Miray Hina Ny Fampielezam-baovao Sosialy Mba Hijoro Ho Fanavotana ireo Hazon'i Colombo

Colombo, renivohitr'i Sri Lanka dia malaza ho maitso mitaha amin'ny ankamaroan'ireo tanàn-dehibe any Azia Atsimo, noho ireo zava-maniry sy hazo maniry eny amoron-dàlana. Nandritra ny herinandro farany tamin'ny volana Novambra anefa, maro ireo hazo antitra nanamorona ny Reid Avenue no notapahan'ireo manampahefàna. Ny sasany tamin'ireo hazo ireo no efa nahatratra 100 taona mahery ary natao hamoronana ‘tanànan-jaridaina’ tany Colombo. Niteraka fitohanan'ny fifamoivoizana goavana tany an-toerana ireo hazo nianjera ireo. Mizara ny alahelony i Subha Wijesiriwardena :

Rehefa naheno aho fa nokapaina ireo hazobe tsara tarehy nanamorona ny Reid Avenue tany Colombo dia vaky ny foko. Nahalelo aho tanatiko tany – ary sarotra tamiko ny nanazava na tamin'iza na tamin'iza hoe nahoana no nahatohina ahy tahaka izao ity tranga manokana ity.

Izao no fanazavàna nomen'ireo manampahefàna momba ny fanapahana ireo hazo ireo:

- Ny fakan'ireo hazo ireo dia nanimba ny fantsona vita amin'ny “béton”/ fivarinan-drano/arabe

- Ny sasany tamin'ireo fakan-kazo ireo dia notapahaina mba hisorohana izany, ka nahatonga ny hazo hihozongozona taty aoriana.

- Izao izy ireo tsy maintsy kapaina mba hitandroana ny fandriampahaleman'ny vahoaka

Fallen trees

Hazo nazera tany Colombo. Sary avy amin'i Suganya Puskaran, ho an'ny Pejy Facebook Mijoroa ho an'ireo Hazon'i Colombo.

Ireo hazo ireo dia nazera noho ny karazana “fandrosoana” lalovan'i Colombo, sy ireo faritra hafa any Sri Lanka. Manampy i Subha :

Manerana an'i Sri Lanka, manomboka any Kalpitiya hatrany Pasikudah, misy fampandrosoana atao ka haingana dia haingana ny fiharan'izany, ary toa misy ambadika ratsy avokoa. Simba ireo morontsiraka dia atsangana ireo hotely raitra, ary tsy misy firaharahàna ny fahasimbàna naterak'izany tamin'ny zava-boaary sy ny tontolo iainana manodidina, rava ireo tsena madinika ka nosoloina tranom-barotra, trano fisakafoanana sy fandraisam-bahiny. Nohalehibeazina ny arabe, mihabetsaka ireo tetezana sy lalam-pirenena manerana ireo faritry eto amin'ny firenena izay ampandrosoan'ny governemanta ary mazava ho azy fa nesorina ireo trano sy hazo mba hanomezana toerana ho an'izany.

Voalaza ihany koa fa tsy nanao ezaka ny manampahefàna mba hanazava amin'ireo mponin'i Colombo ny antony nikapàna ireo hazo ireo. Noho izany dia nisy ireo mpampiasa aterineto namorona Pejy Facebook mitondra ny anarana hoe “Mijoroa ho an'ireo Hazon'i Colombo” mba hanoherana sy hanentanana:

Ity vondrona ity dia noforonin'ireo olom-pirenena miahy sy malahelo te-hahazo antoka fa tsy hisy intsony ireo hazo kapaina amin'ny manaraka. Te-hiantso ireo manam-pahefàna koa izahay mba hanao ny fiarovana ireo hazo efa misy ho anaty laharam-pahamehana amin'ny fandaharan'asan'ny tanàna.

Poa toa izay dia nisy hetsika Facebook noforonina tamin'ny 29 Novambra 2012 mba hivoriana tao amin'ny Reid Avenue manoloana ny Fianarana Zavakanto, Anjerimanontolon'i Colombo hanoherana ny fikapàna hazo.

Manohitra ny fikapàna hazo ao amin'ny Reid Avenue, Colombo. Sary avy amin'ny Twitpic an'i Dushiyanthini. Misy sary maromaro kokoa ao amin'ny bilaogy Passion Parade.

Maherin'ny zato ireo olona nijoro nilanja baoritra misy soratra tany amin'ny arabe lehibe maro any Colombo mba ho fandraisana anjara amin'ny tolona mangina. Tany i Savan ary manoratra ao amin'ny Yamu:

Nahasosotra ahy ny nieritreritra ity fanimbàna tsy misy antony ity ka faly aho mahita fa misy vondrona Colombars – tarihan'i Jan Ramesh sy Indika Arulingam nikarakara tolona hanoherana ny fikapàna hazo tsy amin'antony ao an-tanàna. Sambany amin'ny fiainako izao no mba hanatrehako fihetsiketsehana sy handraisako anjara tokoa – fa tsy mitatitra izany amin'ny maha-mpanao gazety na mpanesoeso.

Manohy izy:

Mahagaga ihany ny mandany adiny roa eo amoron-dàlana be mpampiasa, mitàna baoritra hanaovana tolona ho an'ny hazo. Raha “hippie” aho nandritra ny fotoana naha-olon-dehibe ahy, dia lasa mpiaro hazo tampoka teo. Kanefa aho Colombar hatrany anaty ràko ary mila mitahiry izay zava-maitso kely indrindra ananany ity tanàna ity. Tsy kilalaon-jaza mihitsy na resaka tora-po ny tolona amin'izao tranga izao (ary tsy tokony ho izany). Hafa ny ady sarotra nandritra ny taona am-polony maro fa hafa ihany koa ny fikapàna hazo. Tsy mila olona maro vao mahita ny fahasamihafàn'izany – olona 200 teny an-dàlana ary an'arivony maro hafa no tezitra, dia mety hanapa-kevitra ny governemanta fa tsy maninona raha mamela hazo vitsivitsy tsy mampidi-doza eny amin'ny toerana misy azy.

Mamarana ny lahatsorany toy izao i Subha Wijesiriwardena:

Anatinà firenena iray tsy ahafahanao milaza ny tsy fitiavana ny toe-javatra misy, mety hoe ny hazo no fomba hahafahanao manandra-peo. Vonjeo ny hazo, satria mety ho ireo ihany no ho afaka hovonjentsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.