Mpanao Fihetsiketsehana Nibodo Tetezana, Mpianatra Telo Nosamborina

Mpanao fihetsiketsehana telo no nosamborina ny alarobia alina raha nibodo tetezana iray tao Budapest ny mpianatra. Nanamarina [hu] ny sendikan'ny mpianatra HaHa fa manentana dinidinika tontosaina eo amin'ny Tetezan-dRojo ry zareo. Mpanao fihetsiketsehana am-polony no niandry teo amin'ny sampan-draharahan'ny polisy iray tao Budapest niandry ny fanafahana azy ireo hatramin'ny alakamisy tamin'ny roa ora maraina. Navotsotra ireo mpianatra rehefa vita ny fombafomban'ny fandikàn-dalàna sivily, nahazo ny fampitandremana fanao.

Nanao fihetsiketsehana ny mpianatry ny lisea sy ny oniversite tany Hongria ny alarobia ho fanoherana ny fampihenana ny fetr'isan'ny mpianatra afa-mianatra eny amin'ny fampianarana ambony; Nanao fitokonana nitorovoka, nanaja minitram-pahanginana sy nihetsika ho fitsinjovana ny ho aviny ny mpianatra tany amin'ny lisea maro. Namoaka [hu] sarintany sy lisitry ny hetsika maro samihafa ny Ivotoeram-Pifandraisana X (XKK); ary ity ambany ity ny pikantsarin'izany:

Ny androm-pihetsiketsehana tany Budapest dia nifarana tamin'ny alalan'ny fizoran'ny mpianatra mpandray anjara roa tamin'ny fihetsiketsehana teny amin'ny Tetezan-dRojo, izay nanentanan-dry zareo dinidinika, nanasany [hu] ny Minisitry ny Fitantanana ny Mpiasa sy ny Praiminisitra hiantoka fa horaisina ny fitakian'ny mpianatra. Rehefa hisintaka ny tetezana ny mpanao fihetsiketsehana dia nosamborin'ny [hu] polisy nanao fefin'ny diabe ny mpianatra telo izay nanentana ny dinidinika tamin'ny alalan'ny megaphones.

Mpianatra nitazona megaphone nihiakiaka nandritra ny fihetsiketsehana tao Budapest tamin'ny alarobia. Sarin'i Peter Nemeth, copyright © Demotix (19/12/2012).

Na dia noafahana aza izy ireo ora vitsivitsy taty aoriana dia maro ny mpiserasera no nanavoitra ‘zava-nisy nampihomehy’  fa efa nosamborina noho ny tolona hitakiana ny zo demokratika nandritra ny tetezamitan'i Hongria hizotra ho amin'ny demokrasia ihany koa ny praiminisitra Viktor Orbán. Nizara io sombin-teny [hu] io tamin'ny alalan'ny fampisana ny sarin'i Orbán nosamborina tamin'ny 1988 sy ny sarin'ny mpianatra iray nosamborina amin'izao fotoana i Iray Arivoarivo [tapitrisa] Ho Fahalalahan'ny Gazety any Hongria, fantatra ihany koa amin'ny hoe Milla:

Tahaka ny manaiky ny fangatahan’ny mpianatra ihany ny governemanta hongroà, raha nambara tamin'ny mitataovovonan'ny alarobia fa haverina ho 55.000 fa tsy 10.800 araka ny navoaka nialoha ny fihetsiketsehana ny isan'ny mpianatra ampidirina eny amin'ny oniversite tsy mandoa saram-pianarana amin'ny 2013. Nolazain'ny mpianatra mazava teny amin'ny sehatra maro ny fahafantarany ny filàna fandoavan-tsaram-pianarana eny amin'ny sekoly ambaratonga ambony hongroà, saingy navoitran-dry zareo fa tsy matihanina ny halakin'ny fanapahan-kevitra natao ary mila fikarakarana matotra ny fanaovana izany.

Nangatahin'ny [hu] HaHa ny iarahan'ny governemanta manapa-kevitra amin'ny mpandray anjara rehetra amin'ny fametrahana ny teti-bola tsara kokoa hiantohana ny faharetan'ny oniversite rehefa naverina ho ambony kokoa indray ny fetr'isa ekena.

Nilaza ny mpitondra tenin'ny governemanta tamin'ny alarobia fa havoaka mialoha ny krismasy [hu] ny fepetra ilaina hahatafidirana hianatra [eny amin'ny oniversite]. Hokajiana amin'ny alalan'ny fitambaran'ny naoty azony, isa azony tamin'ny fanadinana famaranan-taona ary fahafaham-panadinana hafa ny isa ahafahana miditra oniversite. Tamin'ny alakamisy folakandro anefa dia nanambara [hu] ny Minisiteran'ny Fitantanana ny Mpiasa fa tsy havoakan-dry zareo amin'ity taona ity ny fepetram-pahafahana. Mbola tsy lahara-pahamehan'ny governemanta [mg] ihany hatramin'izao ny fampianarana olon-dehibe, ny toe-karena ampiharina, ny fifandraisana sy ny fanaovan-gazety, ny fitantanana ny mpiasa, ny toekarena iraisampirenena ary ny lalàna, tsy misy fetr'isan'ny mpianatra tsy mandoa saram-pianarana [hu] natokana ho an'ireo sampam-pianarana ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.