Mpitari-Pivavahana Mayana Noraràna tsy Hiditra ny Toera-Panompoany Tany Goatemalà

Nanomboka ny lanonana hankalazana ny 13 Baktun – tsingerina farany ao amin'ny fanisan'andro Maya izay noheverina hifarana tamin'ny zoma 21 desambra 2012 i Goatemalà, misy ny fon'ny kolontsaina Maya. Saingy voabahan'ny fihetsiketsehan-danonana nataon'ny governemanta izay sady tsy notarihan'ny vazimba teratany izany no tsy niaraha-nankalazaina tamin'ireo mpitarika ara-panahy na tamin'ireo fokonolona teratany [tena tompon'ilay kolontsaina].

Eny ambony sehatra, tsy ireo vazimba teratany no nanao ny fiakanjoany ao anatina fampisehoana fanalan'andro ary mpanatrika tsy vazimba teratany avy amin'ny vato nasondrotry ny tany goatemalteka no naka ny ivon-toerana manan-danja indrindra amin'ny fanaovanm-pombafomba Maya, antsoina hoe Tikal, miandry ny fahatongavan'ny vanim-potoana vaovao. Navela tao ivelany ny vazimba teratany, nanao fihetsiketsehana izy ireo tamin'ny filalaovana ny zavamaneno nentim-paharazana antsoina hoe Marimba.

Tempoly Tikal Gran Jaguar avy amin'i Graeme alalana Creative Commons Attribution License hita ao amin'ny http://www.flickr.com/

Nitatitra vao maraimben'ny 20 desambra ny Federasiona Goatemaltekan'ny Radio Maya fa tsy navela hiditra tao amin'ny Valan-javaboarin'i Tikal, toera-panaovam-pombafomban'ny 13 Baktun ireo manampahefan'ny Mam – komitin'ny Maya. Ny tompon'andraikitry ny fizahantany goatemalteka no nandrara azy ireo tsy hiditra, tamin'ny filazana fa mikatona noho ny fampisehoana izay hotontosaina tao ny toera-panaovana fombafomba.

Tonga aloha be avy amin'ny lafivalon'ny firenena ireo lehilahy sy vehivavy hikarakara ny fombafomba nentim-paharazana saingy najanona tao ivelany mandra-pahatongan'ny tamin'ny sasakalina latsaka fahefany alina, fotoana namelana ny mpitari-pivavahana hanatontosa ny lanonana nentim-paharazana. Vitsy an'isa moa ny mpanatrika avy amin'ny vazimba teratany noho ny sady tsy fanasana azy ireo no tsy famelana azy ireo hiditra ny foiben'ny toera-pombafomba. Azonao trohina eto ny fitantarana amin'ny alalan'ny feo [es].

Tsy izao ny fanilikilihana voalohany nanjò ny vahoaka Maya. Efa nambaran'ny Komitim-bahoaka Maya Andrefana mialoha ny adin-tsainy :

Oxlajuj B'ak'tun no fotoana fanamafisana ny fanao sy fahendren'ny razana ary ny fitadiavana tsy mana-pahataperana ny fifandanjana [~mifandrindra?]; io no fotoana tsy maintsy “iakarana”, mampakatra ny fahatsiarovan-tenan'ny olombelona ary manaiky ny [maha-olombelona antsika] mba hahatongavana amin'ny fifankahazoana iraisana. Ny dikan'izany dia tsy maintsy miantoka isika fa “mifandrindra amin'ny habakabaka iray manontolo [kosmos] sy ny Reny Tany ny tena olombelona”, amin'ny alalan'ny fanamafisam-pifandraisana sy fifanajana eo amin'ny kolontsaina sy ny lanjan'ny fiavahan'ny fiaraha-monina tsirairay. Raha tsy misy izany dia tsy ho tanteraka na oviana na oviana ny fifandrohizana misy eo amin'ny tsirairay sy ny zava-misy manokana eo aminy.

Fanimbazimbana ho an'ny vahoaka Maya ny mahita ireo mpanankarena sy ny rafi-panjakana mampiroborobo izay HAHARAVINDRAVINY ny Oxlajuj B'ak'tun [ho fomba fandihy sy fiakanjo fotsiny], mampanao ity lanonana manandanja ity ho entam-barotra, manangana politikam-pampiroboroboana fizahantany sy fampisehoana an-tsehatra tsy mifanaraka amin'ny fomba fijerin'ny Maya izao hary rehetra izao [kosmos].

Mahamenatra ny ataon'ny fitondrana goatemalteka mampino ny fiaraha-monina iraisam-pirenena fa fampiroboroboana ny kolontsaina Maya izany, raha mbola hentitra amin'ny politikam-pangalàna ny loharanon-karena voajanaharinay izany. Hita izany amin'ny fisiana toera-pitrandrahana ara-pambolena an-jatony sy fanerena hitrandrahana harena an-kibon'ny tany, fananganana tohodrano, fitrandrahana solika, volo tokambolo midadasika ho ana orinasa iraisampirenena, ary izany dia amin'ny anaran'ny fampandrosoana sandoka ho fomba fanjakazakana sy fanavakavaham-bolonkoditra any Goatemalà.

Mandady ny fanavakavaham-bolonkoditra any amin'ny Firenen'i Goatemalà, ary mbola mafy ny rafi-panavakavahana eo amin'ny sehatra ara-panjakana sy fifandraisan'ny olona ao amin'io firenena io, izay maka endrika vaovao tahaka ny fanilihana taratra amin'ny fankalazana vanim-potoana vaovao eo amin'ny sivilizasiona Maya izao.  Antenaina fa avela hanatontosa ny fankalazana mifanaraka amin'ny fombany sy ny finoany ireo mpitari-pivavahana Maya amin'izao andro manaraka izao, sady mifarana amin'ny 30 desambra ny lanonana isan-karazany ary mba ho henon'ny fiaraha-monina iraisam-pirenena anie ny feo sy ny fangatahan'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.