Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Manao Diabe Ny Mpifindra Monina Mba Hitaky Fitovizan-jo Ao Brezila

Tamin'ny 2 Desambra, nidina an-dalambe ny fihetsiketsehana nokarakarain'ireo mpila ravinahitra monina ao São Paulo mba hitaky ny fananany zo fototra toy ny fahasalamana, fiarovana, sy asa mendrika. Niainga tao Praça da República, ao afovoan-tanàna ny Diaben'ny Mpifindra-monina VI ary nandalo teo anoloan'ny Lapan'ny Tanàna ao São Paulo, ka nijanona tao nandritra ny minitra maromaro ireo mpikarakara mba hanao kabary.

Amerika Latina sy mpiavy avy ao Afrika ny ankamaroan'ireo mpanao fihetsiketsehana, ary monina ao amina tanàna izay anaovan'izy ireo tolona hahazoana fitovizan-jo toy ny olom-pirenena teratany Breziliana. Lehilahy, vehivavy ary ankizy izy ireo izay nandositra ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana tany amin'ny firenena niaviany ary manantena ny hanorim-ponenana sy hanan-trano ho azy ireo ao Brezila.

Na dia izany aza, matetika mivadika ho nofy ratsy izany nofinofy izany satria tonga hiatrika olana ireo olona izay sarotra ho azy ireo ny hahazo rariny tanteraka noho izy ireo vahiny mpila ravinahitra, indrindra raha tsy ara-dalàna ny nidiran'izy ireo tao Brezila. Miafara any anaty tambajotra izay mampiasa mpiasa vahiny tsy ara-dalàna ny sasany amin'ireo olona ireo, indrindra ny Boliviana, ka mampiasa azy ireo tahaka ny andevo: ora fiasana tafahoatra, karama farany ambany indrindra, tsy firaharahiana ny satam-piarovana sy ny ara-pahasalamana, ary fampiantranoana maloto sy hiboka olona.

"I am a citizen of the world". Photo by Juliana Spinola copyright Demotix (02/12/2012)

“Olom-pirenena eto amin'izao tontolo izao aho”. Sary avy amin'i Juliana Spinola copyright Demotix (02/12/2012)

Manome fanoritsoritana mazava [pt] momba ity toe-javatra mangina miaro herisetra iainan'ny vahiny mpila ravinahitra maro ity ny bilaogy Pandora :

É muito difícil encontrar, na grande maioria dos bairros da capital paulista, imigrantes de origem boliviana. Porém, a cada dia que passa, o número de pessoas com traços indígenas e falantes de um espanhol mais arrastado que o normal só aumenta na cidade, quase que na surdina. Isso ocorre porque, normalmente, esses imigrantes se encontram nos bairros centrais da cidade – principalmente onde as roupas são mais baratas – enclausurados em fábricas, em condições insalubres de trabalho, ou vendendo seu artesanato em feiras. Esse é o panorama de mais de 200 mil bolivianos, imigrantes legais e ilegais, que vivem na cidade de São Paulo.

Amin'ny ankamaroan'ny distrikan'i São Paulo, sarotra ny mahita Boliviana mpifindra monina. Na dia izany aza, tsy mitsaha-mitombo mangingina isan'andro ny isan'ireo olona ao an-tanàna izay karazana teratany Indiana ary Espaniola vitsivitsy tsy araka ny mahazatra. Mitranga izany toe-javatra izany satria, amin'ny ankapobeny, ao amin'ny distrika afovoan-tanàna no misy ireo mpifindra monina ireo – indrindra fa tsy dia lafo ny fitafiana ao – ary na mihidy any amin'ireo orinasa ahitana asa mampidi-doza izy ireo, na mivarotra ny asa-tanany eny an-tsena. Izany no toe-javatra iainan'ireo Boliviana maherin'ny 200.000, izay ahitana mpifindra monina ara-dalàna sy tsy ara-dalàna, monina ao an-tanànan'i São Paulo.

Ny zava-misy dia na dia firenena nijoro tamin'ny fampiasana ny herin'ireo mpifindra monina aza i Brezila, ny andiam-bahiny betsaka nirodorodo farany dia tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20. Nanomboka hatreo, efa nisedra dona ara-toekarena marobe no nahatonga ny zava-misy ary nanjary firenena be mpandao i Brezila. Nahatonga ireo mpanao politika Breziliana nanao ankilabao ny asa momba ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifindra-monina izany, izay efa tamin'ny vanim-potoanan'ny didy jadona no nanaovana azy farany, ka lasa mampisy olana amin'ny fanatanterahana ny fifanekena momba ny fahahafahan'ny olona sy ny entany mivezivezy malalaka eo amin'ny firenena mpikambana amin'ny MERCOSUR, tahaka ny Faritra Schengen ao amin'ny Vondrona Eoropeana.

Photo by Juliana Spinola copyright Demotix (02/12/2012)

“Manitatra ny fjerinao izao tontolo izao ny fifindra-monina”. Sary avy amin'i Juliana Spinola copyright Demotix (02/12/2012)

Amin'izany lohahevitra izany, namoaka indray ny resadresaka [pt] mazava tsara niarahana tmin'ny mpandrindran'ny Foiben'ny Zon'Olombelona sy ny Zon'ny Olom-pirenena mpifindra-monina (CEDIC), Paulo Illes, ny habaka O Estrangeiro (Ny Mpivahiny) :

No Brasil especificamente, o Estatuto do Estrangeiro é extremamente discriminativo, notadamente pelo fato de ser produto dos anos de chumbo [o período mais repressivo da ditadura militar do Brasil], quando o estrangeiro era tratado como uma ameaça para a segurança nacional e neste quadro jurídico arcaico, marcado pelo autoritarismo e falta de democracia, toda a responsabilidade no tratamento ao migrante é da alçada da Polícia Federal.

