- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao Fihetsiketsehana Nibodo Tetezana, Mpianatra Telo Nosamborina

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Hongria, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

Mpanao fihetsiketsehana telo no nosamborina ny alarobia alina raha nibodo tetezana iray tao Budapest ny mpianatra. Nanamarina [1] [hu] ny sendikan'ny mpianatra HaHa fa manentana dinidinika tontosaina eo amin'ny Tetezan-dRojo ry zareo. Mpanao fihetsiketsehana am-polony no niandry teo amin'ny sampan-draharahan'ny polisy iray tao Budapest niandry ny fanafahana azy ireo hatramin'ny alakamisy tamin'ny roa ora maraina. Navotsotra ireo mpianatra rehefa vita ny fombafomban'ny fandikàn-dalàna sivily, nahazo ny fampitandremana fanao.

Nanao fihetsiketsehana ny mpianatry ny lisea sy ny oniversite tany Hongria ny alarobia ho fanoherana ny fampihenana ny fetr'isan'ny mpianatra afa-mianatra eny amin'ny fampianarana ambony; Nanao fitokonana nitorovoka, nanaja minitram-pahanginana sy nihetsika ho fitsinjovana ny ho aviny ny mpianatra tany amin'ny lisea maro. Namoaka [2] [hu] sarintany sy lisitry ny hetsika maro samihafa ny Ivotoeram-Pifandraisana X (XKK); ary ity ambany ity ny pikantsarin'izany:

Ny androm-pihetsiketsehana tany Budapest dia nifarana tamin'ny alalan'ny fizoran'ny mpianatra mpandray anjara roa tamin'ny fihetsiketsehana teny amin'ny Tetezan-dRojo, izay nanentanan-dry zareo dinidinika, nanasany [3] [hu] ny Minisitry ny Fitantanana ny Mpiasa sy ny Praiminisitra hiantoka fa horaisina ny fitakian'ny mpianatra. Rehefa hisintaka ny tetezana ny mpanao fihetsiketsehana dia nosamborin'ny [4] [hu] polisy nanao fefin'ny diabe ny mpianatra telo izay nanentana ny dinidinika tamin'ny alalan'ny megaphones.

[5]

Mpianatra nitazona megaphone nihiakiaka nandritra ny fihetsiketsehana tao Budapest tamin'ny alarobia. Sarin'i Peter Nemeth, copyright © Demotix (19/12/2012).

Na dia noafahana aza izy ireo ora vitsivitsy taty aoriana dia maro ny mpiserasera no nanavoitra ‘zava-nisy nampihomehy’  fa efa nosamborina noho ny tolona hitakiana ny zo demokratika nandritra ny tetezamitan'i Hongria hizotra ho amin'ny demokrasia ihany koa ny praiminisitra Viktor Orbán [6]. Nizara io sombin-teny [7] [hu] io tamin'ny alalan'ny fampisana ny sarin'i Orbán nosamborina tamin'ny 1988 sy ny sarin'ny mpianatra iray nosamborina amin'izao fotoana i Iray Arivoarivo [tapitrisa] Ho Fahalalahan'ny Gazety any Hongria, fantatra ihany koa amin'ny hoe Milla:

Tahaka ny manaiky ny fangatahan’ [8]ny mpianatra ihany ny governemanta hongroà, raha nambara tamin'ny mitataovovonan'ny alarobia fa haverina ho 55.000 [9] fa tsy 10.800 araka ny navoaka [8] nialoha ny fihetsiketsehana ny isan'ny mpianatra ampidirina eny amin'ny oniversite tsy mandoa saram-pianarana amin'ny 2013. Nolazain'ny mpianatra mazava teny amin'ny sehatra maro ny fahafantarany ny filàna fandoavan-tsaram-pianarana eny amin'ny sekoly ambaratonga ambony hongroà, saingy navoitran-dry zareo fa tsy matihanina ny halakin'ny fanapahan-kevitra natao ary mila fikarakarana matotra ny fanaovana izany.

Nangatahin'ny [10] [hu] HaHa ny iarahan'ny governemanta manapa-kevitra amin'ny mpandray anjara rehetra amin'ny fametrahana ny teti-bola tsara kokoa hiantohana ny faharetan'ny oniversite rehefa naverina ho ambony kokoa indray ny fetr'isa ekena.

Nilaza ny mpitondra tenin'ny governemanta tamin'ny alarobia fa havoaka mialoha ny krismasy [11] [hu] ny fepetra ilaina hahatafidirana hianatra [eny amin'ny oniversite]. Hokajiana amin'ny alalan'ny fitambaran'ny naoty azony, isa azony tamin'ny fanadinana famaranan-taona ary fahafaham-panadinana hafa ny isa ahafahana miditra oniversite. Tamin'ny alakamisy folakandro anefa dia nanambara [12] [hu] ny Minisiteran'ny Fitantanana ny Mpiasa fa tsy havoakan-dry zareo amin'ity taona ity ny fepetram-pahafahana. Mbola tsy lahara-pahamehan'ny governemanta [13] [mg] ihany hatramin'izao ny fampianarana olon-dehibe, ny toe-karena ampiharina, ny fifandraisana sy ny fanaovan-gazety, ny fitantanana ny mpiasa, ny toekarena iraisampirenena ary ny lalàna, tsy misy fetr'isan'ny mpianatra tsy mandoa saram-pianarana [14] [hu] natokana ho an'ireo sampam-pianarana ireo.