Niantso Ho Amin'ny Fitokonana Faobe Ny Mpianatra Hongroà

Tamin'ny herinandro lasa, nanao fihetsiketsehana ny mpianatry ny lisea sy ny kolejy nanomboka ny Alatsinainy hatramin'ny Zoma. Tamin'ity herinandro ity, mbola mitaky hatrany ny tanora fa tokony hametraka fetr'isan'ireo mpianatra horaisina eny amin'ny oniversite amin'ny fomba mazava sy ara-drariny ny governemanta ary hanampy ireo tanora avy amin'ny tokantrano sahirana, sy manana fidiram-bola ambany te-hanohy ny fianarana ambony.

Tamin'ny Alatsinainy teo, mpianatra an'arivony no nanohy nilahatra teny an-dalambe ao an-drenivohitr'i Hongria. Rehefa avy nanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny Antenimiera [hu] izy ireo dia namonjy ny foiben'ny Onjampeo Hongroà mba hitaky fanambarana ao amin'ny 5 + 1 points, izay hevitra notapahin'izy ireo nandritra ny dinidinika farany tamin'ny herinandro lasa teo. Nitatitra [hu] ny bilaogin'i Kettős Mérce fa niresaka momba ny fitakian'ny mpianatra ihany ireo mpanolotra fandaharana ao amin'ny Onjam-peo tamin'ny 9 ora hariva, saingy tsy namaky ny lisitra nandritra ny fandaharana.

Mitohy ao Bodapest ny fitokonanan'ny mpianatra. Sary avy amin'i David Ferenczy, copyright © Demotix (12/12/2012).

Niafara tamin'ny dinidinika tao amin'ny Oniversiten'ny Teatira sy ny Sinema ny fihetsiketsehana, izay narakitra tamin'ity lahatsary manaraka ity. Miantso ny tsirairay voakasiky ny fampihenana ny fetr'isan'ny mpianatra raisina eny amin'ny fampianarana ambony ny lahatsary, sns., mba hamonjy ny “fitokonana faoben'ny fampianarana ambony” [hu] amin'ny Alarobia.

Tamin'ny 1:28 ao amin'ny lahatsary, hoy ireo mpianatra miantsoantso “Miantso ireo mpanohana sy izay voakasiky ny olana izahay mba hamonjy ny hetsika. [Mangataka] fitokonana faobe izahay. Tsy misy [ho] antsika raha tsy eo isika.” Ary naverimberina imbetsaka ny fehezanteny farany hatramin'ny 2:36.

Mitaky fomba fandraisana fanapaha-kevitra matihanina kokoa ireo mpianatra, sy ny  sisa hafa, amin'ny famahana ireo olana ao amin'ny fampianarana ambony ao Hongria. Iray amin'ireo anton'izany fitakiana manokana izany ny fihetsiketsehana ivelany nataon'ny Praiminisitra Viktor Orbán tamina dokambarotra tao afovoan-tanàna niaraka tamin'ireo vondrona mpianatra voalaza fa tsy fantatra anarana tamin'ny Asabotsy – ireo izay tsy mpikambana mihitsy ao amin'ny hetsiky ny sendikàn'ny mpianatra ankehitriny; avy eo, nilaza izy fa tsy misy fetr'isa ny mpianatra raisina. Nohazavain'ny Minisitry ny Fitantanana ny Mpianatra izany fanambarana izany avy eo, izay nilaza fa tokony mahafeno ny “fepetra takiana” [hu] ireo mpianatra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.