Ao Brezila manokana, manavakavaka tafahoatra ny sata mifehy ny vahiny, voalohany indrindra dia noho ny zava-misy fa vokatry ny “taonan'ny firaka” izany, [vanim-potoanan'ny famoretana mamaivay indrindra nandritra ny jadona miaramila tao Brezila], izay niheverana ireo vahiny ho toy ny fandrahonana ny fiarovam-pirenena, ary amin'izany foto-dalàna fahagola izany, izay misongadina amin'ny jadona sy ny tsy fisian'ny demokrasia, miankina amin'ny polisy federaly ny andraikitra rehetra amin'ny fomba fandraisana ireo mpifindra-monina.

Ny tsindrim-peon'ireo governemanta ao amin'ny vondrona Amerika-Atsimo mankamin'ny toe-karena kokoa ka manohintohina ny zon'ny tsirairay dia mampiseho ny lafy tsy dia niadian-kevitra loatra ao amin'ny MERCOSUR, izay raha ny tena marina dia fifanarahana momba fadin-tseranana fa tsy politika. Matahotra ohatra i Brezila fa raha vao misokatra amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny vondrona ny sisintaniny, dia mety ho tezitra ny sarangan'olona mahantra maro ao amin'ny taniny, ka hiteraka vesatra ho an'ny andrim-panjakany sy ny toekareny.

Photo by Juliana Spinola copyright Demotix (02/12/2012)

“Manan-jo hisafidy ny toerana tianay honenana izahay”. Sary avy amin'i Juliana Spinola copyright Demotix (02/12/2012)

Saingy tsy izay ihany. Sahiran-tsaina ihany koa ny governemanta Breziliana fa ny fametrahana rafitra momba ny fivezivezen'ny olona sy ny entany an-kalalahana dia mety hampidi-doza ny fandriampahalemana ao amin'ny fireneny izay mbola tsy vonona hiatrika izany. Ohatra iray ny mety hahatongavan'ireo mpamono olona na meloka izay mety hanararaotra ny lalànan'ny fifindra-monina ao amin'ny firenena mifanolo-bodirindrina, mba hanorim-ponenana ao Brezila.

Sarotsarotra kokoa ny mikasika an'i Bolivia, satria mpiara-miombon'antoka izy fa tsy firenena mpikambana ao amin'ny MERCOSUR, ary sokajiana ho lalana lehibe misokatra ho an'ny mpanao trafikan-drongony ny sisintaniny. Ka raha vantany tafiditra ao Brezila, dia hahita tsena goavana ho an'ny entam-barony [rongony] ireo “mpifindra monina” vaovao ireo, tsy lazaina intsony ny zava-misy fa mety hampiasa seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina Brezilana izy ireo ho zotra hanondranana ireo rongony any Eoropa sy Etazonia .

Immigrants' March in São Paulo. Photo by Juliana Spinola copyright Demotix (02/12/2012)

Nidina an-dalambe ireo mpifindra monina ao Brezila mba hitaky ny zony sy  fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifindra-monina. Diaben'ireo mpifindra monina tao São Paulo. Sary avy amin'i Juliana Spinola copyright Demotix (02/12/2012)

Mbola lavitra ny lalana hodiavina mba hahatonga an'i Brezila ho Firenena mpandala ny Fahamarinana ara-tsosialy, saingy tsy azo ihodivirana. Raha te hitazona ny filaminana ao amin'ireo tanànany i Brezila sy te-hifandray tsara amin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy, dia tsy maintsy mihevitra momba izay haha-tompontanàna ny mpifindra-monina niditra ara-dalàna sy manaja  mahaizy azy ireo. Amin'izany ihany koa, zava-dehibe koa ny fanohizana ny fanaraha-maso hentitra ireo izay miditra ao amin'ny firenena: tsy midika hoe mampialokaloka ireo mpamono olona sy meloka ny hoe firenena marina sy misokatra ho an'ny mpifindra monina.

Dingana mankamin'ny lala-marina ny fihetsiketsehana tahaka izao Diaben'ny Mpifindra-monina izao: mampahafantatra azy ireo amin'ireo Breziliana, mampiseho ny endrik'izy ireo, ny fomba fiteniny Portiogey, ny toerana onenany sy ny fomba fiveloman'izy ireo, ny fepetra mifehy ny asan'izy ireo, ary ny fanamafisana ny fikambanan'ny mpifindra-monina mba hitakiana ny zon'izy ireo mikasika ny lalàna. Ary farany, mampiroborobo ny fanentanana araka ny notsipihan'i Roque Patusso, mpandrindra ny Foibe Fanampiana ireo Mpifindra-monina (CAMI) tamin'ny resadresaka [pt] navoaka tao amin'ny bilaogy Bolíviacultural.com.bre:

Um dos avanços conquistados é uma consciência mais crítica do próprio imigrante, de que ele é o sujeito capaz de mudar alguma coisa. O que percebemos é que aumentou o número de pessoas na marcha, mas também a consciência das pessoas quanto aos seus direitos. Esse é o objetivo da marcha, conscientizar.

Ny fahatsiarovan-tenan'ireo mpifindra-monina ihany no iray amin'ireo fandrosoana azo tsapain-tanana vita, izay singa afaka manova zavatra. Ny zavatra hitanay dia ny fitomboan'isan'ireo olona tonga manatevin-daharana ny diabe, ary koa ny fahatsiarovan-tena goavana eo amin'ireo olona ireo mikasika ny zony. Izany no tanjon'ny diabe, ny hampitombo ny fanentanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny