- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ekoatora: Mamorona Fitsipi-pitondrantena Ho An'ny Tambajotra Sosialy Ny Filankevi-Pirenena

Sokajy: Amerika Latina, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

[Ny rohy rehetra raha tsy misy fanamarihana manokana dia mitondra mankany amin'ny pejy miteny Espaniola.]

Nanàla sarona ny Voto transparente, Conoce a Tu Candidato [1] (Fifidianana mangarahara, Fantaro ny Kandindànao), tetikasa iray ikendrena ny hanazàrana ireo mpifidy hampiasa ny sehatra fampielezan-kevitr'ireo mpirotsaka ho filohampirenena samihafa, ny Kaomitim-pirenena miomba ny Fifidianana ao Ekoatora (CNE). Ny vavahadin-tseraseran'ny governemanta, www.gne.gob.ec [2], dia manome fampahafantaana an'ireo valo nirotsaka ho filoha, ireo avy amin'ny Parlemantan'ny Andes, ireo mpirotsaka ho an'ny antenimieram-pirenena sy antenimieram-paritra hatramin'ny fandraisana ny avy any ivelany. Ireo fikambanana politika, vondrona sosialy, ary ny media dia samy manana daholo fandraisana anjara ao anatin'ilay tetikasa, izay nirafitra ho Fitsipi-Pitondrantena mandritra ny vanim-potoam-pifidianana, ny Manual de Convivencia [3]. Hita amin'ny alàlan'ireo tambajotra sosialy sy media dizitaly samihafa, ilay boky torolàlana dia sady mikendry ireo mpisehatra ara-politika no ihany koa ireo olom-pirenena rehetra — ny tanjona dia ny hampiroboroboana ny fifanajàna sy ny fifandeferana eo amin'ireo firehana sy foto-kevitra ara-politika isan-karazany.

Fifidianana Solombavambahoaka tamin'ny 2009 tao Ekoatora. Sary natolotr'i Dan Figueroa. Fizaka-mànana Demotix  manontolo.

Ao anatin'ny fibanjinana sahady ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny Febroary 2013, ilay Fitsipi-pitondrantena dia milaza  fitsipika 15 fototra [4]:

Principle #0: Ataovy amin'ny hafa izay tianao hatao amin'ny tenanao.

Principle #1: Aza adino mandrakariva fa olombelona ilay mamaky ny hafatrao ary mety ho tohina ny fihetsehampony .

Principle #2: Ety anaty aterineto, mitondrà tena toy ny hoe eo amin'ny fiainana tena izy.

Principle #3: Ampio ny hitazonana tontolo salama sy feno fanabeazana ahafahan'ny daholobe mifanakalo hevitra.

Principle #4: Ifampizarao amin'ny fiarahamonina ny fahalalàna anananao.

Principle #5: Aoka ho azonao antoka fa na ny fandraisanao anjara na ny fanehoankevitrao dia sady mahafinaritra, mahay miaina, mahalala fomba, mahandry sy feno fanajàna — fitsipi-pitondrantena tsara rahateo izy io.

Principle #6: Hajao ny fiainana manokan'ny hafa — hadisoana ny mifamory hanohitra olona iray.

Principle #7: Hajao ny fotoana sy ny onja natao ho an'ny hafa.

Principle #8: Asehoy ety anaty aterineto ilay lafy iray tsara ao aminao –aza mamporisika ny fifosafosàna, fampielezan-kevitra ho fanalàm-baraka, na tsy fifandeferana.

Principle #9: Raha manoratra mampiasa sora-baventy ianao, heverin'ny olona ho tezitra mikiakiaka.

Principle #10: hajao ny fomba fijerin'ny hafa ary aza ompaina izy; Tokony ho valintenin'olona mahalala fomba ny anao sady voalanjalanja sy itarafàna ny marina.

Principle #11: Aoka tsy hitongilana mikasika ireo lohahevitra izay mety hahakasika manokana anao nefa tsy dia ho tombontsoan'ny besinimaro loatra.

Principle #12: Hajao ny finoana hatramin'ny resaka fironana ara-pananahana, ara-potokevitra ary politikan'ny hafa.

Principle #13: Mandefera amin'ireo olona tsy mitovy fomba fijery aminao.

Principle #14: -aza mampiasa teny mandratra na manambany, ary aza manohintohina ny maha-olona ny hafa.

Tamberina Twitter

Fotoana fohy monja taorian'ny nanalàna sarona ilay tetikasa, ny gazety hoy.com.ec [5] mpiseho isan'andro anaty aterineto dia nitatitra fa ireo mpampiasa ny Twitter dia namorona tenifototra #redessocialesCNE [6] [tambajotra sosialin'ny CNE] ary nanely ny tombantombana sy ny vazivazin-dry zareo:

@darknitch: [7]#redessocialesCNE [6], Respete el ancho de banda de las otras personas ??? Perdon ancho de banda por utilizarte para leer pendejadas de la CNE

@darknitch [7]: [7]#redessocialesCNE [6], [7] Hajao ny onjan-korianan'ny hafa??? Miala tsiny amin'ilay onjan-koriana fa nampiasaiko ianao hamakiako ny hagaigen'ny CNE.

@Danku_G: [8]#redessocialesCNE [6] la primera regla del CNE en las redes sociales: do not talk about las reglas del CNE en redes sociales…

@Danku_G: [8]#redessocialesCNE [6] ny fepetra voalohan'ny CNE ho an'ny tambajotra sosialy: aza miresaka momba ireo fepetran'ny CNE momba ny tambajotra sosialy…

@xavoviz: [9] No olvide sonreír mientras escribe su tuit. Un troll alegre es un troll eficiente. #redessocialesCNE [6]

@xavoviz: [9] Aza adino ny mitsiky rehefa mandefa bitsika. Ny hiakam-pifaliana no tena hiaka mandaitra. #redessocialesCNE [6]