MENA: Bilaogy Mpampitohy Ny Firenena Maghreb Sy Ny Golfa Arabo

“Raha ny sarintany no fantatra mazava hoe manasaraka ny Saika Nosy Arabo sy i Maghreb, dia fantatra kosa fa nanome làlana ho amin'ny tsy fifankahazoan-kevitra sy fitsaratsaram-poana ny hevi-diso momba ny hafa, izay tonga hatramin'ny famaritana ny politikan'ny governemanta.” Tamin'ity fanambaràna ity no nampahafantaran'ity bilaogy vaovao, Bil3afya ny mombamomba azy amin'ny mpamakiny.

Mpitoraka bilaogera roa no nanangana ity bilaogy ity. Ny iray dia i Samia Errazzouki (@charquaouia), mpanoratra Marokana – Amerikana, izay mifantoka bebe kokoa amin'ny toe-karena sy ny fanovàna ara-politika any Maraoka ny fikarohana ataony. Mpiara-mamoaka lahatsoratra ao amin'ny pejy Jadaliyya faritra Maghreb ihany koa izy ary mpikambana ao amin'ny ekipan'ny fanoratana Mamfakinch. Ilay iray hafa nanangana kosa dia i Mona Kareem (@monakareem), olona tsy manana firenena fiaviana avy any Koety. Izy no nanangana ny Zon'ny Bedoon [Tsy misy firenena niaviana], ary manoratra ho an'ny Alakhbar English sy  Global Voices Online, ankoatry ny maro hafa.

Ny tanjon'ny bilaogy dia ny hiresaka ireo fitsaratsaram-poana  misy eo amin'ireo faritra roa ireo, ary hanombohana resaka iray manasongadina ny fototra iombonana sy hanolotra azy ireo ny fomba famakiny manokana izany fahasamihafana misy eo amin'izy ireo izany.

Mandray soa ny tetikasa eo amin'ny Twitter ireo mpampiasa azy. Manoratra  i Sager Al Marri teratany avy any Emira Arabo Mitambatra:

@saqeram: Mahaliana ny lahatsoratra mikasika ny fifandraisana Maghreb-Gulf nataon'i @monakareem & @charquaouia eo amin'ny bilaogy @bil3afya. Jereo eto izy ireo : http://bil3afya.blogspot.com/

Ary manampy i Elizabeth Tsurkov, Israeliana:

@Elizrael: Bilaogy mahaliana izay te-hanitatra ny fifaneraserana eo amin'i Gulf & Maghreb http://bit.ly/NKH1TD avy amin'i @MonaKareem & @charquaouia

Na mbola tanora aza ity bilaogy ity, dia efa miresaka sahady ny politika, ny tantara an-tsarin'ny fahitalavitra, ny fomba fahitàna ny kolotsaina itoviana eo amin'ny faritra roa ireo lahatsoratra nivoaka.

Nanoratra lahatsoratra toy izao i Mona, avy any Koety, miresaka ny iray amin'ireo fitsaratsaram-poana mikasika ny olona avy any amin'ny Saika Nosy Arabo, tafiditra anatin'izany ny firenena niaviany:

Tamin'izaho nankany  Le Caire, raha hoe olona avy ao Golf, ny resaka dia hoe “manana solitany aho ao an-tokotaniko” ary dia tokony hoe hanampy an'izy ireo hahita asa ny tenako, na koa hoe hanome vola bebe kokoa amin'ny asa ataony. Any Etazonia, maro ireo Arabo nihaona tamiko, isan'ireny ireo avy any Maghreb, no nilaza fa hoe vehivavy kely manan-karena mihanta velona avy any amin'ny Golfa ny tenako, tsy manana ahiahy, mianatra sy mandanindany ny androny.

Avy eo izy nanoratra mikasika ny hiatrehan'ny olona tsy manana firenena niaviana (Bedoon) ireo fepetra iainana any Koety. Avy eo nifindra tany amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina aminy toa an'i Arabia Saodita, Bahrain, Emira Arabo Mitambatra, Oman sy Katara:

Ho anà firenena iray manan-karena toa an'i Arabia Saodita aloha miaraka amin'ity fanapahan-keviny lava amin'ny fanomezana vola atsy sy aroa ity, dia tsy hisy olona hihevitra mihitsy hoe mahantra toy ny ahoana ny fiainan'ireo Saodiana anjatony. Tena henjana ny olana mikasika ny fahantrana any Arabia Saodita ary Saodiana maro no iantraikàn'izany ; tsy ireo mpiasa mpifindra monina fotsiny ihany na koa ireo olona tsy manana firenena fiaviana.

