25 Desambra 2012

Tantara tamin'ny 25 Desambra 2012

Aostralia: Fonon-tsigara Voalohany Erantany Tsotra Misy Hafatra Mazava – Tsy Misy Mari-Pamantarana

  25 Desambra 2012

Australia’s new plain cigarette packaging law, which began on December 1, 2012, was greeted with pleasure by most onliners. An-kafaliana no nandraisan'ny ankamaroan'ireo mpiserasera ny lalàna vao nivoaka tany Aostralia mikasika ny fonon-tsigara, izay nanomboka ny 1 Desambra 2012. Mandritra izany, ireo Indostria mpanodina sigara dia nihazona mafy fa io fonosana tsy misy loko io dia hampirongatra ny varo-maizina sy ny halatra. .

Trinidad & Tobago: Tsy Misy Làlambe Vita Mora

  25 Desambra 2012

Manana bilaogy miresaka zavatra maro noho ny làlana ilay mpampianatra eny amin'ny Oniversite sy mpandala ny tontolo iainana Dr. Wayne Kublalsingh, izay nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina teo ivelan'ny biraon'ny Praiminisitra ny 15 Novambra, ho fanoherana tetikasa fanamboarana làlam-be migodana, ampahany iray any atsimo atsinanan'i Trinidad, izay handaniana vola iray lavitrisa dolara, dia manana bilaogy milaza zavatra maro ankoatra ny làlana- fihokoana ho fitakiana ny mangarahara amin'ny fampiasana ny volam-bahoaka sy hetsika manohitra ireo fomba mahamenatra izay hifehezan'ireo ao amin'ny fanjakana ny ahiahin'ireo mpifidy no ahitan'ireo mpiserasera amin'ny aterineto maro izany.

Krismasy ao Bethlehema

Krismasy ny ao Bethlehema, amoron'i Jordana, Palestina, toerana nahaterahan'i Jesoa Kristy. Inona moa ny fomba tsara kokoa hankalazana ity fotoana ity tahaka ny fizarana sary sy ny fihetseham-pon'ny mpiserasera amin'ity fotoana ity, izay ankalazain'ny olona amina miliara manerantany.

Fanafihan'ireo Vondrona Mpikomy Tao Ndélé sy Bria Ao Amin'ny Repoblikan'i AFrika Afovoany

  25 Desambra 2012

Tao anatin'izay herinandro lasa izay, notafihan'ireo mpikomy ny tanànan'i Ndélé sy i Bria ary nandrahona ny fitondran'ny filohan'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany François Bozizé izy ireo. Tsy manankery intsony ankehitriny ireo fifanekena momba ny filaminana nosoniavina tamin'ny taona 2007 noho ireo fanafihana vaovao izay niteraka hetsi-bahoaka goavana. Notafihan'ireo mpikomy i Ndélé  Tamin'ny 10...

Raràn'i Kambodja Ny “Cybercafé” Manakaiky Sekoly

  25 Desambra 2012

Namoaka naoty ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra Kambodjiana fa voaràra ny manorina cybercafé 500 metatra manodidina ny sekoly na trano fampianarana. Mandràra ireo cybercafé tsy handray ireo tanora latsaky ny 18 taona ihany koa ny filazana, izay nanipika fa marobe ireo loza ateraky ny aterineto tahaka ny fampihorohoroana, heloka ara-toekarena...