany tsy hisakafo.

Ny valintenin'ny Highway Re-Route Movement?

Taona maro aty aorian'ny nanoratana, nanaovana peta-drindrina, nanaovana fanentanana, nitoerana teo amin'ilay toerana, naha-voasambotra, ary naha-vavolombelon'ny nandavan'ny Praiminisitra ny teniny, dia nandroso tamin'ny fitokonana tsy hisakafo tsy mihinan-kanina sy tsy misotro rano ny Dr  Kublalsingh. Tsy nihinana na nisotro nandritra ny 13 andro ny Dr Kublalsingh nanomboka tamin'ny 27 Novambra. Atahorana ny fahasalamana sy ny ain'i  Dr. Kublalsingh.

Amin'ny alàlan'ny  United Voice blog na feon'ny bilaogy miray, izay fantatra fa miara-dia amin'ny fitantanana ankehitriny, nanontany tena ny mpanohana iray an'ilay ‘ soso-kevitra làlam-be avy any  San Fernando mankany Point Fortin, nanomboka tamin'ny nilazan'i  Dr. Eric Williams azy voalohany tamin'ny Kabary nataony momba ny Tetibola ny volana Janoary 1981″ dia  raha toa ka  “nanaitra ny fifantohan-tsaina tsy nanànany hatramin'izao” io fitokonan'i Dr Kublalsingh tsy hisakafo io :

Nandray anjara tamina hetsika malaza sy nahomby nanoherana ny fananganana fandrendreha-by sy tetikasa hafa i Dr. Kublalsingh. Mety ho ny hambom-po ve no mahatonga  azy amin'izao fotoana izao handray fepetra amin'ny resaka izay fantatra fa tsy hanjary ?

Tsara marihana fa na dia tsy mipetraka any amin'ny faritra iny aza  Dr. Kublalsingh, dia tsy misy olona nanapa-kevitra ny hanaraka azy amin'ny fitokonany tsy hisakafo. Raha tsy mivoaka velona amin'ny fampijaliany tena izy, hitady ‘vahaolana’ sy hiroso hatrany ve izy ireo ?

Namoaka ity fifanoheran-kevitra ity tamin'ny taratasy misokatra ho an'ny Praiminisitra  io bilaogy io :

Voalohany indrindra dia mpitarika ny PM, ny fahalalàna ny hevitry ny olona sy fanehoana fitserana dia toetra tsara fanalahidin'ny mpitarika ambony iray.

Ny fahalalàna ny hevitry ny olona dia midika ho fipetrahana amin'ny toeran'ny vahoaka ny toerana niaviany… sy ny antony.

Ny PM tsy maintsy mitsetra sy maneho fiahiana ary mahatakatra na dia tsapany aza fa nanao hadisoana ny olona iray. Izany no atao hoe mpitarika mahomby. Diso ny fiheverana ny fifadian-kanin'ny olona manan-danja iray hitondra ho any amin'ny fakàn-tàhaka be fahatany.

Ilaina ho mpitantana tsara ianao ary mahafehy tsara io resaka fifadian-kanina io. Tsy vahaolana ny fihomehezana na ny fanesoana sy ny fitenenana azy mba hihaino ireo zokiolona.

Raha maty i Kublalsingh, hiongana ny governemantanareo satria ho sarotra ny mitantana azy! Ivelan'ny fahavelomana ara-politika, ilainareo ny mahazo antoka fa velona izy.

Noho izany, ry Prayminisitra malala, miverena… ary ataovy izay hahazoana antoka fa tsy ho faty io olona io… ary raha niteny tamin'ireo mpanara-dia anao ianao, hajao ny teninao. Ny teny mahomby avy amin'ny mpitarika dia fanalahidin'ny fahatokiana. Mila mahazo antoka fa matoky ny Praiminisitrany ny Firenena iray.

Mpanohana an'i  Dr. Kublalsingh iray mitàna sora-baventy eo ivelan'ny biraon'ny Praiminisitra.

Ilay bilaogera miresaka politika The Eternal Pantomime dia nanohana an'i Dr. Kublalsingh hatrany am-boalohany. Eto, no amoahany indray ny tenin'ny Filohan'ny Mpanohitra momba ilay resaka ary eto,no andraisany lahatsoratry ny vahininy iray, bilaogera izay ‘teratany avy amin'ilay faritra ambanin'ny  orbitan'i Debe mivantana – sampanan'i Mon Desir [amin'ilay tetikasa fanamboaran-dàlam-be]:

Avelao aho hanazava amin'ny rehetra fa IRIKO io ampahan-dalana io. Iriko FATRATRA io. Ny  fahafahana mitondra fiara ho any Port-of Spain tsy mandalo amin'ny  South Trunk Road dia misy dikany ho an'ireo sasany amintsika izay niaina niaraka tamin'ny enta-mavesatry ny fitohanana manerana iny lalana iny.

Mbola tiako hazavaina ihany koa fa na dia tiako aza ny sampanan-dàlana Debe-Mon Desir, dia toheriko hatrany ny kiafinafina, ny kiantranoantrano, ary ny kolikoly izay hita taratra efa mifangaro ao amin'izao. Misy isa tsy voamarina miparitaka amin'ny facebook izay tahàka ny maminavina fa ny tombam-bidin'ny mailo iray amin'ny fanamboarana io ampahan-dàlana io dia ambony sady mihoatra lavitr'izay rehetra azo n'aiza n'aiza eto amin'izao tontolo izao. Raha tonga any amin'ny faran'ny zavatra rehetra, ka tsy nametraham-panontaniana io resaka tombam-bidy io, dia very sehatra lehibe iray hanozihann ny làlana iadiana amin'ny kolikoly raiki-tampisaka izay manapoizina ny fitantanana rehetra eto amin'ity firenena ity ary sakanantsika ny haha-lohalaharan antsika eto amin'IZAO TONTOLO IZAO izay azontsika atao tsara.

Azontsika ampiasaina ho toy nu fotoana iray fanararaotra ve io làlana tsy misy fiafaràna io mba handinihantsika ny tenantsika ho toy ny firenena iray sy hanombohana hametrahana ireo mpitarika antsika ho amin'ny toerana ambonimbony kokoa ??

Ireo angamba no fanontaniana izay tian'i Dr. Kublalsingh valiana.

Ny sary miasa amin'ity lahatsoratra ity dia avy amin'i  Rhoda Bharath, nahazahoana alàlana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.