Nanao Fihetsiketsehana Ny Bahrainita Tamin'ny Fetim-pirenena

Fety ny 16 sy 17 Desambra ao Bahrain. Fetim-pirenena ny andro voalohany ary andro nankalazana ny fahatongavan'i Mpanjaka Hamad teo amin'ny fahefana ny andro faharoa. Andron'ireo Martiora ihany koa ny 17 Desambra ao Bahrain – andro fahatsiarovana ireo niharam-boina am-polony izay namoy ny ainy nandritra ny taona maro nitoloman'ny Bahrainita ho an'ny zony ara-politika. Raha maro ireo nankalaza izany, ny hafa kosa nidina an-dalambe mba hanao hetsi-panoherana, mitohy mampisavilivily ity firenena Arabo mpikomy ity ny korontana.

Tao amin'ny Twitter, Sayed Hassan nizara ity sary tamin'ny fihetsiketsehana tao Sanabis ity.

Mpanao fihetsiketsehana milanja sorambaventy mivaky hoe: “Andron'ny Martiora, Fanentanana sy Fanomezana” [navoakan'ny @SanabisNews tao amin'ny Twitter]

Hoy izy nisioka:

@WLEXT: Manao diabe ao an-tanànan'i Sanabis ny vahoaka minitra vitsy izay

Minitra fohy taty aoriana, mpanao gazety sady mpaka sary @MazenMahdi nisioka fa voasambotra tao Sanabis izy:

@MazenMahdi: Nosamborin'ny polisy tao #Sanabis #Bahrain aho

Noafahana i Mahdi roa ora taty aoriana – ary nandeha tongotra tao anatin'ny orana hamonjy ny fiarany.

@MazenMahdi: Nivoaka ny tobin'ny polisy, ary tsy naverina ny karatra maha mpanao gazety ahy rehefa avy niaraka tamin'ireo polisy mba havotsotra, navela handeha tongotra tao anatin'ny orana aho mba hamonjy ny fiarako

Tao amin'ny tanàna kelin'i Boori @Feb14Media nisioka sarina fihetsiketsehana hafa:

A night protest in Boori

Fihetsiketsehana amin'ny alina ao Boori. Sary nozarain'i @Feb14Media tao amin'ny Twitter

Nanazava ny kaonty Twitter, izay misioka ireo vaovao momba ny fihetsiketsehana sy ny fivoaran'ny politika ao Bahrain hatramin'ny niandohan'ny fitroarana tamin'ny 14 Febroary 2011:

بوري : انطلاق مسيرة غاضبة على الرغم من تساقط الأمطار

@Feb14Media: Boori: Mipoaka ny fihetsiketseha-pahatezerana na dia avy aza ny orana

wahat_almaameer nisioka sarina fihetsiketsehana hafa tao amin'ny tanàna kelin'i Maameer ihany koa.

Mpanao fihetsiketsehana vehivavy manao diabe manerana ny tanàna kelin'i Mameer, sary navoakan'i @wahat_almaameer

المعامير/رغم الأجواء الباردة وتساقط الأمطار احرار المعامير يخرجون في مسيرة غاضبة تأكيدا على الصمود

@wahat_almaameer: Mameer: Na dia mangatsiaka be aza ny andro ary avy ny orana, nivoaka namonjy ny fihetsiketseham-pahatezerana ny vahoaka afaka ao Mameer mba haneho ny hafanam-pony

Tao an-tanàna kelin'i Karannah, KarranahNews nisioka lahatsary misy fihetsiketsehana izay natao tao an-tanàna:

Ary tao an-tanàna kelin'i Wadyan, ao Sitra, @wadyanmedia nisioka lahatsary ahitana fihetsiketsehana hafa ihany koa:

Nisioka sary maro [MAMPIHORO-KODITRA] ilay mpikatroka ny zon'olombelona Maryam Alkhawaja izay ahitana ny sarin'ireo naratra taorian'ny fanafihan'ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana androany tao Barhain, hoy izy nisioka saying:

@MARYAMALKHAWAJA: #BahrainNationalDay (Fety nasionalin'i Bahrain): lasa jamba ireo olona roa voatifitra teo amin'ny masony. Izany no karazana fanomezana efa mahazatra ny vahoakan'i #bahrain.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.