Controversial Kuwaiti cartoon depicting a Moroccan man

Bu-Qutada: sarimiaina Koetiana mahabe resaka maneho lehilahy Maraokana

Roa taona lasa izay,  ny sarimiaina antsoina hoe Qutada wa Bu Nabeel dia namaritra an'i Maraoka ho voasoloky ary ny vehivavy ao aminy ho mpivaro-tena tia vola, miezaka ny misambotra lehilahy Koetiana hanambady azy. Ary anatin'ny iray amin'ireo lahatsoratra ao amin'i Bil3fya, nanoratra i Mona Kareeem mikasika ity andianà sarimiaina ity, sy ireo fitsaratsaram-poana ananan'ireo lehilahy avy any Golfa momba an'i Maraoka, izay amaritana azy ho toerana hanatanterahan'izy ireo ny nofinofiny eo amin'ny rongony sy ny firaisana ara-nofo.

Ka dia nanoratra mikasika loza mitovitovy amin'izay ao amin'ny firenena mpiray vodirindrina amin'i Golfa toy izao izy:

Nasisika tanàty hanihany ireny fitsaratsaram-poana ireny tany Koety tamin'ny taona vitsy lasa noho ny zatovo lahy mitsiriritra ny hitsidika any Maraoka. Ilay resabe dia nahatonga ireo Maraokana mpijirika hanakatona tranonkala Koetiana sasantsasany, ary nahatonga ny governemanta Koetiana haneho ny fialantsininy amin'ny zavatra izay nataonà orinasam-baovao tsy miankina. Mino aho hoe izay angamba no fara-tampony amin'ny fifaindonana Maghreb-Golfa.
Zavatra mitovitovy amin'izany no niseho vao haingana teo amin'ny twitter, fa amin'ny an-tànan-tohatra kely kokoa, raha nanomboka tenifototra mikasika an'i Maraoka ny Saodiana sasany mikasika ny firaisana ara-nofo Maraokana; zavatra izay manompa ny Maraokana.
Raha miainga avy any amin'ny fototra, dia ny kolotsaina ara-pokon'ny Golfa no mahatonga azy ireo hihevitra fa izy no tena miaro ny vehivaviny (ny voninahiny) ary ny mifanohitra amin'izay kosa ny Maraokana hatramin'izay hoe nisian'ny fivarotan-tena tany Maraoka. Azo takarina tsara ihany ny hevitra mikasika ny voninahitra sy ny fisian-tsaina ho an'ny foto-pisainana tena Golfa tsy mifangaro, noho ny fiarovana ny fahalalahan'ny vehivavy indrindra amin'ny endrika ivelany.

Ao anatina lahatsoratra hafa, raha miresaka mikasika ny fitombon'ny fifamatorana eo amin'ny fanjakan'andriana any Maraoka sy any amin'ny Saika Nosy Arabo, nanoratra i Samia ny fomba mahatonga ireo fanjakan'Andriana hatanjaka miaraka amin'ny tombontsoa iombonana amin'ny fijanonana eo amin'ny fahefana na inona na inona mitranga. Voalaza fa miantraika any amin'ny politikan'ny raharaham-bahiny Maraokana manoloana an'i Iran ity fifamatorana ity, ary farany izay tsy ny maivan-danja indrindra akory, misy ihany koa ny fifamatorana ara-toekarena, hita amin'ny alalan'ny fifanarahana varotra malalaka nosoniavin'i Maraoka sy ny Emirà Arabo Mitambatra, sy ny tolo-kevitra hahatonga an'i Maraoka ho isan'ny mpikambana ao amin'ny Gulf Cooperation Council, na dia mbola tsy nohazavaina amin'ny antsipiriany aza ity fampidirina azy amin'ny GCC ity, ary koa mbola tsy nolazaina tamin'ny fomba ofisialy be taorian'ny fanambarana voalohany:

Na dia eo aza ny fahalaviran'i Maraoka amin'i Golfa ara-jeografia, dia mibaiko be ny politikan'ny raharaham-bahiny Maraokana ny fifamatoran'ny politikan'ny raharaham-bahinin'i Maraoka sy ireo  fitondran'andriana any Golfa ary koa ny fanampahan-keviny hitsofoka lalina kokoa amin'ny jeopolitikan'i Golfa, eny fa na dia ho tonga amin'ny fahatapahan'ny fifamatorana amin'ireo firenen-kafa aza no sandany izany. Tena mety ho zava-dehibe indrindra izany amin'ny May 2011 rehefa nangatahina ho mpikambana ao amin'ny Gulf Cooperation Council (GCC) i Maraoka.

Hatreto, lahatsoratra dimy no navoaka teo amin'ilay bilaogy, fa mbola miandrandra lahatsoratra maro aho, ary mety ho mpandray anjara maro kokoa avy amin'ireo faritra Arabo roa ireo na firenena Arabo hafa koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.