Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Ekoatora: Mamorona Fitsipi-pitondrantena Ho An'ny Tambajotra Sosialy Ny Filankevi-Pirenena

[Ny rohy rehetra raha tsy misy fanamarihana manokana dia mitondra mankany amin'ny pejy miteny Espaniola.]

Nanàla sarona ny Voto transparente, Conoce a Tu Candidato (Fifidianana mangarahara, Fantaro ny Kandindànao), tetikasa iray ikendrena ny hanazàrana ireo mpifidy hampiasa ny sehatra fampielezan-kevitr'ireo mpirotsaka ho filohampirenena samihafa, ny Kaomitim-pirenena miomba ny Fifidianana ao Ekoatora (CNE). Ny vavahadin-tseraseran'ny governemanta, www.gne.gob.ec, dia manome fampahafantaana an'ireo valo nirotsaka ho filoha, ireo avy amin'ny Parlemantan'ny Andes, ireo mpirotsaka ho an'ny antenimieram-pirenena sy antenimieram-paritra hatramin'ny fandraisana ny avy any ivelany. Ireo fikambanana politika, vondrona sosialy, ary ny media dia samy manana daholo fandraisana anjara ao anatin'ilay tetikasa, izay nirafitra ho Fitsipi-Pitondrantena mandritra ny vanim-potoam-pifidianana, ny Manual de Convivencia. Hita amin'ny alàlan'ireo tambajotra sosialy sy media dizitaly samihafa, ilay boky torolàlana dia sady mikendry ireo mpisehatra ara-politika no ihany koa ireo olom-pirenena rehetra — ny tanjona dia ny hampiroboroboana ny fifanajàna sy ny fifandeferana eo amin'ireo firehana sy foto-kevitra ara-politika isan-karazany.

Fifidianana Solombavambahoaka tamin'ny 2009 tao Ekoatora. Sary natolotr'i Dan Figueroa. Fizaka-mànana Demotix  manontolo.

Ao anatin'ny fibanjinana sahady ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny Febroary 2013, ilay Fitsipi-pitondrantena dia milaza  fitsipika 15 fototra :

Principle #0: Ataovy amin'ny hafa izay tianao hatao amin'ny tenanao.

Principle #1: Aza adino mandrakariva fa olombelona ilay mamaky ny hafatrao ary mety ho tohina ny fihetsehampony .

Principle #2: Ety anaty aterineto, mitondrà tena toy ny hoe eo amin'ny fiainana tena izy.

Principle #3: Ampio ny hitazonana tontolo salama sy feno fanabeazana ahafahan'ny daholobe mifanakalo hevitra.

Principle #4: Ifampizarao amin'ny fiarahamonina ny fahalalàna anananao.

Principle #5: Aoka ho azonao antoka fa na ny fandraisanao anjara na ny fanehoankevitrao dia sady mahafinaritra, mahay miaina, mahalala fomba, mahandry sy feno fanajàna — fitsipi-pitondrantena tsara rahateo izy io.

Principle #6: Hajao ny fiainana manokan'ny hafa — hadisoana ny mifamory hanohitra olona iray.

Principle #7: Hajao ny fotoana sy ny onja natao ho an'ny hafa.

Principle #8: Asehoy ety anaty aterineto ilay lafy iray tsara ao aminao –aza mamporisika ny fifosafosàna, fampielezan-kevitra ho fanalàm-baraka, na tsy fifandeferana.

Principle #9: Raha manoratra mampiasa sora-baventy ianao, heverin'ny olona ho tezitra mikiakiaka.

Principle #10: hajao ny fomba fijerin'ny hafa ary aza ompaina izy; Tokony ho valintenin'olona mahalala fomba ny anao sady voalanjalanja sy itarafàna ny marina.

Principle #11: Aoka tsy hitongilana mikasika ireo lohahevitra izay mety hahakasika manokana anao nefa tsy dia ho tombontsoan'ny besinimaro loatra.

Principle #12: Hajao ny finoana hatramin'ny resaka fironana ara-pananahana, ara-potokevitra ary politikan'ny hafa.

Principle #13: Mandefera amin'ireo olona tsy mitovy fomba fijery aminao.

Principle #14: -aza mampiasa teny mandratra na manambany, ary aza manohintohina ny maha-olona ny hafa.

Tamberina Twitter

Fotoana fohy monja taorian'ny nanalàna sarona ilay tetikasa, ny gazety hoy.com.ec mpiseho isan'andro anaty aterineto dia nitatitra fa ireo mpampiasa ny Twitter dia namorona tenifototra #redessocialesCNE [tambajotra sosialin'ny CNE] ary nanely ny tombantombana sy ny vazivazin-dry zareo:

@darknitch:#redessocialesCNE, Respete el ancho de banda de las otras personas ??? Perdon ancho de banda por utilizarte para leer pendejadas de la CNE

@darknitch:#redessocialesCNE, Hajao ny onjan-korianan'ny hafa??? Miala tsiny amin'ilay onjan-koriana fa nampiasaiko ianao hamakiako ny hagaigen'ny CNE.

@Danku_G:#redessocialesCNE la primera regla del CNE en las redes sociales: do not talk about las reglas del CNE en redes sociales…

@Danku_G:#redessocialesCNE ny fepetra voalohan'ny CNE ho an'ny tambajotra sosialy: aza miresaka momba ireo fepetran'ny CNE momba ny tambajotra sosialy…

@xavoviz: No olvide sonreír mientras escribe su tuit. Un troll alegre es un troll eficiente. #redessocialesCNE

@xavoviz: Aza adino ny mitsiky rehefa mandefa bitsika. Ny hiakam-pifaliana no tena hiaka mandaitra. #redessocialesCNE

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny